Vaovao Eto anTOerana.VETO

30 Apr, 2008

tantara mahatsikaiky: manenjika sarety

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 14:18

Noho ny tsy fahafahana firy dia izay sisa voangona aloha no omena ary heverina ho ao anaty fahafinaterana no andafasana ny vaovao. Tsy ilay tantara akory no mahafinaritra fa ny fomba intatarana azy no mba ezahina ho tsy hahasosotra loatra.

Tany amin'ny faritry Betioky any ity tantara mba lazaina ity. Tena nisy ity fa tsy noforonina tsy akory. Nahatsikaritra sarety dimy feno sokatra tsy azo aondrana (radiata) ny zandary sy ny fokonolona ka nanenjika azy ireo. Fa dia tena mandeha haingana mihitsy ireto sarety ireto rehefa natao ny fifanenjehana satria ny iray ihany sisa no tratra, fa ny hafa tsy hita nanjavonana. Tsy fantatro hoe tarihina soavaly ve sa misy maotera ireo sareto ireo... na ny mpanenjika koa no mandeha an-tongotra maka aina isaky ny telo kilaometatra. Fa dia nahatsikaiky ahy ihany aloha ny nandre ilay izy e! izaho izay vao haingana no nanoratra hoe "hakalin-tsarety" ity.

 


Hevitra

  1. Sao dia mba misy resaka ody na koa fifohana zava-mahadomelina ary ity tantaran'i Ra-Jentl ity ... Sao dia heverinao ho 1 Aprily rahampitso fa 1 May ;)

    Nampidirin'i tomavana — 30 Apr 2008, 15:17

  2. o rangahy ity a! manahy mafy aho fa hivoaka rahampitso amin'ny gazety rehetra io zavatra io fa ny fomba nitantaran'ny rnm azy no tena nampihomehy. Fa izy kosa aloha tsy niteny hoe tsy hita nanjavonana ny sarety efatra e! ny iray tratra ihany no nolazainy... ny tany amin'ny rdb kosa indray moa io nalaiko soa aman-tsara io satria ny solontenany avy any mihitsy no nilaza azy ...afa-tsy raha hoe ilay mpitantara no nifoka. Fady ahy ireny Tomavana a! tsy mandray an'ireny mihitsy ny aty.

    Nampidirin'i jentilisa — 30 Apr 2008, 18:18

  3. sao d mba maso be tsy mahita zany rakoto a :)

    Nampidirin'i simp — 30 Apr 2008, 18:50


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType