Hery manokana amin'ny ahoana?
Manahirana mihitsy ity teny malagasy ity indrandray. Noho ny vondro-tafika manokana nalefa tany Antsiranana farany teo dia te-handika ny teny hoe "forces spéciales" ho "hery manokana" ny ankamaroan'ny gazety mivoaka amin'ny teny malagasy. Dia tena dika nalaina tamin'ny teny frantsay tokoa. Na ny gazety aza dia manao azy ho soratra mihorirana noho ny fisalasalana. Dia mba manoro ihany hoe ataovy hoe tafika manokana rehefa manahirana ny teny hoe vondrotafika manokana na vondrotafika voafantina e!
Fa resaka mpitandro ny filaminana ihany na dia somary miova aza ny lohahevitra. Henjana mihitsy ny fifanarahana mangina amin'ireto fiara fitaterana "mpandika lalàna" (tsy fantatra intsony izay lalàna nodikaina fa rehefa nandika dia nandika hoy ny polisin'ny fifamoivoizana. Miala any ny taratasy fakana ny antota-taratasinao izay voasazy. Raha tazanina tsotra io taratasy io dia tsy mandalo any amin'ny ambaratongam-pahefana ambony any izany fa mety ho noforonin'ireto mpitandro ny filaminana ireto. Tsy misy laharana tapakila fa dia amin'izao fotsiny e! izany hoe izay tokony hahatakatra dia mahatakatra fa tsy hipetraka any amin'ny komisaria mihitsy ilay antota-taratasinao fa any amin-dry zalahy ihany. Noho ny zany raha sazy mahatratra 60.000Ar no tokony aloa raha tena voasazy tokoa dia 5000Ar ihany no aloa. Io tsy mpamily no maka azy fa ny mpanera, izany hoe manana anjara vola ihany koa ny mpanera maka ny taratasy fahazoandalana hamily sy ny miaraka aminy.
Dia mahavariana ahy avy eo ny mahalala hoe "tsy tian-dRavalomanana" ny hanafoanana ireo mpanera amin'ny fiantsonan'ny fiara ireo. Moa ve tsy efa famoronana "mafia" anatin'ny sampan-draharaham-panjakana ny tranga sahala amin'io tantaraiko io?

hn oa ry jentilisa atao inona fotsiny hn io bianco io raha tsy iasa sa atao fampitahorana fotsiny izy io raha izany
Nampidirin'i news2dago — 27 Feb 2008, 14:16
enganie mba ho hitan'ny Bianco ity zany ka in moa :)
Nampidirin'i simplex — 27 Feb 2008, 20:01
marina mihitsy aloha ilay resaka voambolana e! io ilay môtamô fahatàny :-).
Momba an'ilay resaka "mpanera" : resaka pôlitika io ra jentl a : raha hofoanana ny mpanera ... hanao inona ndray zareo raha tsy hi-sam, sy hangalatra. Ny kibo mantsy tsy mba lamosina :-), ary refa nôna ny kibo mivezy ny fanahy.
Fanampin'izany : amin'izay tany efa mikorontana izao : tsy te hampitombo isa ny fahavalony ra-8 ka aleony tsy maka an'io fanapahan-kevitra io.
Ny tsara sy idealy moa dia ny mandrindra an'io asa io, na koa mamorona asa ho an-dry zareo.
Nampidirin'i Rakoto — 27 Feb 2008, 23:41
soso-kevitra : "vondron-tafika manokana" ??
Nampidirin'i Rajiosy — 28 Feb 2008, 15:14
Ny maha-tokana azy dia ny heriny, koa mety ve raha atao hoe "tafika mahery", ... na "tafika mahefa" ??
Nampidirin'i Allain — 28 Feb 2008, 18:56
ny manokana aminy dia izy miavaka. Asa raha azonareo!
Nampidirin'i jentilisa — 29 Feb 2008, 14:27
Misaotra Ra-jentilisa @ ny fanamarihana.
Raha izaho manokana aloha, dia azoko tsara ny hoe "manokana = miavaka".
Ao indray ary fa ataoko hoe ny "mampiavaka" ilay vondrotafika dia ny fanofanana manokana noraisiny, mahatonga azy ho "mahefa" (dia alefa hanao iraka manokana, ets).
Tsy voatery ho dikan=teny mivantana foana angamba e. Ohatra, ny "forces de l'ordre" izao toa ataontsika hoe "Mpitandro Filaminana".
Nampidirin'i Allain — 02 Mar 2008, 22:15