fjkm Itaosy: Saiky simban'ny mpangala-jaza
Mpiara-miasa amiko no mitantara ity zavatra nitranga tao amin'ny fjkm Itaosy (tompon'anarana) tamin'ny alahady 13 avrily lasa teo ity. Raha vao niditra tao amin'ny faritry ny fiangonana ny mpitandrina dia nahatsikaritra olona maromaro (lehilahy avokoa) nijorojoro teo ivelany teo. Tsy nisy nanao akanjo velondrirana ry zalahy. Nanontany azy ireo ny mpitandrina hoe manao inona eto ianareo? dia novaliany fa vahiny avy any Antsirabe izy ireo ka mba hiangona. Raha izany, hoy ny mpitandrina, dia tonga dia mandrosoa fa mbola be ny ho avy ka sao mifanelingelina amin'ny lalana. Dia namaly izy ireo hoe andraso aloha fa mbola be dia be izahay no ho avy. Dia lasa ny mpitandrina.
Avy eo nisy ankizy maromaro nifanao fanenjika nanodidina ny fiangonana.Tsitapitapitr'izay nisy ankizy tokony ho fito taona nihazakazaka nankany amin'ny biraon'ny fiangonana nilaza fa nisy nitondra any ny zandriny. Taitra ny tao ka nihazakazaka niparitaka nitady ny zaza teny amin'ny elakelantrano avokoa ny lehilahy. Ny diakona amin'io miaraka amin'ny raoby no mivezivezy any rehetra any. Nahatsiaro an-ry zalahy nijorojoro tampoka ny mpitandrina.
Nanditra izany fotoana izany, tahaka ny hoe nahazo antso ry zalahy nitondra ny zaza, navelany tany akaikin'i Behenjy (Itaosy) avokoa ny zazalahy efatra nalaina, ka ny telo amin'ireo dia zanak'olona iray avokoa. Niteny tamin'ny tao ampiangonana amin'izay ny mpitandrina hoe "eo akaikinareo avokoa ve ny zanakareo?". Nipararetra avokoa ny iray fiangonana rehefa nahare. Tsy nisy niditra tamin'ny fiangonana intsony ny sain'ny maro. Toy ny very saina ny rain'ny zaza nahita ny zanany nentin'ny olona niverina avy any. Niteny moa ny mpitandrina fa mbola misy namany ao ampiangonana matoa navotsotra tampoka ny zaza saika nalaina.

loza koa izany!
misy tamban-jotra mihitsy oe ny mpangalan-jaza
Nampidirin'i news2dago — 14 Apr 2008, 18:17
dia mahasakisaky lahy ny olona kah !
Nampidirin'i ikalamako — 14 Apr 2008, 18:46
Hita ihany ve izany ilay zaza raha azoko tsara ?
Nampidirin'i pissoa — 14 Apr 2008, 19:08
Navelany soa amantsara.
Nampidirin'i jentilisa — 14 Apr 2008, 21:22
Mety saika nanaovan-dry zalahy demande de rançon angamba ireo zaza ireo ?
Nampidirin'i lehilahytsyresy — 15 Apr 2008, 09:43
mmm mampatahotra, mivarahontsana mihitsy aho mieritreritra an'izany!
Nampidirin'i ikalakely — 15 Apr 2008, 12:01
Tandremo tokoa ny ankizy fa dia loza mihitsy anie e. Sady amin'izao fotoana koa efa mihamaro ireny mpametaveta zaza ireny. rehefa vitany moa izay ataony, dia vonoiny ny zaza, mazava ho azy.
Nampidirin'i lehilahytsyresy — 16 Apr 2008, 13:53
any madagasikara koa ve ?
Nampidirin'i Rajiosy — 16 Apr 2008, 19:26