Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Septambra 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Mila fitandremana ny mamoaka vaovao

2008-02-19 @ 13:50 in Andavanandro

Nahavariana tato ho ato fa be dia be ny famoaham-baovao tsy marim-pototra nefa niely haingana dia haingana tokoa. Nahavariana fa na dia ny fampahalalam-baovao efa ela nihetezana aza dia tratra soa aman-tsara tamin'ny valin'ny baolina diso sy andro diso. Ny fatratra dia maro ihany koa ny haino aman-jery nanambara izay vaovao diso izay.

Ny faharoa indray dia ny momba ny loza voajanahary mandalo eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Nahoraka dia nahoraka fa nisy olona 9 nianjeran'ny trano tany amin'ny fandraisam-bahiny iray any amin'ny nosy Sainte-Marie. Nisaritaka tanteraka ny filazam-baovao omaly. Nisy nilaza fa maty ireo olona voalaza ireo. Nisy kosa ny nametraka fisalasalana fa tsy mahalala ny tohin'ny raharaha. Ny marina dia tapaka avokoa ny tambajotram-pifandraisana rehetra tany amin'io Nosy io. Dia nanitsy ny tany an-toerana androany atoandro fa tsy nisy namoy ny ainy velively tany amin'iny toerana iny.

Izay ry zareo ny filazana tsotra: mila fitandremana tokoa ny mamoaka vaovao fa manjary manimba ny hasin'ny famoaham-baovao sy ny fitokisan'ny namana rehetra. Tsara ny miala tsiny mazava rehetra tratran'ny tahaka io tranga io fa tsy manafina mangina azy any.

Hevitra

[Valio]

dia firy sy firy no tena marina @ le ajesaia e?

Nampidirin'i news2dago @ 14:45, 2008-02-19

ok [Valio]

Misaotra jentilisa a!

Nampidirin'i Tokinao @ 15:27, 2008-02-19

[Valio]

ny alahady no natao ny baolina ary 2 noho ny 0 no niafarany. Nomarihin'ny mpitatitra fa tany amin'ny arret de jeu hatrany no nahatafiditra ireo baolina ireo nefa aleo miandry izay avy any amin'ny nandeha tany mihitsy. NIsy ny nanamarika fa tsy nitondra mpanao gazety ny ekipan'i Ajesaia no nahatonga io olana iray io.

Manaraka izany ny tompon'andraikitra ao amin'ny APIPA no nanaika ny rehetra fa tokony hamonjy ny faritra avo daholo ny any amin'ny faritra iva rehetra satria raha nojerena ny any Antelomita ka 3 metatra ny haavo faratampony tokony holeferina amin'ny fitobahan'ny rano dia efa mihoatra atsasa-metatra io fetra io amin'izao fotoana izao.

Nampidirin'i jentilisa @ 16:04, 2008-02-19

[Valio]

Neveriko fa resaka censure sy fahafahan'ny fampitana vaovao indray ka d efa hoe fa nisy in ndray eee hihihi

Tokony tsy avoaka mintsy nge ny vaovao na hoe asiana "reserve" refa tsy tena fantatra ny marina eee

Nampidirin'i simp @ 16:23, 2008-02-19

[Valio]

Ianao no nitondra ny vaovao tsara voalohany hatramin'ny niantombohan’izao raharaha izao !

Misaotra :)

Nampidirin'i tomavana @ 18:12, 2008-02-19

[Valio]

Misaotra r'ise Jentilisa a! Na izaho aza dia tratran'io. Ary dia naneho fialantsiny ho an'ny daholobe ao amin'ny gazety_adaladala. Tsy hita moa ity isika Malagasy olon'ny fo ity e!

Nampidirin'i Avylavitra @ 06:37, 2008-02-21

[Valio]

Andalovana daholo izany e! na izaho aza anie torak'izany fa manitsy ny tenako mihitsy aho rehefa tratrany ihany koa.

Nampidirin'i jentilisa @ 07:49, 2008-02-21