Maharesaka.VETO

06 Aog, 2008

Mandihiza rahitsikitsika ary tsy hain'ny zanakao?

Kolontsaina — Nampidirin'i jentilisa @ 22:32

Ao anatin'ny fotoam-pialantsasatra isika amin'izao fotoana izao ka misy ihany ny fifamezivezena kely. Manao vakansy mahasara-dray aman-dreny ato an-trano ny zana-drahalahiko mirahalahy 4 sy 7 taona. Variana amin-javatra misy ato an-trano koa angaha ry zalahy ka tsy malahelo loatra ny ray aman-dreniny. Kilalao, zavamameno, fahitalavitra ary ny solosaina no mahavariana an-dry zalahy ankoatra ny sakafo mazava loatra.

Ny tena miasa ka nandrasana fatratra isaky ny mirava andefasana ny solosaina hihainoana sy hijerena sarimiaina arahin-kira Firantsay ho an'ankizy (ary dia tsy afaka manao zavatra hafa na inona na inona intsony amin'ny solosaina aho). Ny hira nianarana fony tany an-tsekoly no tena tiana averimberina satria iny manko no efa re rahateo sady anabeazana azy ho ankafiziny rahateo, porofo fa nianatra rehefa nampianarina hira Firantsay. Teo aho no lasa saina, tsy misy fampitiavana ny teny mahery vaika mihoatra noho ny fanaovana azy an-kira, milentika tsara iny ka na efa lehibe aza dia tsy hiala amin'iny izy, ary ny baiboly koa milaza rahateo hoe zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza fa na efa antitra aza izy tsy hiala amin'iny. Hany ka tsy atao mahagaga raha hafahafa amin'ny sasany ny mandre teny malagasy hoe telozoro, varingarina, gaoba, takamoa sy ny zavatra hafa.

Mailaka dia mailaka tokoa ny zaza amin'ny hira ary sondriana hatrany indrindra moa fa miaraka amin'ny sarimiaina ilay izy (maso sy vava no miasa...firy isan-jaton'ny hafatra moa no very hoy ny saikolojia izay?). Tena resy tanteraka ny teny malagasy eto... tsy manana hira fampitiavana ny teny malagasy ho an'ny ankizy. Efa nanoratra izay ihany aho taloha ary hitako fa miezaka manokana hira ho an'ankizy i Momota (Gothlieb) nefa toy ny rano indray mitete miohatra amin'ny ranomasimben'ny Firakofonia (Firakotra-Kofona-anie e) aloha ny ezaka ataony. Rehefa tonga eo amin'ny Savez-vous planter les choux moa ny hira dia tohizako hatrany amin'ilay sangisangy zary tenany (efa nosoratako taloha koa) hoe {Nous ne savons que le français, à la mode(2)}(2) est le français, fa bedy hatrany izaho efa olon-dehibe ity.{hihi! mbô zaza saina!}

Androany ary aho nanontany azy mirahalahy: "Hainareo ve ny mandihiza rahitsikitsika?". Valiny: "Inona koa izany? Izany ary tsy hainay hoe hira sa tsianjery". Izay ary ilay efa nampoiziko, hoy aho tany anatiko tany. Ohatra mody noraisiko fotsiny io fa hira teny malagasy ho an'ankizy firy moa no mba haintsika mpanoratra sy mpamaky amin'izao fotoana izao? Mba hainy ve ny nankaiza ny tanteliko teto ohatra sa izao vao tsaroana hoe hay moa misy izany hira kilalao izany koa? Fitiavana ny hahatafita zanaka no nahatonga ny fanadinoana ny sekolin'ny Ntaolo?

Eto aho no hamaly ny hevitra hoe enimpolo taona ary isika zanatany tsy nahafoana ny teny malagasy izany. Adihevitra ifanaovana manko izy ity. Fony zanatany isika, mbola nahatahiry ny zavatra rehetra talohan'ny fanjanahatany ny ray aman-dreny ka nampita izany tamin'ny taranany. Rehefa nierina indray ny fahaleovantena, tsy nivantana intsony ilay fanjanahatany, samy nihevitra ny ray aman-dreny tamin'izany fotoana izany fa ny hahatafita ny zazany hianatra any andafy no mahamaika... nohadinoina tsikelikely ny kolontsaina nifampitana tany an-trano, ny zavatra tany ampianarana ihany no notohizana tao an-trano. Ilay tany ampianarana efa nolazaiko fa tsy mifanaraka loatra amin'ny zavamisy manodidina ny mpianatra fa fiandrandrana ny hitady asa any amin'ny vazaha na any amin'ny fanjakana. Noho izany tsy hitovy velively ny 70 taona nahazanatany antsika nefa nanaovana sekoly mirazotra (io indray ilay teny hafahafahan'ny fanagasiana tsssss...hihi) tany an-trano sy ny 50 taona sekoly nandeha irery tamin'ny fampianarana fa tsy nisy nifaninana taminy... Fanampian-tosika  aza no natao indrindra rehefa hanala fanadinam-panjakana.

Fehiny: mbola fahabangana lehibe hampitiavana ny teny malagasy ny fototra any amin'ny ankizy atao amin'ny alalan'ny hira na tsianjery zary kilalao. Noho izany, asa lehibe miandry ny rehetra tia ny teny Malagasy io. Ny fanolokoloana azyihany no mamelona azy fa raah heverina ho kibo saoky ny nahiny io dia tanteraka tokoa ny filazna hoe afaka 50 taona dia hanjavona ny teny malagasy (indrindra amin'ireolazaina fa nandia fianarana).

Aleo angaha averiko eto indray ilay "Savez-vous planter les choux" araka ny fahaizako azy:

Nous ne savons que le français
A la mode, à la mode
Nous ne savons que le français
A la mode est le français

Le Malagasy est meprisé
A la porte, à la porte
Le Malagasy est meprisé
A la porte et du balai

Ny any aoriana hana'hoana ange
Hana'hoana,(hanao ahoana)
Ny any aoriana hana'hoana ange
ny teny malagasy dia tsy hain'ise

 


Hevitra

  1. Inona tokoa moa no dikan'io expression hoe: "kibo saoky ny nahiny" io ?

    Nampidirin'i Rashid — 07 Aog 2008, 05:43

  2. Efa hatramin'ny nampiainako an'i Smiley an'ireny hira Savez-vous planter les choux ireny no efa nananako faniriana hamokatra VCD maimaimpoana ho an'ny ankizy (License Creative Commons), ahitana sarimiaina arahin-kira, dia ireo hira sy tsianjery amin'ny fiteny malagasy.

    Ny momba ny fiteny malagasy dia inoako fa tsapanao tsara ny fankafizan'ny zaza sy tanora ankehitriny ny kabary, ary tena hita fa eo ihany ilay hoe lamaody indray izy io izao, fa ny fitiavana azy mihitsy no tena miredareda ao am-pon'ny ankizy ankehitrio, ary tsy anavahana faritra fa saika manerana ny elakela-trano rehetra. Tena inoako marimarina fa io kabary io no fanoitra lehibe hampiverina haingana ny fitiavan'ny tanora Malagasy ny fiteny malagasy, sy hahafehezany azy haingana. Raha voangaly tsara ny fomba fanononana, ary voafehy kokoa ny fampiainana azy, na hamidy eny aza hoe VCD kabary, inoako fa ho betsaka mpividy.

    Nampidirin'i DotMG — 07 Aog 2008, 07:57

  3. Anisan'ny zavatra mety ho azo atao ny malgachisation an'ireny zavatra mahaliana ny ankizy ireny.
    Tsy hoe hadika teny gasy akory ilay sarimiaina fa jerena izay mahaliana azy (ilay feonkira ve, ilay sary ve) dia afototra amin'ny teny gasy.

    Dia ao anatin'izay no hampidirana ny kolontsaina mampiavaka ny malagasy.

    Amin'izao mantsy dia toa mbola mivadika ny rasa.

    Andramo anontaniana ange izy fa hainy ilay hira hoe "Danse danse l'hirondelle" e?

    Rehefa maheno an'io hirain'ny ankizy aho tena lagy mihitsy...

    Nampidirin'i Hery — 07 Aog 2008, 11:45

  4. Eo indrindra isika. tsara anie ny mamokatra izay mifanentana amin'ny ankizy malagasy. Io kabary io aloha dia tsirim-panantenana tokoa amin'ny fitiavan'ny ankizy ny teny Malagasy.

    Nampidirin'i jentilisa — 07 Aog 2008, 11:52

  5. Ity koa misy hira tian'ny ankizy raha misy mahalala: Faly aho mahita an 'lahy sy ny zokin 'lahy sy ny zandrin 'lahy!... Arendrina taratasy ô ...

    Nampidirin'i Lalasoa — 07 Aog 2008, 16:04

  6. Danse danse l'hirondelle. Mandihiza rahitsikitsika amin'ny teny firantsay izan an

    Nampidirin'i jentilisa — 07 Aog 2008, 17:00

  7. sao dia mba tokony hatao projet any @ ifg mintsy lesy ity resaka sarimihetsika misy hiran'ankizy @ teny malagasy ity le?

    sady i ra-sitl otran'ny branchE @ an'reny programmation ana-cartooon ireny :)

    Nampidirin'i simp — 07 Aog 2008, 17:37

  8. jentilisa> ka tena mandihiza rahitsikitsika mihitsy ny feon'io fa amin'ny teny frantsay. Dia ny mandihiza rahitsikitsika tsy hainy intsony.

    simp> mety hilay tokoa fa hetsiketseho e.

    Nampidirin'i Hery — 07 Aog 2008, 18:41

  9. Rashid> ilay kibo saoky ny nahiny r'ise dia hoe zavatra toy ny mandeha ho azy tsy mila voizina... na mitombo ho azy...

    Nampidirin'i jentilisa — 07 Aog 2008, 22:32

  10. tehatehaka :). tehatehaka :).

    Mahay mamoron-kira Ramose fa misaotra e!

    Momba ilay "Firakofonia" ... tsy mety ngah raha atao hoe "firo ho kofona e :)"

    Nampidirin'i Tokinao — 08 Aog 2008, 09:57

  11. :-)...
    "dôdô zàzà ô dôdô zàzà ô, zaza masison'i Dada ô dôdô zàzà" ary ny
    "iny hono izy ravoromailala,ento misidina ambony,rehefa mangina averen ô, ô ô ô"...
    no hira hirairaiko amin-dry zalahy zanako kely alohan'ny hatory...atsofoko tsimoramora @ izay ry "raha misy manomé" rehefa miaraka izahay,dia ry zareo no manohy azy...
    dia asiana hanihany "isa roa telo rainizana-..." dia ry zareo no manohy azy
    rehefa avy ny orana "avy vy raha oran'o..." dia ry zareo no manohy azy
    ankaotran'izay dia hainy tanteraka ireo hira vazaha amin'ny CD misy sary, sady ianarany any am-pianarana koa moa...ny "desins animés" moa efa averiny ireo resaka vazaha ao...i Momota 2 volana dia simba ilay cd, alefa foana tsinona...dia nitady vaovao indray...
    adinoko mihitsy ny nampianatra azy ireo mandihiza rahitsikitsika, ho ampianariko mihitsy ato ho ato
    Misaotra Ra Jentilisa nampatsiahy

    Nampidirin'i finoanaranoray — 08 Aog 2008, 12:15

  12. hery,

    kalou anotaniana ra-sitl ee :)

    Nampidirin'i simp — 08 Aog 2008, 14:57

  13. Ie, marina ny hevitrao. Fa misy teny tsy mety haiko ny dikan'ireto nosoratanao ireto raha mba azonao azavaina amiko ny dikany sy ny firafitr'ilay teny : - fampitiavana - Firakofonia - kibo saoky ny nahiny

    Nampidirin'i Kdaombaramita — 08 Aog 2008, 21:45

  14. Kdaombaramita> Fampitiavana tahaka nyhoe mampanao izay tia. Firakofonia avy amin'ny teny hoe Francophonie aryny kibo saoky ny nahiny efanosoratako teo aloha ihany ka.

    Nampidirin'i jentilisa — 08 Aog 2008, 22:45


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType