Maharesaka.VETO

22 Feb, 2008

Lamaody ny mamoaka sary maro

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 18:50

Raha mbola lamaody aty amin'ny tontolom-bolongana ny mitagataga dia ny mamoaka sary maro kosa, na manokana pejy manokana sary ranofotsiny no lamaodin'ny gazety amin'izao fotoana izao. Na izany fihetsiketsehana ara-java-kanto, na toy ireny tondra-drano na rivodoza ireny dia misy hatrany ny pejy manokana amin'ny sary. Misy aza mba mahita zavatra hafahafa dia avoaka ihany koa. Toa tahaka ny latsa-danja mihitsy ny gazety rehefa tsy maro sary. Ny mahasamihafa azy fotsiny dia misy ny sary mainty sy fotsy ary misy ny miloko.

Vaovao hafa manaraka dia namoaka gazety amin'ny teny malagasy ihany koa ny Madagascar tribune. Inona ny vaovao no anarany. Ariary zato, miarahaba azy aho na dia hitako tampoka fotsiny aza satria dia teny Soarano no nahitako raha niandry azy aho tany an-tanàna. Angamba mbola vitsy ny natonta.


Hevitra

  1. Tiko be re zany vaovao izany! Asa mba oviana koa no hivoaka eto @ tranokala izany "inona no vaovao izany :-).

    Misaotra e

    Nampidirin'i Tokinao — 22 Feb 2008, 19:05

  2. pissoa
  3. Mitovy amin'ny Madagascar Tribune ihany ve ny raiketin'ny Inona ny Vaovao ?

    Miandry ny tranokala koa.

    Nampidirin'i pissoa — 22 Feb 2008, 20:55

  4. Tsy efa sature ve zay ny tsenan'ny gazety antsoratra e?
    soa ihany fa @ teny gasy aloha e :)

    Nampidirin'i simp — 22 Feb 2008, 21:44

  5. Aleo ho maro ny gazety dia misafidy ny mpamaky e! le hevitra maro lafy io mantsy no tena mampivoatra!
    ie hitako iny gazety somary maintso iny ny tapany ambony! hay iny zany ilay inona no vaovao! mirary soa

    Nampidirin'i news2dago — 23 Feb 2008, 10:45

  6. Ka izaho aza anie dia kisendrasendra no nahitako azy e! 67ha aloha dia tsy nahitako mihitsy. Hariva efa amin'ny 6 sy sasany no nahitako azy dia kamo aho hividy na dia 100 ariary aza. Tsy mbol hita izany izay ao anatiny

    Nampidirin'i jentilisa — 23 Feb 2008, 14:25

  7. @ manaraka e! mbola ho be ny sisa!
    ta jentlisa anie toa oh nominé @ io resaka tagataga io e!

    Nampidirin'i news2dago — 23 Feb 2008, 14:40

  8. fa iza no koa ny nanondrotondro ahy tany?

    Nampidirin'i jentilisa — 24 Feb 2008, 15:46

Powered by LifeType