Vaovao Eto anTOerana.VETO

02 Mar, 2008

Antananarivo: Raikitra ny rotaka

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 17:50

Vaovao mety tsy ampoizin'ny maro ny nisian'ny rotaka teto Antananarivo androany alahady 02 marsa 2008. Io rotaka io dia noho ny tsy nisian'ny baolina saiky hihaonan'ny Ajesaia sy ny Costa do Sol. Ny hany fantatro (satria tsy afa-mivoaka noho ny asa aho) dia ny poabasy no re ary ny tatitra no manambara fa potika tanteraka ny kianjaben'i Mahamasina. Resaka vola tokony ho averina no anton'io rotaka io. Ny tena nitrangan'ny raharaha dia tao Mahamasina. Amin'ny gazety rahampitso ho hahenoanareo ny antsipiriany fa dia fanairana ihany no ataoko eto. Misy milaza fa maro ny maratra ary misy fatiolona mihitsy saingy rehefa tsy mahita dia tsy afaka ny hitompo teny amin'izany resaka miely izany.


Hevitra

  1. 9 no naratra ary niditra eny @ hopitaly! kanefa nalefa nody rehefa nahazo fitsaboana!
    resaka mpitsara tsy tonga no naha tsy raikitra ny baolina!
    voafehy ny olona fa tsy dia tena oe potika akory mahamasina e!

    Nampidirin'i news2dago — 02 Mar 2008, 18:32

  2. Loza koa izany

    Nampidirin'i sitlo — 02 Mar 2008, 18:42

  3. Loza tokoa izany nafitsok'ingahy mpitsara izany. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy.

    Nampidirin'i lehilahytsyresy — 02 Mar 2008, 18:49

  4. Fiara maromaro no vaky fitaratra ary 2 no may kila ny afo!
    maromaro ihany koa ny tanora voasambotra!
    eo koa moa ny mpanararaotra te hangalatra!

    Nampidirin'i news2dago — 02 Mar 2008, 18:51

  5. ok! misaotra mitantara jentilisa a!

    Nampidirin'i Tokinao — 02 Mar 2008, 19:11

  6. pissoa
  7. misaotra amin'ny vaovao !

    Nampidirin'i pissoa — 02 Mar 2008, 21:54

  8. En Direkta VETO :)
    ok ok
    miandry ny tohiny...

    Nampidirin'i simp — 02 Mar 2008, 22:02

  9. ikalamako
  10. oups !!
    Raharaha koa izany.
    Soa fa dia misy anareo any tokoa mba manome vaovao ara-potoana eto !

    Nampidirin'i ikalamako — 03 Mar 2008, 01:54

  11. Tapaka mihitsy ny làlana omaly ka voatery nanodidina. Iny Mahamasina sy Anosy iny tsy azo naleha nandritra ny fotoana elaela kely teo. Natahotra ny sôfera taxi-be satria any amin'ireny matetika ny mpanaraoraotra no migafy. Nisy tokoa anie ny fira roa kila forehitra teo e ! fa ity no tena loza... ireo olon-dehibe mba niaro ny fitaovana tery amin'ny gradin "hono" (hoy ilay mpiara-masa amiko mpijery baolina ary nanatri-maso) dia nohosihosen'ny pôlisin'ny FIP teo.

    Loza mihitsy fa mila malina foana amin'izay aleha.

    Nampidirin'i Tsikisariaka — 03 Mar 2008, 13:06

  12. Henonay "en direct " koa tany amin'ny olontsotra mpanao gazety (citizen journalist), inona moa ry jentilisa no fandikanao an'izany?

    Nampidirin'i sipakv — 03 Mar 2008, 14:01

  13. io efa voasoratrao io mihitsy izao no saiky nosoratako

    Nampidirin'i jentilisa — 03 Mar 2008, 17:48

  14. fa misy ny miahiahy ambadika politika tamin'io raharaha io (Kaominina)

    Nampidirin'i jentilisa — 03 Mar 2008, 17:52

Powered by LifeType