Maharesaka.VETO

14 Jio, 2008

Euro 2008: izany ny ekipa manana mpampidi-baolina...montsany aby ny matanjaka

Spaoro — Nampidirin'i jentilisa @ 14:56

Sarotra ny manatena fandresena ho an'ny ekipantsika fa ny zavamisy no manambara azy. Ao amin'ny filaharan'ny fifa aloha ny ekipa malagasy anisan'ny mitarika amin'ny fampidiram-baolina saingy ny Dakôma no tena nahazoana ny isam-baolina tafiditra tany amin'ny lalao savaranonando.

Fa rehefa anaty vondrona kosa dia jereo fa tsy mbola nahatafiditra baolina mihitsy isika hatramin'ny fifanintsanana tamin'ny 2006 aza... tena mbola tsy nitoko mihitsy anie e! fa jereo ny laoranjy omaly. Manana mpilalao mpampidi-baolina dia montsany aloha ny Italiana tompondaka erantany farany, omaly indray ny Frantsay izay nanatena fandresena omaly ihany koa no montsana tamin'ny elanelan'isa telo be izao. Ny antsika Malagasy tsy mahita mpampidi-baolina aho. Koa raha tsy ananana ny olona mpamidi-baolina azo antenaina ve ny handresy sa sendra ny ratsy vintana hatrany isika tamin'ny lalao teo aloha?

Samia mieritreritra! mahatsiaro an'i Abel lasa any Frantsa aho. Naninona angaha ilay zalahy iny no tsy nantsoina...sa efa tsy mpamidi-baolina intsony koa? NY laoranjy Holandey sy ny Paortigey izay manana mpanafika malaza aloha izao no hita misongadina amin'ny dingan'ny famaranana Euro 2008...


Hevitra

    news2dago
  1. Ny ahy koa dia io no mba tombatombako oe holandy sy portugal no mamarana ny euro2008. Asa anefa fa boribory ny baolina!

    i croatie kosa no mety soavaly be tongotra @ ity indray maka ity fa resy eo @ manasa dalana!

    i espana no manampy azy ao @ manasa dalana ao!

    ny hafa kosa dia mipĂ´ka nangy daholo.

    Nampidirin'i news2dago — 14 Jio 2008, 15:14


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType