Tifiro! tifiro!
Mety ho lahatsoratra faraparany mikasika baolina fandaka ity resaka ity taorian'ny faharesena an'isa manaporofo ny tsy fahaizantsika baolina izay. Na ahoana na ahoana amin'ny mahamalagasy dia manohana ny malagasy mandrakariva aho. Tsy manohana be fahantany fa manohana hampandroso io taranja io. Raha tsy mandray ny hevitra ny tompon'andraikitra dia anjarany izany fa dia hiteny ny lesoka lehibe aho.
Mba afaka nijery ny lalaon'ny Costa Do Sol sy ny Ajesaia aho ary mahita tsara hoe mbola aiza ny lalana lavitra dia lavitra diavin'ny malagasy amin'ny ankapobeny vao mety hahatratra ny hakitrokelin'ny any amin'ny firenenkafa isika.
Voalohany ny toetsaina, miala andraikitra ny malagasy amin'ny ankapobeny rehefa tarafina amin'ny lalaony. Deraderaina amin'ny fahaizana tranonkala (breziliana) ny malagasy nefa tsy misy dikany izany raha ny famerenambaolina ho any amin'ny fiarovana no betsaka. Misy ny olona (Sedera) izay tsy maintsy ampandalovina any aminy hatrany ny baolina. Mazava loatra fa dia tsotra kokoa ny fomba fiarovana rehefa izay no tanjon'ny mpanazatra na dia tsy mahay momba ny fanazarana aza aho.
Mivandravandra loatra manko ny fiaingana avy amin'ny vodilaharana havanana dia manavatsava (manao endrika S) mandrapahatongany ho any amin'ny lohalaharana havia. Tolotra olona 8 na 9 mihitsy aza vao tonga any amin'ny lohalaharana havia nefa tsy hitifitra mihitsy (2 ihany nandritra ny lalao iray manontolo ary tamin'ny fidirana voalohany aza). Baolina tsy tifitra velively fa 'video gag' ilay hany tokana tafiditra nandritra ny lalao.
Mitady hanatitra baolina fa tsy hitifi-baolina ny malagasy. Lesoka be taratry ny tsy fandrosoantsika Malagasy io. Ahoana ary ny tanjona apetrako izaho manokana?
Voalohany, raha manao tranonkala dia miafara amin'ny tifitra no kendrena. Tsara ametrahana tanjona hoe miaiinga amin'ny mpiandro ny tsatoby ka hatramin'ny mpitifitra dia tolotra dimy ihany raha be indrindra no manelanelana ireo. Ny fahadimy na fahaenina raha be indrindra dia manana adidy hitifitra na ho any na tsy ho any. Izany hoe na iza na iza indrindra ny mpanazatra dia mampiofana ny mpilalaony hitifitra hatrany na dia drodroka aza. Fizarana ihany izany. Zavabitika io nefa lesoka tsy ananan'ny malagasy tao anatin'ny 50 taona.

ekena e!
tsy misy sahy mandray andraikitra isika!
Nampidirin'i news2dago — 05 Mar 2008, 15:04
hita mintsy hoe tena mpakafy an'le taranja ingahy jentl :) mankasitraka mankatelina lesy e amen
Nampidirin'i simp — 06 Mar 2008, 00:05
amiko ny tranon-kala mandra-pahatonga any @ surface de réparation-n'ny mpifanandrina dia tsy maninona. fa ny lesoka efa hatramin'ny ela dia ilay tsy fisiana avant-centre ilay tena izy : izany hoe ilay rehefa mandray baolina dia avy dia mitifitra avy hatrany (sady manao kafom-baolina be) mankany amin'ny tsatokazon'ny adversera.
ny antsika ny mpanafika dia ilay mahay mijijy fa tsy mpitifitra avy hatrany.
ampianaro mitifitra avy hatrany ny boay kely rajentl a (TDM hoy ny mpananihany !).
Nampidirin'i Rajiosy — 06 Mar 2008, 10:18
Ny mahagaga anie dia ny an'ny olona raha vao mananontanona ny surface de reparation adverse mihitsy dia ny hitifitra avy hatrany no atao tanjona ary na iza na iza io fa tsy miandry ny lohalaharana akory. Ilay fahasahiana mihitsy izany no toa tsy ao amintsika ; miditra ny baolina dia tsara, tsy miditra dia manome fotoana mba handaminana ny fipetraka indray aloha (replacer). Fa ny antsika, dia ny tahotra ny tsy ahafaty baolina no mbola mibahana betsaka. Matahotra vavan'ny spect ve sa matahotra inona ?
Nampidirin'i zety — 08 Mar 2008, 11:18

Nampidirin'i zety — 08 Mar 2008, 11:21

Nampidirin'i zety — 08 Mar 2008, 11:26