Vaovao Eto anTOerana.VETO

26 Apr, 2008

Lisitry ny Loholona notendren-dRavalomanana

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 14:16

Didy hitsivolana laharana 2008/426 nivoaka androany 26 avrily 2008 no namoahana ny anjara tinendrin’ny filoha Ravalomanana amin’ireo loholona vaovao. Ireto avy ireo 11 voatendry ireo:

1 - Noel Rakotondramboa izay niandraikitra ny fanomezana mari-boninahi-pirenena.

2 - Jly Charles Sylvain Rabotoarison minisitra teo aloha (tontolo iainana)

3 - Tovonanahary Rabetsitonta

4 - Ruffine Tsiranana

5 - Johanita Ndahimananjara teraka Randrianarison

6 - Jean Baptiste Randriamaro

7 - Eliane Rosa Naika (sa Nike?)

8 - Pastora Rabenorolahy filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy teo aloha.

9 - Réné Razafiarison

10 - Raymond Ramandimbilahatra (Mox mpanolotsainan’ny filoha teo aloha?)

11 - Mosa Tahiry

Miala tsiny amin'ny hery raha efa nahasoratra tany aminy aho satria tsy nety nivoaka mihitsy ity tamin'ny mozilla androany fa naninona ary?

 

Hevitra

  1. Misaotra mampita vaovao Ra-Jentl a. Izaho manokana dia tsy mahalala loatra ireo anarana ireo, anefa diso ve aho raha mahita fa toa misy "ouverture" amin'ny tsy TIM izy ireo ?

    Nampidirin'i tomavana — 27 Apr 2008, 13:18

  2. Tsy mahita fisokafana loatra aho aloha ry tomavana! misy ary ny gaga hoe fa maninona no tsy mba tafiditra Rtoa Odette Rahaingosoa?

    Nampidirin'i jentilisa — 27 Apr 2008, 14:44

  3. Mialatsiny fa tsy mahalala an-dRtoa Odette Rahaingosoa koa ny tenako ...

    Ny nahatonga ahy nilaza hoe misy fiosokafany dia io fanendrena io no nampiditra ireo hany "tsy-TIM" amin'ireo loholona ankehitriny ... sa diso ny fahitako azy ?

    Nampidirin'i tomavana — 29 Apr 2008, 14:48

  4. marina ihany izay raha izay no fomba fijerinao azy ka

    Nampidirin'i jentilisa — 30 Apr 2008, 14:35


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType