Maharesaka.VETO

03 Sep, 2008

Matanjaka kokoa ny Zain

Toekarena — Nampidirin'i jentilisa @ 14:38

Ekeko tokoa fa tsy dia tiako loatra ny loko sy ny mariky ny Zain fa raha ny tanjaka kosa dia tena manana izy araka ny fijeriko. Teny andalam-pivezivezena manko aho dia ninia nampitaha ny Zain sy ny Orange eo amin'ny fahazoana miserasera eny an-dalana eny. Efa reko ihany fa tsy misy fahatapahana mihitsy ny fahazoana miserasera Zain amin'ny lalam-pirenena faharoa. Dia nohamariniko kosa ny lalam-pirenena fahafito Antananarivo hatreo Antsirabe. Raha tsy tapaka mihitsy ny reseau ho an'ny Zain afa-tsy tamina faritra iray izay ihany dia zara raha manana ny reseau-ny kosa ny an'ny Orange.

Nojereko indray ny fifandraisana eo amin'ny roa tonta tamin'iny lalam-pirenena fahaefatra mampitohy an'i Mahajanga sy Antananarivo iny dia toraka izany hatrany. Vitsy loatra ny faritra ahafahana mifandray amin'ny alalan'ny orange nefa ny an'ny Zain dia betsaka tokoa no ahafahana mifandray aminy na dia misy toerana vitsy aza tsy ahazoana azy. Marihina fa tsy manana ny tambazotra telma aho ka tsy fantatro mihitsy ny azy. Raha amin'ny lalam-pirenena izany dia matanjaka kokoa ny Zain miohatra amin'i Orange. Fampitahana tsotra ny ahy fa tsy nisy nanakarama aho.


Hevitra

  1. marina aloha zany e! zain hatrany ambanivol'ny tamatave azony nefa tsy azon'orange akory, sady orange koa anie pub foana no betsaka hatràty andafy frantsa io.

    Nampidirin'i Mitia — 03 Sep 2008, 15:44

  2. Ie ny Telma indray ny tanan-dehibe ihany no tena mandeha

    Nampidirin'i news2dago — 03 Sep 2008, 16:23

  3. f'angaha kosa dia tsy maintsy haraikitra eo an-tsofina eo ny telefaonina na dia any ankodahoda aza ? fa ahoana kay ny nataonareo/ntsika fony mbola tsy nisy an'ilay finday. tsy dia iny dia lasa fotsiny ?? mandeha @ finoana ???

    Nampidirin'i Rajiosy — 03 Sep 2008, 19:16

  4. jentl,
    fa raha vao manana telefone anaki-2 ela dia tsy misy tombony firy ny hoe iza no matanjaka noho iza an :)
    Ny telma, tsy haiko, fa ny qualite an'ny son otran'ny ratsy feno bruit be... mety hoe ry zareo vao manomboka koa anga. Na koa hoe fitaovana efa brocantera no ampiasaindry lerony...

    rajiosy,
    zany anie wa eee
    sady tsy afaka manao otran'le @ film d'orera ireny le hoe tsisy connexion. Dia tsy handresy mintsy ny zombie ra vao tsy asiana partie kely mba ahafandry lerony manana avantage :)

    Nampidirin'i simp — 03 Sep 2008, 23:03

  5. tamintsika tsy nisy finday dia rehefa tratran'ny lozam-pifamoivoizana dia mety efa maty avy vao misy fiara mandalo indray, amizao raha manana finday dia mety mba ho avotra raha misy velona ka afaka miantso pompier...fôtana e!

    Nampidirin'i Ikalakely — 04 Sep 2008, 10:19

  6. @Ikalakely : ka rehefa maty angaha ianao mbola afaka hiantso ? sa resaka zombie tetsy @ ra-simp no niofo teto ambany ? tonga @ fitenenana hoe "tena zain be oaa !"

    vazivazy ihany an

    Nampidirin'i Rajiosy — 04 Sep 2008, 12:45

  7. Mijery ny isan'ny bara fotsiny dia efa hita hoe mahazo na tsia ka

    Nampidirin'i jentilisa — 04 Sep 2008, 14:06

  8. betsaka ve ny bara @ RN4 iny ? toa any atsimo any hono no tena betsaka !

    Nampidirin'i Rajiosy — 04 Sep 2008, 22:22

  9. Raha ny foko Bara tokoa dia mety ho any Atsimo no betsaka ary dia ekeko izay.

    Nampidirin'i jentilisa — 04 Sep 2008, 22:36

  10. ary ny ao @ hilton lesy mba manahoana... ampefiloha sy analakely iny otran'ny be bara ihany rehefa zoma ariva an :)

    centre ville ngamba no mahatonga an'zany 8)

    Nampidirin'i simp — 04 Sep 2008, 23:01

  11. 67ha no tena betsaka bara amin'izao fotoana izao k'ty!

    Nampidirin'i jentilisa — 05 Sep 2008, 08:04

  12. Ny epicerie aty amnay ko zareo mvarotra bara a. Ao ny barantsavony nosy, ao ny siba, sns

    Nampidirin'i Tokinao — 05 Sep 2008, 16:08

  13. Saika adino :) : Msaotra an'i jentilisa aloha fa dia zain zany ho tena hampiasaina rehefa any Madagasikara e!ok

    Nampidirin'i Tokinao — 05 Sep 2008, 21:34

  14. ampiako tosika: rehefa milaza hoe tsy milay ny Orange dia akamako fa io tena tsy natao ho an'ny afrikanina io. Aiza ve ka maneno in'efatra dia tsy maintsy messagerie foana. Raha vao finday tsy mandeha no antsoina dia messagerie foana. Tsy misy safidy mihitsy. Zain no mety amin'ny afrikanina e!

    Nampidirin'i DotMG — 08 Sep 2008, 11:19

  15. Sady afrikana arabo rahateo anie ny zain e!

    Nampidirin'i jentilisa — 08 Sep 2008, 11:44


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType