Momba ahy
jentilisa

Mihamanahirana ny fahafaham-potoana mamaham-bolongana. Noho izany dia tery aho hanokatra kaonty twitter ahafahanao manaraka vaovao tselatra avy eto Madagasikara.

Jereo etsy amin'ny rohy etsy ambany sokajy jereo koa ny hoe Araho amin'i twitter i Jentilisa.

search
calendar
« Jolay 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Akon'ny sambo nandefa afomanga nirehitra tany Toamasina

2008-06-26 @ 13:58 in Ankapobeny

Tsy nisy tohiny tamin'ny fampahalalam-baovao ilay sambo nirehitra tany Toamasina. Tombana sy siosio sisa no tena miely ka tsy fantatra izay tena fahamarinany. Fakantahaka ny tany ivelany ve no anton'ny fahamaizana? raha mety ho vy ny "nave" na ny tokotanintsambo any ivelany ary manokana ny mpandefa ireny afomanga ireny mety tsy ho izany kosa ny taty Madagasikara.

Ny re dia miaramila roa no nalefa haingana tany amin'ny hopitaly sady tena ahiana ny ainy. Ra hono izany. Ny hany re dia averina anio alina iny afomanga tany Toamasina iny ary miarahaba antsika hafa rehetra tsy maty fo aman'aina. Hahatratra ny fety arivo mitsingeringerina indray

Hevitra

[Valio]

:)
fampisehoana ny hasin'ny fahavendranana malagasy ozy ra tsararamaso zay le :)

Nampidirin'i simp @ 19:46, 2008-06-26

[Valio]

Danza be tokoa aloha raha izany e.

Nitady an' io lahatsoratra io tamin' ny gazety Tribune sy Express sy Midi ihany aho fa tena tsy nahita mihitsy.

Nampidirin'i lehilahytsyresy @ 06:29, 2008-06-27

[Valio]

Maty hono ireo miaramila roa ireo e!
izay no vaovao henoko indray androany

Nampidirin'i news2dago @ 11:32, 2008-06-27

[Valio]

Mampalahelo letsy izany! izaho moa mbola tsy nandre ny vaovao fanampiny ankoatra izay voasoratra e! ao amin'ny taratra indray aloha no milaza azy sady lohateny lehibe mihitsy e!

Nampidirin'i jentilisa @ 14:43, 2008-06-27

[Valio]

izaho aloha efa nanatrika afomanga teo Anosy, taona vitsivitsy lasa izay. teo akaikin'ny anjely mainty ny mpitifitra ary izaho tsy lavitra, fa nisy afomanga niakatra tany an-danitra dia niverin-dàlana nitontona taty akakin'ny mpitifitra hoa.

asa na hasin'ny fahavendranana izany fa fusée mipoaka be io ve tsy loza mihantona ihany raha solifatra indray andro any ?

hihomehy ve ? aza mba tratrany sady voin-kava-inona moa ?

Nampidirin'i Rajiosy @ 23:52, 2008-06-27
Hampiditra hevitra









 authimage