Maharesaka.VETO

11 Apr, 2008

Moov Madagascar: Mba ilazao ny fiovana fa aza mamely tampoka e!

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 16:43

Noho ny antony manokana dia voatery nampiditra izany aterineto izany any an-trano ny tena. Tsy afaka ny tsy afa-manao famandrihana isam-bolana izany ny tena fa izay takatry ny tena aloa mialoha ihany no ezahina itsitsiana. Tsy henoko loatra ny hatsara na haratsin'ny vokatra hafa fa dia izay efa misy milaza mialoha ihany no azo idirana e! Dia izay no nahatonga ny safidy ho any amin'ny moov aloha.

Ny azo ihafiana ihany moa no nidirako sady rehefa mahita ny karatra hoe 10 000ar ahazoana mivoivoy mihoatra (izay aloha no fahazoako ny + e) ny 5 ora. Tsy nahita ny 20 000ar mihitsy ny tena satria vitsy hoe ny mividy ireny ka tsy sahy maka ny mpivarotra. Mahihitra ihany ny tena ka dia noraisiko naoty sy natambatro tsara ny saran'ny efa lany. Efa nisy nahavariana ahy manko ny fahalaniany vetivety. Iny fa 4 ora sy sasany no lany dia tsy manana sanda azo idirana aterineto intsony, hono, aho. Tsy maintsy tezitra ny tena satria tsy vita akory izay natao dia tapaka ny fifandraisana.

Nankao amin'ny masoivoho tao Analakely aho nanadihady kely sy nilaza ny fahagagako nahalany sahady ny sara miandry. Dia namaly ny mpandray fa raha ora malalaka no 5 ora  fa raha amin'ny ora feno kosa dia 2 ora sy sasany iny dia lany. Eo aho vao gaga. Nisy fisondrotana ve sa izany hatramin'izay? ny tena manantena fidinambidin'ny sara nefa hay miakatra izy ity. Dia hoy aho an'eritreritra hoe tsy adalan'ny mpanolotra antsom-pifandraisana anie ny miteny mialoha ny fisondrotana sa mbola vitsy loatra ny manana aterineto any an-trano ka tsy mendrika ampilazaina mialoha? Dia milaza aminareo namana eto Madagasikara io valinteny azoko io aloha aho sao mbola misy tsy mahalala isika.


Hevitra

    pissoa
  1. Lafolafo izy izany ! No toa tsy manaja mpanjifa lol.

    Fa inona aloha ilay ora malalaka sy ora feno e ?

    Nampidirin'i pissoa — 11 Apr 2008, 17:33

  2. Fa nga moa ny contrat azo ovaina antenantenany zany eee. Sao d mba ilay mpanjinjarany nivarotra taminao no tsy nahalala ny tena marina na nanao fanahiniana nandainga?
    ra mbola valide le izy t@ nividiananao azy dia tsy azony ovaina iny fa hoe izay nividy tao arinan'iny no azo ampiharana ny sarany vaovao. Anotanio ihany aloha... Minimum ana-service apres vente koa no tokony ho fandefasana mailaka any @ mpanjifa ra misy zavatra miova na tsy haiko mety ho faharatsian'ny reseau ohatra...

    Kanefa toa tsy ho azo toriana o? toa tsy ahefa ny sandany ny vidiny :)

    kay ary lafo be izy

    Nampidirin'i simp — 11 Apr 2008, 17:35

  3. pissoa,

    adiny 2 sy sasany ve ranga dia mahazo A10.000, sao dia tokony hanao cooperation kely hanangana cybercafe kle :)

    Nampidirin'i simp — 11 Apr 2008, 17:37

  4. io ilay efa nolazaiko an'i jentilisa @ ity resaka aterineto ity! na ny moov na blueline dia samy manapoaka rehefa mividy an'io karatra io ianao! ny ahy ary indray maka izay abonement tao @ blueline fa tafakatra 900.000 FMG ny facture-ko ny farany ny volana! nojerena sy nohamariniko avokoa ny sarany ny fotoana laniko rehetra eo aho vao tankina fa hay naverin-dry zalahy in2 daholo ny connexion nataoko nandritra ny 3 andro! avy eo indray ilay izy tsy maintsy aloako hono ny vola rehetra aloa vao anesorana ny laniko @ volana ho avy! izany oe ny vola zany lasany foana ihany fa mba nandoa avance fotsiny aho! mangalatra daholo ny mpamongady @ ity serasera ity oa!

    Nampidirin'i news2dago — 12 Apr 2008, 10:11


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType