Vaovao Eto anTOerana.VETO

21 Apr, 2008

Ho afa-miditra soa aman-tsara ve raha mbola misy gazety vaovao?

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 15:47

Efa bebe ihany izay ny gazety eto amin'ny tanàna izay raha mitovitovy daholo ihany izay ambarany, ka jerena avokoa ny lohatenim-baovao avoakan'izy ireo. Dia lasa ny saina mieritreritra hoe mety hahazo mpanjifa ve raha mbola misy gazety vaovao mivoaka indray? na gazety mivoaka isan'andro io na gazety mivoaka isa-kerinandro. Ahoana ny mety ho eritreritrao ho takelaka mbola banga eo amin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety malagasy ka hahatafitra izay vaovao mikendry ny hahomby na ho tafiditra soa aman-tsara na hahaliana ny mpamaky ny zavatra avoakany? Ny vaovao amin'ny teny malagasy no tsara kokoa sa ny vaovao amin'ny teny frantsay?

 


Hevitra

    news2dago
  1. hamoaka gazety anga i jentilisa e! tsy aleo ve ity blaogy ity no hatsaraina de izay sa ahn?

    Nampidirin'i news2dago — 21 Apr 2008, 16:20

  2. Misy fanadihadiana be anie ato izany e ? Efa tonga angaha ny eritreritra dia manao "étude de faisabilité" ianareo ?

    Nampidirin'i Crjo — 21 Apr 2008, 17:19

  3. Asa ianareo raha mamaky any amin'ny africaintelligence fa misy mikasa hamoaka gazety izany eto Madagasikara dia izay no nahatonga ahy hanoratra e!

    Dia mba fantariko mialoha koa ny hevitsika amin'izany gazety mety havoakan-dRavatomanga izany. Ilay tompon'ny vondronasa Sodiat io

    Nampidirin'i jentilisa — 21 Apr 2008, 18:19

  4. ravatomanga ve tsy efa lasa senateur zany oe TIM de mazava ho azy fa hifanandrina @ naina ratsitohaina izy zany izay mety ho kandida mety ho lany filoham-pirenena @ fifidianana manaraka

    Nampidirin'i news2dago — 21 Apr 2008, 19:19

  5. ampiko kely ilay hevitro teo oe i naina tompon'ny gazety les nouvelles sy taratra izay efa manana ny toerany eto ka asa izay ketrika ataony i ravatomanga izany! ny polyclinique etsyilafy efa mampiteny ny moana ny saram-pitsaboana ao dia ady ny samy mpanana tokoa izy ity satria capitalista no mpitondra eto e

    Nampidirin'i news2dago — 21 Apr 2008, 19:22

  6. >Ahoana ny mety ho eritreritrao ho takelaka mbola banga ...

    Tsy ampy mihintsy ny fitaterana "vaovaom-paritra" ka raha toa ka manana mpanao gazety isam-paritra sady mahatafita vaovao ara-potoana ilay gazety vaovao dia mety hisongadina amin'ireo efa eo an-toerana

    Nampidirin'i tomavana — 22 Apr 2008, 09:57

  7. tsarovy fa gazety mpivoaka isan'andro 2 raha misy dia misy no mahavita tombom-barotra. ankamantatra : inona àry no antony mahamay ny maro hiditra @ io sehatra io ?

    Nampidirin'i Rajiosy — 22 Apr 2008, 23:43


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType