baolina fandaka: Misento indray ny Barea fa nandresy androany
Araka ny fantatry ny mpanaraka baolina fandaka dia androany alahady no nanaovana ny lalao miverina teo amin'ny Barea sy ny Zebra Botsoaney. Efa nanantena handresy mihitsy ny vahiny raha tamin'ny talata teo dia efa tonga haka ny hafanana gasy. Vao tamin'ny alarobia ihany koa no resin'ny Japan Actuel's roa noho ny aotra teo Mahamasina ihany ny Barea raha nanao fitsapana.
Efa nampanatena rahateo sady be fanantenana ireo ekipa ireo satria na dia resy aza amin'ny lalao fitsapana no mandresy izy amin'ny lalao tena izy. Tamin'ny fidirana voalohany no tafiditra ny baolina ka nandresen'ny Malagasy iray noho ny aotra... tsy niova intsony io isa io ka nampientanentana ny fanafihana nataon'ny vahiny sy ny vali-bontan'ny malagasy. Samy tokony ho nahatafiditra baolina rahateo na ny andaniny na ny ankilany.
Voalohany ao amin'ny sokajy misy antsika ka manana isa fito noho izany ny Ivoariana. Faharoa isika manana isa enina. Fahatelo manana isa dimy ny Botsoaney ary fahaefatra farany manana isa efatra kosa ny mozambikana.

mafinaritra kosa zany kou :)
dia in no tohiny, mandray anjara @ CAN @ zay ve tsika sa mondial moa izy io?
Nampidirin'i simp — 07 Sep 2008, 17:55
Fifaninanana hiditra amin'ny Can sy ny mondial io ka ny tanjona dia ny ho tafiditra ho faharoa manana isa be indrindra fahavalo farafaharatsiny mba ahafahana mifanitsana amin'ny Can aloha, dia ny dimy voalohany avy ao no raisina ho solontenan'i Afrika amin'ny mondial
Nampidirin'i jentilisa — 07 Sep 2008, 19:14
Ny hany probabilité hahatafakarana amin'ny dingana manaraka ho an'i Madagasikara dia ny mandresy an'i Côte d'Ivoire any amin'ny taniny. Ankoatr'izay, aza manonofy. Jereo ny fandinihana nataoko ao @ what-if.
http://dotmg.blaogy.org/2008/09/08/et-si-fin-de-parcours-pour-madagascar-et-botswana/
Nampidirin'i what if ... back for good — 08 Sep 2008, 09:34
izay indrindra anie no tsy iresahana mihitsy hoe ho tafakatra ny malagasy e! misento fotsiny fa mba nandresy, sambany taorian'ny fifanintsanana indroa miantoana tadidiko. Sambany anie isika tamin'ity tao anaty sokajy ity no mba nandresy e!
Nampidirin'i jentilisa — 08 Sep 2008, 11:48