Maharesaka.VETO

18 Mey, 2008

Ambohijatovo: Labozia ho an'ny matin'ny sida

Andavanandro — Nampidirin'i jentilisa @ 18:21

Notontosaina teny amin'ny zaridainan'Ambohijatovo ny androm-pahatsiarovana ireo matin'ny sida rehetra. Araka ny fahalalàna dia sambany vao notsarovana teto Madagasikara ity vaninandro ity. Araka ny resaka dia tamin'ny enina hariva teo no nandrehetana labozia hanehoana izany fahatsiarovana izany.

Nandritra io fotoana io koa no nisehoan'Atoa Firinga Johnson sehatra voalohany hijoroany vavolombelona fa misy tokoa ny malagasy mitondra ny tsimokaretina VIH. Nisy fampisehoana moa nandritra io fotoana io. Nozaraina ihany koa ny labozia narehitra (fa saiky hitazandavitra ny maro amin'ny malagasy ary efa fanaony rahateo izany).

Ny somary nahatsikaiky raha nisy ny fananganantanana ka tonga teo amin'ny hoe hifandray tsy misy tahotra amin'i Johnson fa nisy nampidina tanàna teny an-tsehatra aloha ary dia maro koa ny olona nanatrika no nampidina ny tanany. Ny nahatsikaiky ahy faharoa dia nisy fitenenana tsy sazoka na diso toerana angaha hoe aza ailikilika i Johnson fa sao very irery ihany. Ampiantsika izy...(izany hoe hiara-very aminy isika?). Vazivazy iny aloha an!


Hevitra

  1. Hi hi - marina fa hoe Fight AIDS not people with AIDS ... fa toa ho maty en Hero izany ny matin'ny AIDS lol.

    Nampidirin'i pissoa — 19 Mey 2008, 00:21

  2. Ny maty, efa maty fa ny velona no tokony jerena izay tsy hahavoa sy hahafaty azy, sa ahoana?

    Nampidirin'i Lalasoa — 19 Mey 2008, 11:23

  3. ka zao le hoe combattre le feux avec le feux ka :)

    Nampidirin'i simp — 19 Mey 2008, 13:51


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType