Maharesaka.VETO

20 Jol, 2008

Vavaka manova zavatra (Misy hatsikana)

Finoana — Nampidirin'i jentilisa @ 15:06

Alahady indray ny andro. Androm-pivavahana ho an'ny kristiana mahatsiaro ny andro alahady nitsanganan'i Jesoa Kristy avy amin'ny fahafatesana. Nandreseny ny fasana araka ny fiteny kristiana. Mba hitantara zavatra mifandraika amin'ny fivavahana aho amin'ity andro ity.

Tapa-bolana katroka izay dia izaho irery no tao an-trano. Lasa any amin'ny farintany avokoa ny fianakaviana rehetra. Izaho sisa karazany niambin-trano noho ny asa - miasa na dia alahady aza - miandry ny tolakandro. Raikitra indray ny hira tsinjatsinjaky ny trano somary ampitanay izay. Izaho amin'io mba te-hihaino hiram-panahy sy hiram-bavaka. Mazava loatra fa sorena aho. Isan'andro izao ny azy tsy mitsahatra mihitsy. Tahaka ny hoe izy irery no manana maneno. Izao amin'izay, hoy aho ny fotoana fanararaotra hanaovana izay nokasaiko hatry ny ela. Nalaiko ny radiô. Nataoko teo an-tokontany dia nokarohiko amin'izay ny maridrefy mandefa hiram-pivavahana fotsiny. MRE (Les Messagers Radio Evangelique) no nisy nifampitohy sady tsy nisy resaka firy. Nalefako mafy amin'izay. Izany hoe samy mitatatata izany ny anay roa tonta. Efa ela no niandrasako fotoana tahaka izao ka faly aho nanatontosa azy.

Nahagaga tamin'io fotoana io fa tena araka ny karazany tokoa ny hiram-pivavahana nandeha ary izay hira nandeha tery ampita toa vasoka hatrany raha miohatra noho izay nalefako. Nivoaka ireo ankizy tery ampita dia toa nivezivezy teo anoloan'ny trano teo. Te-hihaino ny hira nalefako ve? Nandeha amin'izay ilay hiram-pifohazana avy any Manolotrony mitondra ny lohateny hoe "Vavaka manova zavatra" iny. Ny ngadon'ny hiram-pifohazana sy ny hira zafindraony moa somary be itovizana izay nefa nahafinaritra io karazan-kira io. Atsasak'adiny na adiny iray latsaka fahefany teo ho eo no nifaninana hira izahay fa nahenany tsimoramora ny feo. Araka ny nampihenany ny azy no nampihenako ny feon'ny radioko ihany koa. Farany, tonga eo amin'ny tsy manorisory intsony ilay feo avy any. Nampidiriko ny radioko dia nalefako araka ny tokony ho izy ihany koa. Nanomboka tamin'io fotoana io (tapabolana izay) dia tsy nitabataba loatra intsony ny radion'io trano fivarotana nampiaiky ny manodidina io ny tabataban-kirany efa telo taona teo ho eo izao.

Hafa indray, matetika moa no mifanenjika ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo sy ny mpivarotra amoron-dalana. Ny mahatsikaiky dia mandraoka tokoa ry zalahy rehefa mandraoka entana izay, any anaty fiarabe avy hatrany avokoa fa ny an'ny mpivarotra baiboly ihany no tsy misy mikitika mihitsy. Manaja fivavahana angaha ry zalahy ka tsy sahy mikitika ireny mpivarotra baiboly ireny.

Farany, malaza dia malaza moa ny hiran'i Tsiliva mitondra ny lohateny hoe "oui, oui" iny. Misy ilay Jesoa manao karate amin'ny devoly iny. Tao amin'ny sekolim-pinoana iray teto Antananarivo no nisy boaikely roalahy nanao sarin'ady ka nampitangorina ny ankizy sy nampitabataba azy. Taitra ny surveillant ka lasa nankeny amin'ny ankizy hanasaraka sy haka azy ireo ho any amin'ny birao. Vantany vao tonga teny amin'ny ankizy anefa izy dia niala haingana izy roalahy nanao sarin'ady teo dia nitangorona nanodidina ilay surveillant dia nihorakorahan'ny ankizy sy nitehafany hoe "Jesosy, Jesosy" toy ilay amin'ny lahatsarin'i Tsiliva iny indrindra. Be volombava manko ranamana ka ataon'ny ankizy fa Rajesosy. Nampanantsoin'ny surveillant daholo ny ray aman-drenin'ny mpianatra rehetra...


Hevitra

  1. Tena nahala voly amin'ny andro alahady ny namaky ny lahatsoratrao androany.

    Misaotra e!

    Nampidirin'i Su — 20 Jol 2008, 19:12

  2. ie

    misaotra ee

    Nampidirin'i simp — 20 Jol 2008, 21:35

  3. Mahafinaritra ny mamaky ny soratrareo

    Nampidirin'i jentilisa — 20 Jol 2008, 22:25

  4. Handramako ity vavaka manova zavatra ity ry Jentilisa dia holazaiko anao ny vokany fa izaho dia tena mi-souffre le martyr mihitsy isak'izay voatery hijanona ao an-trano asabotsy na alahady. Raha mahomby dia aza adinoina ny maka jinjany kely aty amiko rehefa mihaona isika. Tena fahoriana anie izany voatery handre mozika afrikanina isan'alahady sy asabotsy amin'ny feony mafy dia mafy izany e! Ny mety ho olana kely izao ny ahy tsy dia afaka maneno mafy toy ny an-dry zareo eo atsinanana ...

    Nampidirin'i DotMG — 21 Jol 2008, 08:10

  5. Marina letsy izany rajentilisa.
    Rehefa misy mpifanolobodirindrina mandefa radio mafy be manorisory ny manodidina ireny, dia alefa mafy be arak'izay koa ny an'ny tena.
    Tiako mihitsy ilay contre-attaque-nareo.

    Nampidirin'i lehilahytsyresy — 21 Jol 2008, 09:24

  6. kdaombaramita
  7. Mampiavanaka ny saiko ity hoe tsy raofin-dry zalahy ilay baiboly rehefa mandraoka entana ny mpiasanan'ny commune ! Mino aho fa izay voaraokany dia sakafon-dry zalahy, fa rehefa tsy sakafo dia avelany eny ihany ! Asa aloha.

    Fa angaha ianareo tsy mbola mahafantatra ihany hoe rehefa vavaka misy valiny ? (je fais référence au titre). Hoy ny teny anaty Baiboly hoe " Andramo ka zahao fa tsara Jehova" .

    Nampidirin'i kdaombaramita — 21 Jol 2008, 10:26

  8. kdaombaramita
  9. Mampivanaka ny saiko ity hoe tsy raofin-dry zalahy ilay Baiboly rehefa mandraoka entana ny mpiasan'ny commune ! Mino aho fa izay voaraokany dia sakafon-dry zalahy, fa rehefa tsy sakafo dia avelany eny ihany ! Asa aloha.

    Fa angaha ianareo tsy mbola mahafantatra ihany hoe rehefa vavaka misy valiny ? (je fais référence au titre). Hoy ny teny anaty Baiboly hoe " Andramo ka zahao fa tsara Jehova" .

    Nampidirin'i kdaombaramita — 21 Jol 2008, 10:28

  10. pissoa
  11. Hi hi hi - mampihomehy mihitsy ianareo mpitoraka blaogy ireto ka.

    Nampidirin'i pissoa — 21 Jol 2008, 23:18

  12. Misaotra e :).
    Ny ahy tsy le amin'ny maha-hira afrikana na tsia azy ireny no tsy itiavako azy, fa noho ilay izy "MAFY BEEEE".

    Amiko dia olona tsy manana "fahaiza-miaina" ireny mandefa mozika mitatatata ireny. Tereny fotsiny izao ny olona haheno an'ilay mozika, nefa misy tsy te hihaino.

    Rehefa mandeha "train banlieu" ao Paris zah matetika no sendra an'ireny tanora mampaneno radio tsy misy "ecouteur" ireny. krizz mits :). Ilay ban-kira amin'izay tena le faran'izay tsy tiako hihihi

    Nampidirin'i Tokinao — 22 Jol 2008, 13:24

  13. dotmg a! tokony ho efa nisy resaka fiangaviana aloha taloha! raha mpanofa trano dia ny tompontrano aloha no resahina!

    Nampidirin'i jentilisa — 22 Jol 2008, 14:40

  14. mampihomehy ahoana aloha ry Pissoa fa tsy azoko loatra a?

    Nampidirin'i jentilisa — 22 Jol 2008, 14:41


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType