Fakafakao: Aza terena handray fanapahan-kevitra...manohitra vahoaka!
Mahavariana ny tenin'ny filoha RAVALOMANANA Marc raha nitafa tamin'ny mpanao gazety izy teny ampahatongavana teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny IVATO.
Asa na hevitra nomasahana tao anatiny tao na fitadiavana hiala amin'ny fanontaniana efa niomanan'ny mpanao gazety fa indroa izy no niteny hoe :"Aza terena handray fanapahan-kevitra mifanohitra amin'ny tombontsoam-bahoaka aho!". Anisan'ny namaliana ny antony tsy namelana ny hanatontosana ny fampisehoan'i Rossy manko io teny io. Mampieritreritra ahy io fomba filaza io.
Voalohany, izy ihany ve izany no mpanapa-kevitra amin'izay antsoina hoe tombotsoam-bahoaka? Sa heverina tokoa fa mety hiteraka fanakorontanana eto amin'ny tanàna tokoa ny fanatontosana ny fampisehoana anankiray nandrasan'ny mpankafy azy hatramin'ny ela? Lasa any amin'ny baolina fandaka ihany koa ny eritreritro avy eo: mazava izany fa fanapahan-keviny ihany koa io fanafoanana ny FMF io. Manahy ny mety hisian'ny korontana ve izy sa ny fialambolin'ny sarambambem-bahoaka mihitsy no tiany foanana?
Faharoa, angaha moa misy manery azy hanao izany fanapahan-kevitra manohitra ny tombontsoam-bahoaka izany? Raha ahenany tapabolana ve ny zon'ny mpiasa hiala sasatra isan-taona dia tena mino tokoa izy fa izay ilay tombontsoam-bahoaka? izay marina ilay antsoina hoe mpanao politika an! ny tombotsoany no lazainy hoe tombontsoam-bahoaka! Efa sitrapo mihitsy izany fa tsy fanerena mihitsy.
Dia aleo aloha atsahatra fa afa-manohy ihany koa ianareo raha te-hanohy!






Hevitra
[Valio]
Miandry ze tombotso e! indrisy
[Valio]
sao ny tiany holazaina kosa hoe "isika no mihevitra fa izy no nandray fanapahan-kevitra mifanohitra ny tombotsoan'ny vahoaka", izany hoe tsy izy no naka io fanapahan-kevitra io fa ny saintsika sy ny fiheverantsika no milaza izany.
Izany hoe fialan'olon-kendry - oops tsy kendry fa fetsy :-P - pas izany ny azy e, miverina amin'ny tamin'ny andron'i deba indray mandeha iry hoe "le président préside, le gouvernement gouverne" : tsy voatery ny filoha foana no mandray fanapahan-kevitra...
Asa re.
[Valio]
Marary mintsy ny fon'i jentl @ ity conge lasa tapa-bolana ity kle :)
Resaka ka atao fa politiquement tsy soutenable lesy zany a... ny fanahenana ny jour ferie nga na hoe fampitomboana ny ora iasana isan-kerinandro ahay...
[Valio]
Ny fahenoako azy dia ... Aza terena handray fanapahan-kevitra mifanohitra amin'ny tombontsoako aho !
@ Ikalamako hoy ny vazaha hoe "mankasitraka matoa mangina" [qui ne dit mot consent] mitovy hevitra amin'ny Ministra tanteraka i Ra8
@ Simp ny Amerikana nifidy an'i Bush, ny frantsay Sakozy, ny italiana ity mitady hiverina ami'i Berlusconi ... dia iareto eo aloha mandra-panolo e ... akory atao fa izy no safidin'ny maro ;)
[Valio]
Mety koa hoe: mamofompofona fanapahan-kevitra ny vahoaka dia ny azy no ataony tonga aloha? "La meilleure défense, c'est l'attaque" hoy ny vahiny! Mampisaina!
[Valio]
Ny nahavariana ahy, ary angamba noho isika olotsotra tsy naheno ny resaka iray manontolo fa ny tapatapany ihany dia ny nahaizan'i Rossy niditra tamin'ny resaka noho ny filazana (tamin'ny gazety no hitako )hoe tsy manana olana amin'ity mpanakanto ity ny filoha.