Maharesaka.VETO

29 Mey, 2008

Oay ity karapanondroko! jereo koa ny anao

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 14:01

Gaga dia gaga aho nahita ny karapanondroko rehefa avy nijery fandaharana iray tamin'ny fahitalavitra aho. Izay nanamboatra kara-panondro folo taona eo ho eo izay dia tratra avokoa. Inona hoy ianao? tsy misy fitomboka ho'aho ny sary amin'ny kara-panondro e! satria manko karatra sarotra alaina tahaka izy ity dia tsy maninona ve raha tsy nasiana fitomboka ny sary? Inona ny manakana ahy tsy hanova ny sarin'ny olona eo raha te-hanao hosoka aho? saingy tsy hanao izany aho aloha noho ny fitandroako ny fahamarinana.

Izao aho manontany anao: Jereo koa hoe ny kara-panondronao? Tsy voalazan'ny lalàna hono hoe tsy maintsy asiana fitomboka io. Dia lasa ny saiko manao hoe lalàna dia mamporisika hosoka koa izany lalàna malagasy izany. Ovay avy hatrany fa mampidi-doza... Etsy ankilan'izany dia nampanaovina sonia fanindroany hatrany aho rehefa maka vola any amin'ny banky kahoy aho hoe sao tsy matoky ny kara-panondro intsony koa ary ity banky misy ahy ity?


Hevitra

  1. jentilisa: sao de fosika aza ny kara panondronao sany ahy ny fosika fa ny ahy dia misy fitomboka ary manirikiry ahy mihitsy ilay fitomboka fa manakona ny tarehiko iray manontolo

    Nampidirin'i sazykely — 29 Mey 2008, 15:24

  2. Kay! adinoko ny nanoratra hoe ny karapanondroko dia natao tao amin'ny boriborintany voalohany tamin'ny jona 1999 ary ilay karapanondro kely io fa tsy ilay ngeza volontany ireny. Aza fady hoe satria ireo nanana ny kely no tena tsikaritra fa misy io toe-javatra io.

    Nampidirin'i jentilisa — 29 Mey 2008, 17:22

  3. Sazykely : Ise voatavo tsy mifandraka dia misy fitomboka - hi hi.

    Ny karapanondroko koa aloha tsy misy fitomboka ny sary e. Janoary 2001 ny ahy no azo ... tany Arivonimamo. :)

    Nampidirin'i pissoa — 29 Mey 2008, 19:46

  4. harilova
  5. Ny ahy ry ireto nojereko daholo ny karapanondroko dia misy fitomboka daholo a
    hi hi hi

    Nampidirin'i harilova — 29 Mey 2008, 23:50

  6. Misaotra jentl a !

    Nampidirin'i tsiks — 30 Mey 2008, 08:21

  7. ny ahy misy ka, firaisana V, taona 2004

    Nampidirin'i Lalasoa — 31 Mey 2008, 00:34

  8. ny anontaniako anie izao dia hoe ilay karapanondro lehibe sa karapanondro madinika ilay anareo e

    Nampidirin'i jentilisa — 31 Mey 2008, 10:30

  9. Ilay kely ny ahy ka !

    Nampidirin'i pissoa — 31 Mey 2008, 17:17

  10. Hita ho'aho koa, ny kely manko no tena ahitako io tsy misy fitomboka amin'ny sary io.

    Nampidirin'i jentilisa — 01 Jio 2008, 14:33

  11. Fa ny pasipaoro koa tsy misy fitomboka fa ilay ohatra ny autocollant iny fotsiny no misy MDG lool. Tsy haiko iny raha mora angalarina koa. (Ilay taloha izany, fa za mbola tsy nahavita ilay vaovao hi hi)

    Nampidirin'i pissoa — 01 Jio 2008, 14:44

  12. レーシック焼酎インプラントキャッシングレンタルサーバー美容整形不動産株式年金サプリメントビジネスマナー占い結婚FXアクセスカウンターアクセスカウンターアクセスカウンター

    Nampidirin'i レーシック — 04 Okt 2008, 06:46


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType