Ravalomanana: Aleoko miala tsy ho filohampirenena...
Nihazakazaka mihitsy aho hanoratra ity na dia hiserana ihany aza. Ataoko fa karazany tsy nampoizin'ny maro ihany ny nahalany ny filoham-pirenena Ravalomanana ho filoha lefitry ny FJKM indray. Izaho kosa efa tsy gaga intsony fa efa nilazana tsinona ka niandry ny fidonany fotsiny. Tsy nosoratako mialoha anefa izy ity fa nisy namana vitsivitsy nilazako azy ambava ihany.
Fotoana vitsivitsy lasa izay, tsy hiteny aho hoe andro vitsivitsy, na herinandro vitsivitsy, na volana vitsivitsy na taona vitsivitsy fa izay fotoana vitsivitsy tsy voafaritra mazava izay no ambarako. Nisy olona vitsivitsy ao anaty ny rafitry ny FJKM niangavy ny filoham-pirenena ankehitriny tsy hirotsaka hofidiana ho filoha lefitry ny FJKM intsony fa manjary manaratsy toerana ny FJKM ho mifamatotra loatra amin'ny fitondrana, ary manimba ny fitoriana ny Filazantsara, ny mbola fitoerany eo ihany. Tsotra ny navalin'ny filoha: Aleoko miala tsy ho filohampirenena toy izay tsy hirotsaka ho filoha lefitry ny FJKM. Tsy nahateny intsony ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin'ny rafi-piangonana FJKM ireo.
Koa nahoana ary no fifaninanana Minisitra taloha sy amperinassa no heno omaly? Tsotra ny antony: Tarafin'ny filoham-pirenena mialoha ny safidin'ny mpizaika mahazo mifidy tamin'ny nametrahany ireo minisitra mirahalahy hifaninana amin'ilay minisitra noesorin-dRavalomanana. Manana mpanara-maso azy manokana mampita vaovao izy ka rehefa tsinjony fa mbola malalaka ny lalana dia asainy miala tsy hifaninana ny Minisitra Hajanirina Razafinjatovo sy ny Minisitra Ivohasina Razafimahefa ka izy indray no mirotsaka.Hain'ny filohampirenena tsara ny fomba fifidianana ka nampiasainy tokoa.
Toerana mbola heveriny ho andry iray lehibe hahalany azy ho filoham-pirenena amin'ny fifidianana manaraka io toerana io ka tsy hamelany mihitsy.

Dia ahn no tokony atao izany ry jentlisa! hila tsy ho FJKTIM ve izany sa ahn? lol
Nampidirin'i news2dago — 21 Aog 2008, 12:15
Tsy amelany io ry jentilisa a na efa nilaza aza izy fa tsy hirotsaka intsony koa. Na tokony ho Minisitra aza no hisolo azy eo amin'ny toeran'ny Filoha Mpanampy, araka ny voasoratro raha namaky ialahy, dia nivadika izy ka nirotsaka na "nangatahana" hilatsaka indray. Lafy tsarany ho anay FJKM ve izany ??
Nampidirin'i tebokaefatra — 21 Aog 2008, 14:22
tafiditra anatin'ny stratejia tsy hamelana azy hitondra ny tany sy ny fanjakana intsony ny fampidirana fifaninana aminy ao amin'ny fjkm.
Aleo hatanjaka ny fjkm mba hijoro i M/scar fa tsy mandady ohatra ireto sasany nozarina mandoalika ireto ka ny aim-pirenena avy no tadiavina hanaraka izany fomba izany.
Tafiditra tsara anatin'ny fanorenana M/scar vaovao izany.
Nampidirin'i Sissie — 21 Aog 2008, 20:59
Sissie : tsy ny olona nandohalika loatra angamba no tsy nampitsangana an'i Madagasikara. Raha ny zava-misy no jerena dia betsaka kokoa ny vokatra entin'ireo mpandohalika ireo eo amin'ny fianan'ny Malagasy noho ny enti-nareo tsy mandohalika. Hita izany na amin'ny lafiny fampianarana, na fahasalamana, na fanampiana ny mahantra tsotra izao.
Ny olona nampidina an'i Madagasikara dia fanta-poko fanta-pirenena fa tsy mandohalika :)) Pas tres catho hoy ny fitenenena :-P Maso be tsy mahita matoa tsy mahafantatra izany.
Nampidirin'i pissoa — 21 Aog 2008, 22:50
Sissie aa Rehafa tsy nahomby tokoa ny "mandohalika" (vavaka) dia "matory" (mino) indray eee. Vazivazy zany eee. Samy miandrandra ny Firenena handroso isika eee
Nampidirin'i tebokaefatra — 22 Aog 2008, 14:36
Sissie aa Rehafa tsy nahomby tokoa ny "mandohalika" (vavaka) dia "matory" (mino) indray eee. Vazivazy zany eee. Samy miandrandra ny Firenena handroso isika eee
Nampidirin'i tebokaefatra — 22 Aog 2008, 14:36
Io na mandohalika na tsia rehefa tsy vonona ny hitraka de eo ihany mitanondridava eo
Nampidirin'i nofynofy — 22 Aog 2008, 15:06
zah re tsy haiko na nandohalika na tsia...(misafosafo loha fa tsy misy smiley manao izany dia voatery soratana :-P)
Nampidirin'i ikalamako — 23 Aog 2008, 03:22
f'angaha tsy hitanareo t@ gazety fa nanao palitao fotsy raprezy tany @ synodan'i Mahajanga. efa filazana ankolaka @ fitafiana izany fa mbola hilatsaka VP izy :-)
Nampidirin'i Rajiosy — 23 Aog 2008, 10:10
Raha ny hevitro aloha 'zareo dia tsy misy ifandraisan'ny antokom-pinoana ny mampitraka na mampandoalika antsika a!
Olona tia tanindrazana, manana paikady, fahaiza-manao, manana ekipa mafonja sy azo itokisana no ilaina. Izay dia ampy.
Ny ahiako mety hampandoalika antsika dia ny fifandrafiana ara-pinoana, ara-pirazanana sy ara-poko, ny kolikoly, ny hakamoana, sns.
Jereo fa :
- protestant-jean baptiste i Bush nefa nahavita nitondra an'i Amerika.
- Katôlika ny presidà frantsay nefa azao lazaina ho matanjaka zareo.
- silamo i kadafi, nefa tsy misy matanjaka noho izy raha firenena afrikana.
- mpanompo sampy Andrianampoinimerina nefa tian'ny mponina nentiny izy (hono) tamin'izany fotoana izany.
Nampidirin'i Tokinao — 24 Aog 2008, 00:04
Pissoa->Maso be tsy mahita lol. Sarin-teny 'zany ka sarin-teny hihihi Hoy ilay raikalahy izay hoe : ho ela velona anie Madagasikara tsy mandohalika :). Dia hoy 'zahay hoe : tsy mandoalika fa mitrotrongy amin'ny fotaka fotsiny :).
Nampidirin'i Tokinao — 24 Aog 2008, 11:21
hoy pissoa : Maso be tsy mahita matoa tsy mahafantatra izany.
>>>sarin-teny koa zany ka sarin-teny a ;-).
Hoy ilay iraikalahy zay hoe : ho ela velona anie Mkara tsy mandohalika .Dia ampianay hoe : fa milomano anaty fotaka fotsiny hihihi.
Nampidirin'i Tokinao — 24 Aog 2008, 22:23
Tsy misy afaka manompo tompo roa...
Nampidirin'i manaramaso — 25 Aog 2008, 13:01
Tsy misy afaka manompo tompo roa... fa manomboka amin'ny telo izany ?
Nampidirin'i Rajiosy — 25 Aog 2008, 22:57
Tokinao,
tena le prezida katastrofika doly nge zany raisin'i toi ohatra zany eee :)
za aloha dia miandry an'i Maihlol fatratra eee. Hanao minisitra mintsy ah ra lany lery io...
miraaaaaaaaacle mon ami :roll:
Nampidirin'i simp — 26 Aog 2008, 00:30
simp-> mety ho katastrofika ho an'ny firenen-kafa tokoa ... fa tian'ny vahoaka entiny anefa, sady miaro ny fiandrianam-pireneny.
Zah aloha mahita hoe tia Tanindrazana 'zareo ireo a :
- ra tia kely i Bush sy ny ekipany, mety ho nahenany ny teti-bola hanapotehana an'ireo vondron'olona mpanao terôrista (taliban, Tpklahy saddam, sns)
- Ra tsy tia Tanindrazana i Sarkozy tsy ho noforoniny ity resaka volavolan-dalàna momba ny mpifindra monina ity.
- Ra tsy tia Tanindrazana i Kadafi dia efa ela no nisolelaka t@ Frantsay (izay fihetsika tsy hisy mihitsy).
- Raha tsy tia Tanindrazana Andrianampoinimerina dia tsy ho nanana eritreritra ny hampiray an'i Madagasikara mihitsy (Ny ranomasina hoy izy no valam-parihiko). Mety naleony nasaina hiasa ho azy fotsiny ny vahokany fa tsy navelany hiparitaka.
eritreritra ka alefa e ...
Ny tiako tenenina dia ny hoe : aza tsaraina @ antokom-pinoany ny mpitondra, fa @ fahavononany hiasa, sy ny fahaizany "pôlitika" (raiso @'ilay heviny tsara : tetikady sy fahaizana mitondra tany sy vahoaka iray).
Nampidirin'i Tokinao — 26 Aog 2008, 22:25