Vaovao Eto anTOerana.VETO

21 Feb, 2008

Tsy adinon'ny filoha i Antananarivo

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 18:43

Efa nataoko tsipalotra teto androany maraina fa miandry ny tohin'ny fihetsiky ny filoha Ravalomanana ny vahoaka eto Antananarivo. Namaly tokoa izy ka nanao fitsidihana an-tsisitsisiny tany amin'ny faritra tena tra-boina ary teny Andohatapenaka no nandehanany sy teny amin'ny fasan'ny Karana (fa fasana ahoana aloha io e? fandoroana anie io fa tsy fasiana ny maty na fandevenana e?). Efa dingana tsara izay satria manjary araka ny fitenin'ny mpanohitra tokoa hoe "fihantsiana" raha tsy nanao io fihetsika io izy. Dia mety ho avy indray ny sary ifanaikaikezan'ny filoha Ravalomanana sy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina samy manao akanjo hoditra mainty. Satria samy teny ry zareo ary nomena anjara fitenenana ihany koa aza.

Ny mety ihavian'ny tsikera dia ny fanomezana izay mitovy amin'ny kaominina hafa ihany (100.000.000ar) ka ilazana hoe mba tsy mitovy ihany anie ny isan'ny tra-boina. Fa efa misy aloha izay na dia mitady ho haro-tabebaka izany aza ny fomba fitenin'ny filoha indraindray amin'izao fotoana izao. Ny ahiako indray satria ny entana atolotra ho fanomezana ankoatra ny an'ny firenena hafa sy ny fiangonana Ortodoksa dia vokatra tiko no mibaribary amin'ireny zaraina ireny. Ahiako ho tahaka ny hiakatra indray ny vidim-bokatr'io orinasa io avy eo.


Hevitra

  1. Ny orinasa Tiko tsy "charity organisation" ka, zany hoe tsy mpanao oeuvre de bienfaisance loatra ny tanjony. Tsy maintsy novidiana tany @ Tiko ny entana mivoaka.
    Zany hoe ra volam-panjakana no nampiasaina dia nitombo ny chiffre d'affaire an'ny Tiko. Ra fanomezan'ny moa dia mba nihena kely zany ny sosiny e. Tsy afaka hampiakatra ny vidin'ny menaka be en tant q telle anefa izy fa manjary tsy competitif ny entany, ra tsy hoe manararaotra fara-parany nga, fa ra vao manomboka le resaka SADC io aloha dia veloma lava ry fikan'antitra monopolista a...

    ary hono wa lesy, isika ve izany tsy mba nangataka fanampiana @ firenena partenera mintsy sa ahoana. Nefa otran'ny nalaza be tany ivelany hoe nanao tourisme tao @ tanana mintsy ra-Ivan vao nivoaka le :)
    sa ve efa mahavita tena isika??

    Nampidirin'i simp — 21 Feb 2008, 21:44

  2. ataoko fa efa voavaly ihany ny fanontanianao satria nadeha tamin'ny BBC nojereko tamin'ny maraina ny fangatahana nataon'ny fitondram-panjakana malagasy

    Nampidirin'i jentilisa — 22 Feb 2008, 14:28

  3. ny mahatonga ahy niahiahy ny fisondrotana indray dia mpitranga io isaky ny vita ny fifidianana!!!!

    Nampidirin'i jentilisa — 22 Feb 2008, 14:30

Powered by LifeType