sarintavako
Fa atao inona tokoa moa ilay sarintava raha tsy amoahana ny sarin'ny tava? Tsy mety mahazatra ny Malagasy loatra ny mampiseho ny sariny. Tia miafina ve sa fantatra ny tsininy sy ny lesoka aminy rehefa miseho endrika izy? Aleo rangahy avoakoako ny sarintavako a! Izay alehany alehany!
Naka sary aho dia natongilako ilay sary dia nalaiko sary indray ilay sary efa nalaina teo. Inona koa izao no dikan'izany? manala azy e! fa manala azy amim-pahamatorana. Nahoana moa no ry hery sy ry Tokinao ihany no hita endrika? aleo izahay mba hanaraka azy ireo e! mba misy zavatra tiana apetraka ihany koa. Tsy hiteniteny foana rehefa manoratra fa mandray andraikitra amin'izay soratana. Izay efa nahita ahy tamin'ny fiainana andavanandro dia hanaiky fa izaho tokoa io.Tsia! tsy izaho io fa ny sariko ihany. Heveriko fa mariky ny fahamatorana kokoa amin'izay soratana no antony namoahako ny sarintavako. Tsy hiteniteny foana rehefa mamoaka vaovao fa hamakafaka tsara.
Mety ho fiheverana manjaka amin'ny Malagasy ny mamoaka hevitra amin'itony serasera itony amim-piafenana, nefa rehefa tena zohin'ny mpitsikilo ny misy anao hitany foana. Koa raha ho fantatra ihany aleo fantatry ny rehetra toy izay fantatry ny vitsy mikaroka ny momba anao ka raha sanatria misy ny manjò anao tsy fantany akory hoe ianao anie ilay be tabataba any amin'ny serasera any. Fa izaho kosa aloha tsy mampirisika anao hamoaka ny sarintavanao e! safidinao ihany izany fa sao dia lazaina fa i jentilisa indray no nampijabaka, aza fady!

faly mahafantatra "an-tava" eeee !
Nampidirin'i ikalamako — 22 Jol 2008, 16:52
misaotra indrindra e!
Nampidirin'i jentilisa — 22 Jol 2008, 17:38
Raha raisina amin'ny maha-avatar azy dia tsy ny gasy ihany no mifidy hoe tsy ny sariny no atao avatar ka. Betsaka be mihitsy rehefa mandeha amin'ireny forum isan-karazany ireny dia ny zavatra tiany no ataony avatar ... actors, mpihira, personnage amin'ny cartoons na comics sns.
:))
Nampidirin'i pissoa — 22 Jol 2008, 18:17
Ekeko tsara fa ilay tena sarin'ny tava no tena vitsy mpanao.
Nampidirin'i jentilisa — 22 Jol 2008, 18:38
hita @ izao fa tena bandy sérieux e
Nampidirin'i Rajiosy — 22 Jol 2008, 19:31
Tsy namako intsony fa mamely akaiky. :'(
Nampidirin'i DotMG — 22 Jol 2008, 19:40
Dia rehefa mijery ny sarintavan'i Jentilisa dia miara-mitongilana kely miankavanana ny loha. hihi.
Nampidirin'i DotMG — 22 Jol 2008, 19:41
Faly mahita an'io sary io jentilisa a! Mba mahatsikaiky tokoa aloha e :
Tamin'izaho vao niditra mpikambana tao @ sera2 dia hoy aho tany an-tsaiko hoe : "mba sahy koa ireo mpametraka sary ireo a! ... izaho tsy mba hametraka ny sariko ao izany mihitsy :-)". Soa aloha fa tany an-tsaiko ihany fa tsy mbola naloaky ny vavako e.
Taty aoriana anefa dia tafajabaka ihany e. hihihi
Nampidirin'i Tokinao — 22 Jol 2008, 20:15
Jentilisa> F'hita wah.
Pissoa> http://en.gravatar.com/
Toa ny sarin'ny olona no be % ao fa tsy sarinjavatra tiany.
Nampidirin'i Hery — 22 Jol 2008, 20:48
I Hery koa tsy namako tsony fa mamely akaiky ! :-P
Nampidirin'i pissoa — 22 Jol 2008, 21:13
pissoa : soloy amin'izay kopokopokur, sa iza re moa ny anaran'io sipa vinany kely io, mba ampianaro indray aloha fa sarotra be mitadidy azy e !
tokinao : efa vita vao naloaka ny vava an, tsss !Zah moa sefo tsy mba niteny izany hoe tsy hametraka sary izany mihitsy o ? mdr. Anaty fononteny : fa tsy mba misy sarin'i pissoa tokoa ao @ serasera r'ireto e ? :-P
hery : ny ahy moa soa ihany fa sady sariko no sarin-javatra hihihi (tsisy ankamely akaiky amin'izay)
Nampidirin'i ikalamako — 22 Jol 2008, 21:31
ary milay kosa ireto vohitra rajentl an. E.D. Andriamalala fahateo ;-)
Nampidirin'i ikalamako — 22 Jol 2008, 21:33
rehefa ampijaliana ny tenintsika dia lasa hoe sarontava ilay izy...
mety hoe izay fotsiny no handraisan'ny olon-kafa azy :)
;-)
Nampidirin'i simp — 23 Jol 2008, 00:15
sarontava hono ho an'izay mampiasa xxx koh.
Nampidirin'i ikalamako — 23 Jol 2008, 01:29
Ny an'i simp aza toa sarintanana no hitako fa tsy sarintava tssss :-P
Ikalamako : efa hoe tsy ovaiko zany hoe io "Koropokkuru" io hi hi hi
Nampidirin'i pissoa — 23 Jol 2008, 01:57
Iza no nanery an'i jentlisa hanao ity ampamoaka ity e!
zao zao tsy miafina intsony fa fantam-bahoaka tsara kano!
saritapaka sa sarintava no tena marina e? samy sary daholo ireo e.
Nampidirin'i news2dago — 23 Jol 2008, 09:42
Nivoana ve izany resaka ato izany fa toa rehefa atsipalotro amin'ilay comments ny masoko dia mahita hoe xxx sy hoe sarinjavatra? Hmmmm.
Nampidirin'i DontoMG — 23 Jol 2008, 10:04
DotMG> na izany aza aloha tsy mety amiko raha atao sarina saka ny sariko e!
New2dago> efa safidy io rangahy a! na saritapaka na sarintava moa inona no olana fa sary tapaka mitongilana araka ny filazan'i DotMG ihany ilay izy e! Saritapaka telo koa anie io e! Io izany no sary telo izay iray ahy e!
Nampidirin'i jentilisa — 23 Jol 2008, 10:34
rehetra> aleo kosa sarintava toy izay arintava eee
Nampidirin'i jentilisa — 23 Jol 2008, 10:37
Do(n)toMg> ttt
Jentilisa> efa nandefa sary ihany fa tsy asiana légende laotra hoe iza no iza ;)
Nampidirin'i Tattum — 23 Jol 2008, 11:58
Hi hi vao nahita ilay sary aho dia hoy aho hoe: Io eo jentilisa! :-)
Nampidirin'i Lalasoa — 23 Jol 2008, 16:11
manin tsara le sarinjavatra a? :)
Nampidirin'i simp — 23 Jol 2008, 19:04
simp : anonatanio an'i Donto fa izy ihany no mahita zavatra xxx amin'le sary eo !
Nampidirin'i ikalamako — 23 Jol 2008, 19:50
sarinjavatr'i donto ve zany le izy?
Nampidirin'i simp — 23 Jol 2008, 20:12
efa mivadika mihitsyizany resaka izany
fa resaka vatolahy eo amin'ny vavahadin'ny rovan'ny manjakamiadana ve no resahinareo e?
Nampidirin'i jentilisa — 23 Jol 2008, 21:58
hay tena eo ambavahadin'i Manjakamiadana mihitsy ila vatolahy ! :-P.
Ny anahy ny hira hainay le hoe "vatolahy mamany no atao paompy..."
Nareo r'ireto tsy atsy @ simp tsy eto @ jentl, tsss. Hisy zaout eto atsy ho atsy fa aleo hanao !
Nampidirin'i ikalamako — 23 Jol 2008, 22:47
ary bogosy be kay fa tsy vitan'ny hendry fotsiny lol !
Raha tany an-kafa dia mety neverina ho ilay mpanao 400m Diagana iry !!!
Nampidirin'i Ms — 24 Jol 2008, 21:06