Tonga eny Ivato i Rossy [edit]
Araka ny antso an-tarobia nataon'ny mpanakanto Rossy avy eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato dia tonga eto an-tanindrazana ny lehilahy amin'izao fotoana izao. Tamin'ny ora nanombohan'ny fandaharana kidaona maraina moa no niantsoan'ny lehilahy. Nolazainy ary fa miaraka amin'ny tarika miaraka aminy izy ka ny dimy dia teratany vahiny ary ny dimy hafa kosa dia malagasy. Milaza mbola hiresaka amin'ny tompon'andraiki-panjakana moa izy satria hajaina ny mpitondra fanjakana hoy ny tenany. Asa rahoviana izany no hotanterahina ny fampisehoana ataony eto an-tanindrazana?
Ny fanampim-baovao nataon'ny mpanao gazety no nandrenesana fa ny hihaona amin'ny filoha Ravalomanana no tanjony voalohany. Karazany tampoka ihany izao fahatongavany izao ka mety tsy hampino anareo nefa dia ren'ny mpihaino rehetra io. Marihina fa tsy misy tokony idiran'ny zavatra hafa ankoatra ny zavakanto ity resaka ity, ary zavakanto irery ihany.






Hevitra
[Valio]
mety hisy korotana eto ra vao manao seho i rossy satria fomba ny mpitondra izaony mandefa mpikaram'ady hanakorotana raha ny hevitra nomeny lecacheur no tazomintsika oe mety marina
[Valio]
Ny isavorovoroan-kilantoana! Raha izay no mahatsara zavatra tsy aleo ve izay toy izay milamindamin-dratsy ohatran'ny boka
[Valio]
>milamindamin-dratsy ohatran'ny boka
Izao indray iny vao henoko :D
Izay sitraky ny tompony ihany no hotanterahina sa ?
[Valio]
tena fomban-drossy mihintsy io midehaka io ka hoe mila mihaona amin'ny Filoham-pirenena. Mbola conseiller any amin'ny presidansa angaha i rossy ? Fa te hiakatrakatra aiza ingahy io e ?
Efa nisy mpanakanto nangataka aodiansa any amin'ny presidansa ve fa hoe hanao fampisehoana ?
Izay mbola tsy mahalala dia izay ilay olona e !
[Valio]
Ny ora dia tamin'ny 7 ora latsaka folo maraina teo ho eo no niantsoan'i Rossy
[Valio]
Tonga soa @ tanana zany koa in moa
[Valio]
Fa mety tsy hahazo audience any lery aloha ee.
Nefa okazy hoan-dra8 koa izao hanaovana tsara fanah an :)
mety ho mpijoko voajoko izy ity fa tsy fantatra fotsiny hoe iza no iza 8)
[Valio]
Tak'izay koa aho mba nangataka audience tamin-dRavalo.
Izany eo ihany fa raha izaho dia aleo izy hanao fampisehoana dia ho hita hoe mifangaro politika marina ve ny kolotsaina entiny.
Hatramin'izay aho dia miteny foana hoe manana zo i Rossy hiaina ny politikany fa ny resaka loham-boto sy herisetra (tahaka izay niseho taloha) no tsy mamely.
[Valio]
Marina mihintsy anie zany e ! Zony io.
fa raha vao manao na dia frazy iray bemiranga fotsiny aza (tsy afaka aminy io fa tsy maintsy ataony) dia mazava ny resaka.
[Valio]
ary hafa ny feeling-nareo momba io resaka io ato :-)