Maharesaka.VETO

27 Aog, 2008

Sary 100n ireo tany Antsirabe

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 10:02

Eto Mahajanga miaraka amin ny namana serasera dago aho amin izao fotoana izao. Raha any an-tsena ny be sy ny maro izaho kosa nitsidika havana. Nahita solosaina finday qwerty aho eto ka mitsipona akotry tanteraka manoratra. Mbola mieritreritra ny hijanona manko aho fa tsy hody hiaraka amin ny be sy ny maro rahampitso.

Amin ny Sabotsy mihitsy aho vao mieritreritra ny hiakatra na dia miasa avy hatrany aza aho ny alahady. Izay no ela fa efa azonareo jerena ao amin ny tahirintsary any ambany indrindra any ny sary nalaiko tany Antsirabe ary noezahiko natao lehibe hahafapo anareo mihitsy ny sary afa-tsy ilay sary iray izay ihany. Bira 2008 no nataoko anarany ary misy karazany telo izy ao.

Saiky nanoratra ihany aho fony nandalo tao Antananarivo satria efa tamin izany fotoana izany no nampidiriko ireo sary ireo (nandaniana alina iray manontolo). Dia mazotoa mijery ary e.


Hevitra

  1. hay ve ianareo mbola any Mahajanga daholo e?!
    Mazoto ary e!

    Nampidirin'i Tattum — 27 Aog 2008, 10:49

  2. bonnes vacanses izany e ! hararaoty mihitsy.

    Nampidirin'i ikalamako — 27 Aog 2008, 13:50

  3. avy nankafy sary fa misaotra e !
    Mampalahelo ilay tsena, alain-drony fotsiny...

    Nampidirin'i ikalamako — 27 Aog 2008, 13:54

  4. Vao hijery sary 'zah io fa dia efa misaotra sahady e!

    Sambatra kosa nareo fa mandehandeha 'ka. Mazto e! dia aza adino foana ny maka sary e hihihi

    Nampidirin'i Tokinao — 28 Aog 2008, 00:47

  5. maniry be aho zany, sambatra nareo

    Nampidirin'i Mitia — 01 Sep 2008, 22:04


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType