Momba ahy
jentilisa

Mihamanahirana ny fahafaham-potoana mamaham-bolongana. Noho izany dia tery aho hanokatra kaonty twitter ahafahanao manaraka vaovao tselatra avy eto Madagasikara.

Jereo etsy amin'ny rohy etsy ambany sokajy jereo koa ny hoe Araho amin'i twitter i Jentilisa.

search
calendar
« Jolay 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Sary 20 tamin'ny fetin'ny mozika teto Antananarivo

2008-06-24 @ 11:50 in Ankapobeny

Azo lazaina hoe tsara vintana ihany aho satria tamin'ny fotoana niseranako vetivety teny Analakely no nifanenako tamin'ny mpanao diabe avy nitety faritra maro teto Antananarivo. Nanaraka ny tena ny fakantsary ka dia zaraiko aminareo izay kely nopihina ho fanampin'izay efa hitanareo any ambadika any.

Ny Ben'ny tanàna izany manao malabary manga hitantsika izany.

Tahaka ny tsy mahazatra tokoa izany mahita soavaly milahatra eny Analakely izany.

Jejojejo ery Ikalakely mandihy! raha mba fantany manko fa mety ho hita manerantany ny sariny?

Tokony ho hitanareo fa sady mandeha aho no manapika sary noho ny asa aman-draharaha tsy maintsy vonjena. Ny sary hafa rehetra dia azonao jerena eto amin'ny fetymozika08. Dia mazotoa mijery ary isika rehetra e!

 

Hevitra

[Valio]

ary lasa manisika ankanjo doly ndray zao ny ol an :)

Nampidirin'i simp @ 15:08, 2008-06-24

[Valio]

Mankasitraka ka dia misaotra amin'ny sary fa tena mahaliana ra-Jentl ... maromaroa ny tahak'izany :D

Nampidirin'i tomavana @ 16:21, 2008-06-24

[Valio]

lah elah Rajoelina, lah elah !
Arahaba ririnina eeee

Nampidirin'i ikalamako @ 17:39, 2008-06-24

[Valio]

fa carnaval kely izany le izy raha ny fahazoako ireo sary ato ireo. Manja kosa e, zavatra tsa natao tamin'ny andronay (tamin'ny andron-dr'i Ndrema sy ny tariny, na t@ andron'ny i Razanamasinina administrativa aza = ilay anarana napetaka taminy tamin'ny tolona 91, tsaroanareo ve ? sendra nanao vakansy tany aho t@ ireny.)

Nampidirin'i ikalamako @ 17:45, 2008-06-24

misaotra [Valio]

misaotra betsaka, mahafinaritra zato izy

Nampidirin'i Mitia @ 19:31, 2008-06-25
Hampiditra hevitra









 authimage