Tsy miverina ilalana
Efa ahafantarana ny fitondrana ka dia tohizany tokoa rehefa mandray fanapahan-kevitra ny tsy manenina fa dia fikiriny mandrakariva iny. Lohatenim-baovao voalohany nisongona ny valim-pifidianana ny nandraisan’ny minisitry ny fanatanjahantena n mpanao gazety nilazany indray fa tazoniny ny fandravana ny federasionan’ny baolina fandaka. Fanapahankevitra hany neken’ny mora an’isa mpankafy ny fanatanjahantena eto Madagasikara aloha amin’izao fotoana izao. Tsy araka ny fiahihiana ny mety haha anjorom-bala ny baolina fandaka malagasy fa aleon’ny mpankafy io fanapahankevitry ny Minisitra io toy izay fanohizan’ny federasiona ny asany izay tsy maintsy hoe ho lany indray raha ny fanohanan’ny ligy azy no jerena.
Dingana manaraka tokony hataon’ny minisitera indray ny fandravana ny ligy isankarazany amin’ity taranja baolina fandaka (kitra) ity indray satria ireo koa no fototry ny fanakanana ny fampandrosoana ity taranja iray ity. Izaho manokana moa dia ny fandaminana ny taranjam-panatanjahantena amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy ao indrindra fa ny fanomezana toerana sahaza azy ny mpijery (na dia ny tapakila tsy ampelatanan’ny mpijery intsony rehefa tafiditra ny valan’ny kianja aza dia zavatra tsy azo leferina nefa neken’ny maro an’isa hatramin’izay, nefea dia fototry ny tsy fahamatoran’ny fidiram-bola io).
Ankoatra izay ny vaovao hafa dia lasa mampihomehy valaka koa ny mahita ny mpitatibaovaon’ny fampielezan-tsary TVM faly ery manonona ny 100% azon’ny TIM tany amin’ny faritra maro tsy nananany mpifaninana nefa saiky tsy hitany mihitsy ny fandresen’ny tsy miankina tany Antsirabe I, ary ny antoko hafa tany Toamasina I sy Antsiranana I ohatra. Zavatra tokony hahamenatra indray ve ry zareo no ireharehana?

misaotra e!
tena tokona ravana koa ny ligy fa samy mihinam-bola fotsiny aiza ve ko ry Ahmad nama dia manana 4x4 efa ho telo mahagaga ihany kanefa ny kitra tena tsy mande @ laoininy akory!
asa tokoa fa dia tena tsy menatra ry zalahy oe nahazo 100% zany tokoa angaha ny demokrasia kono
Nampidirin'i news2dago — 18 Mar 2008, 09:51
Tonga soa aloha rajentl a.
Ela mintsy no tany antsaiko pre vao naheno an'ity resaka fandravana ny FMF ity a.
:)
Nampidirin'i simp — 18 Mar 2008, 22:56