Maharesaka.VETO

01 Sep, 2008

K.O. i jentilisa

Ankapobeny — Nampidirin'i jentilisa @ 22:08
Rehefa nitsangatsangana i jentilisa ka niditra niasa dia nanavy satria tsy nihinana fanafody noho ny moka ny noho ny fiovan'ny toetr'andro izay efa nilazana azy ihany. Tsy mahagaga izy raha tsy manoratra firy no sady tsy nijery mailaka mihitsy ihany koa. Mbola velona ihany anefa izy ka mahasoratra na dia fohy dia fohy aza. Ho avy ihany izy rehefa miverina tanteraka ny fahasalamany.


Hevitra

  1. ho afa-drotsy rainy a !

    Nampidirin'i ikalamako — 01 Sep 2008, 23:01

  2. hihihi - diso frapy : ho afa-drofy re e !

    Nampidirin'i ikalamako — 01 Sep 2008, 23:02

  3. kiiiiiiiiiii
    d hiala sasatra koa izany ny veto?
    mihena otran'ny fen'antitra mintsy izy zany :)

    lainga lainga kosa fa io resaka tazo io no tena tsy voako any Jangil sady izay tsy maintsy mitsindrona foana ve ranga tsssssssss
    mangatsiatsiahy eee

    Nampidirin'i simp — 01 Sep 2008, 23:55

  4. salamà jentilisa a!
    zah t@ lahady nahatsiaro anareo mihitsy hoe : any zay ra-jentilisa fa mi-voaiazy sy mamakivaky an'i Tampoketsa.

    Za tena mahazo tsirony mihitsy rehefa mandeha amin'iny làlana iny. sady manembonembona ery, indrindra moa fa ilay rehefa mody masoandro iny e :). Tsaroana daholo ny fahiny rehetra :).

    ...tena tiako iny làlana miankandefana re a! rômantika hoy ny vazah :).

    Fa dia misary fahasalamana jentilisa a! Mety ho vizaka naka sary ho anay koa angamba ianao fa tsy teneninao fotsiny :)

    Nampidirin'i Tokinao — 02 Sep 2008, 00:31

  5. Mangatsiatsiaha

    Nampidirin'i DotMG — 02 Sep 2008, 08:09

  6. Aza manambe e!

    Nampidirin'i news2dago — 02 Sep 2008, 09:24

  7. Misaotra anareo e! Eto Ampiasana moa dia mijery na dia tsy mbola tafaverina tsara aza!

    Nampidirin'i jentilisa — 02 Sep 2008, 14:30

  8. Mirary fahasalamana é!

    Nampidirin'i DadaRabe — 03 Sep 2008, 02:42

  9. azon'ilay rivotra avy any avaratra iny angaha ? salama baba

    Nampidirin'i Rajiosy — 03 Sep 2008, 19:14


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType