Fanovana Minisitra Androany Alatsinainy
Araka ny filankevitry ny minisitra notanterahina androany maraina dia lasa ny sekretera jeneralin'ny minisiteran'ny fahasalamana teo aloha ihany Atoa Paul Richard Ralainirina (araka ny fitadidiako fa tsy afaka ny hatoky tena aho) no notendrena ho minisitry ny fahasalamana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana vaovao. Ny minisitra teo aloha kosa dia notendrena ho minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny kolontsaina, Atoa Jean Louis Robinson izany. Lasa tanteraka izany Atoa Patrick Ramiaramanana.






Hevitra
[Valio]
ok ok VETO en direkta :)
misaotra eee
[Valio]
Veloma patrick a! mety ho lasa ambasadaoro any soisa hn izy e!
[Valio]
Tena tsy henoheno tokoa ny momba azy amin'izao an!
[Valio]
Tsy very mande ireny ry jentlisa a! i radavidson no mety ho tapa-tenda fa ry rafaly sy ry patrick nisolelaka h@ izay tsy bedin'i dada izany mihitsy!lol
[Valio]
ahoana tokoa ary ny mety mahatonga izany toe-javatra izany?
[Valio]
nahazo namana isika rajentilisa a! jereo ny blaogin'i Ravatorano!lol
[Valio]
aleo ho maro hahatsapan'ny any ivelany hoe marina aine izay lazaintsika e
[Valio]
Ohatry ny tsara am-boalohany io vaovao fanendrem-ministra io ... satria izy ilay "nandamin-draharaha" sy nandray an'i Rossy ny ampitson'ny fampisehoany miezinezina teny Antsonjombe. Anefa asa izay tena ho fahaleovantenany amin'ny asany andavan'andro ... sa ve ho mpanatanteraka baiko fotsiny ?