Miezaka ny manodin-dresaka ny fanjakana?
Na dia tsy mahara-baovao firy aza dia misy ihany ny kely izay fantatra. Ohatra iray amin'izany misy ny fivorian'ny fanjakana Karana amin'ny mpitondra Afrikana. Indro ny filoha Malagasy fa mihazakazaka ho any Alemaina...toy ny manivaka mandeha irery. Tsotra kosa aloha no mety ho antony e, mba tafaraka sary tamin'ny chancelière aloha. Avy eo ny mpandraharaha Rainiboto no tadiavina, ny mpandraharaha Malagasy tsy hita izay tokotaniny. Tsy voasa ho any India va re ny filoha sa tsy te-ho any fotsiny izao?
Ankehitriny koa avy izao resaka tsy loa-body rehetra izao tian-ko porofoina fa misy miketrika korontana eto Madagasikara. Ka na ho inona na ho inona fitandremana rehefa feno ny kapoakan'ny malagasy tsy niteny teo dia misy zavatra miparitaka foana eto nefa dia ny fiainan'ny Malagasy amin'ny ankapobeny hatrany no mihapotika avy eo. Na ny fandrenesana hoe lasa tapa-bolana isan-taona izao hoe sisa no zon'ny mpiasa tsy miankina amin'ny fanjakana mangataka andro tsy iasana raha iray volana teo aloha ve tsy hahatezitra ny mpiasa? Ny zony hatrany no ahena nefa tsy hita akory izay asa vaovao.

ary mba tsy henoko indray io fihenan'ny zo ny mpiasa io an! zany kosa ve tsy efa fanandevozana e! an!
Inona ary no hevitra tokony ho raisina
Nampidirin'i news2dago — 10 Apr 2008, 16:07
>misy miketrika korontana eto Madagasikara [...] feno ny kapoakan'ny malagasy tsy niteny ...
Sao dia hoe "izay tsy ampy ketsa mivezivezy"
Nampidirin'i tomavana — 10 Apr 2008, 17:19
miangona miangona fotsiny le izy aloha ny tena marina e...
mbola tsy manana ol hianteherana ny vahoaka. Zafy aloha tena tsy poinsa eee. Ra misy olon-kafa tonga d raikitra ndray io...
Nampidirin'i simp — 10 Apr 2008, 21:48
le 10 andro io ve efa tena projet de loi mintsy sa mbola vao hevitra nisy nanaparitaka fotsiny? :)
Nampidirin'i simp — 10 Apr 2008, 21:50