Maharesaka.VETO

13 Sep, 2008

Andry Rajoelina: Invité de zoma endriny hafa

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 12:19
Ataoko fa nandrasan'ny maro ny resaka nifampitafan'i Onitiana Realy tamin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra Andry Rajoelina amin'ilay fandaharana fifanazavan-kevitra isaky ny zoma ao amin'ny Tvplus. Io fandaharana io dia manana ny toerana fanaovana azy ao amin'ny trano fiasan'ny tvplus ao Anosizato Atsinanana ao. Izaho izany raha manoratra eto dia manana fijery mpanohitra ny fitantanana an'Antananarivo, noho izany anjaranao ny mandanjalanja izay lazaiko.

Fanamarihana voalohany, fanindroany izao araka ny fitadidiako no vahin'ity fandaharana ity ranamana ity nefa dia samy tsy nisy tao amin'ny toerana (desk) fanatontosana ny fandaharana hatrany no nanaovana izany; ary araka ny fitadidiako hatramin'izay nisian'ny fandaharana dia i Andry Rajoelina irery ihany no nanaovana zavatra miavaka tahaka izao. Na Minisitra aza tsy nanaovana tahaka izany. Ny voalohany raha mbola kandidà ny tenany dia tany an-tokantranony no nanatontosana ny fandaharana. Nentina nanehoana ny hakanton'ny atitrano aloha iny e! Ny faharoa ity indray dia tsy fantatro loatra hoe taiza fa eo amin'ny pilipitran'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra aloha ny Ben'ny tanàna no mijoro na mipetraka... tsy fantatra loatra raha eo amin'ny sary. Mampanontany tena hoe mananjò hangataka toerana hanatontosana ny fandaharana tahaka izany ve izay asain'ny fandaharana invité de zoma rehetra sa fanajana manokana ilay nasaina izao natao izao. Tsy mazava amiko aloha eto ny fitsipiky ny lalao.

Faharoa manaraka izany, mety ho lafiny tsara raha mitohy fa mbola mampanontany tena ihany. Maro ny vahiny mipetraka ao amin'ny fandaharana... mipetraka manatrika eo ihany koa manko ny mpanao gazety avy amin'ny fampahalalam-baovao hafa vitsivitsy sy indrindra ireo mpiara-miasa akaiky amin'ny Ben'ny tanàna sy ny lohalisitry ny mpanolotsainan'ny TGV fony mbola kandidà (tsy adinoina ihany koa ny vadin'ny Ben'ny tanàna). Mila fanohanana maoraly avy amin'ny manodidina azy ve ny Ben'ny tanàna? izay angamba no maha-"fandaharana manokana" araka ny filazan'i Onitiana Realy azy.

Votoatin-dresaka amin'izay, nihaona tamin'ny filoham-pirenena tokoa ny tenany, resaka tekinika fa tsy politika. Amin'ny ankapobeny ny takian'ny TGV dia ny zony mba ho toy ny fahefana ananan'ny mpitondra nandritra ny valo taona teo aloha no ananan'ny TGV vao valo volana nitondrana. Nesorina tsikelikely tamin'ny Ben'ny tanàna manko ny fahefana rehetra teo ampelatanany. Voalohany indrindra tamin'izany ny fanendrena ny sefom-pokontany. Tsy mbola nisy fiovany amnko hatramin'izao ny sefom-pokontany.

Manaraka izany dia nosahiranina hatrany ny Mpitantana ny tanàna. Teo aloha ny filazana ny trosa tsy maintsy aloa, izay mahatratra 800 000 000Ar. NIteny hoy izy ny Banky Mondialy fa tokony ho foana manontolo tamin'ny famafana ny trosa tsy zakan'ny mpitrosa intsony iny trosa iny ka tsy tokony haverina intsony. Tsy maintsy voalaza koa manaraka izany ny resaka fako izay efa niteraka ny sahoan-dresaka tao ho ao. Voalaza ary, hoy izy, fa averina amin'ny CUA ny fisahanana ny fako, fa tsy ny SAMVA... izany hoe araka ny fahazoako azy dia notapahina ny fifanarahana tamin'ny SAMVA satria tsy nanatontosa ny asany ity farany araka ny fifanarahana - ny mety hampifangaro manko dia tsy ny SAMVA izany no averina amin'ny CUA.

Ho valin'ny filazana ary fa toa mimenomenona loatra ny Mpitantana an'Antananarivo (rehefa mandova fitondrana dia mandray ny actif sy ny passif rehetra) dia novaliany fa samihafa ny mimenomenona sy ny fitenenana ny zavamisy. Toa misy manko ny trosa "surprise". Momba ny gare routiere moa dia heveriny hatrany ho anatin'ny konokonon'ny hafa hatrany io. Nefa aleo hajaina, hoy izy, ny sata repobilikana, andraso ny fifidianana ho avy. Momba ny Lapan'ny tanàna kosa dia noho ny vesatry ny fanaovan-draharaha no mampitarazoka azy. Tsy maintsy natao, hoy izy ny "etude de sol" (torohevitra entina hamaliana ny tsikera io araka ny fijeriko satria tany efa nanorenana trano teo aloha ve no hadihadiana indray ny momba azy? nefa aleo ny manampahaizana ihany no hilaza ny zavamisy amin'ny fanaovana azy), fa ho fantatra amin'ny alatsinainy na talata ho avy izao ny hisahana ny fananganana ny trano.

Momba ny fanomezana alalana ny trano ivoriana moa dia nolazainy fa tsy afa-manakana ny fivoriana anaty trano ny tenany rehefa tsy misy mampiasa ny trano. Raha mangataka ny Zoma moa ny mpanohitra satria efa feno hatrany ny fandaharam-potoana ny sabotsy sy alahady maromaro. Izaho indray moa mieritreritra fa ny hivoahan'ny vaovao ho Asabotsy no tanjona ivoriana Zoma, eo manko no tena be mpividy ny gazety. Hatramin'izao ihany koa dia ny Kaominina irery ihany no manome alalana ny fanotorana tany, tsy misy afa-tsy iray ihany ny alalana nomena nandritra ny fotoana efa nandraisany ny fitantanana... malaza dia malaza manko ilay fanotorana tany eo amin'ny Digue amin'izao fotoana izao ka mahalasa saina izay rehetra efa nahita.

Momba ny lalana tsy voamboatra loatra sy feno lavadavaka indray dia nambarany fa tsy an'ny Kaominina irery ny fanaovana azy fa tokony hisy avy amin'ny FER (Fonds d'entretien Routier) ihany koa. Raha tany aloha nahazo vola 18 miliara Iraimbilanja ny Kaominina, ny anay kosa 3 miliara 500 hatramin'izao, tsy ahavitana afa-tsy lalana iray kilaometatra monja. Ny CUA anefa no mandoa vola betsaka indrindra ho an'ny FER. Aoka re tsy hatao zanak'Ikalahafa tahaka ny nanjò an'i Toamasina (sy Fianarantsoa) tsy nahazo na dia iraimbilanja tamin'ny FER ny CUA amin'izao fotoana izao.

Momba ny mpivarotra amorondalana izay miroborobo fatratra amin'izao fotoana izao dia noho ny fikatonan'ny Orinasa afak'haba vao nandroaka an-dalambe mpiasa mahatratra 6000 tamin'ity herinandro ity ary hiakatra ho 40 000 izany afaka roa volana no mahabetsaka ireny mpivarotra ireny. Ezahina noho izany ny hampidirana ireny mpivarotra rehetra ireny ho amin'ny sehatry ny ara-dalàna azy rehetra ary omena toerana malalaka dia malalaka avy eo ka tsy hisy fanampiny intsony avy eo. Eo amin'ity resaka ity aloha dia heveriko tsy hiditra amin'izany toerana izany mihitsy ny mpivarotra rehefa tsy amorondalana be olona izany. Any ihany manko izy araka ny fiheverany no mahazo vola ka mbola ho sahirana amin'izany ihany ny CUA araka ny fijeriko.

Izay raha atao ambangovangony ny resadresaka nifanaovan'ny Ben'ny tanàna tamin'ny mpanao gazety, satria nisy mpanao gazety hafa nanontany ihany koa. Misy ihany ny fanontaniana nanitikitika ahy tsy nolazaina tao. Ohatra: tsy efa niomananareo ve ny olana mitranga amin'izao fotoana izao sy ny olana hafa rehetra mbola ho avy? Aiza ho aiza ny vola azo tamin'ny FAR (Fitiavana an'Antananarivo Renivohitra) sa efa nitsaha-ketrika ny fitia tsy mba hetra nanohanan'ny be sy ny maro ara-bola ny TGV? Heveriko fa iray amin'ny vahaolana ara-bola mianjady amin'ny Kaominina izay voatery manao fitsitsiana manko ny mba mitatitra ny toy ireny. Ny tena fanohanana manko dia ny manampy izay atokisana fa hanatsara ny tanàna. Izaho manokana ohatra tsy manao izany satria tsy matoky ny itantanana ny vola aho, sady izaho koa anie tsy nifidy azy e!

Tokony ho anjara adidin'izay nifidy azy izany satria izaho ohatra efa nanambara fa tsy hanampy na hanome ny anjarany araka izay azo atao ny Kaominina tsy nifidy azy tahaka an'i Fianarantsoa sy Toamasina teo aloha mihitsy ny fitondrana foibe. Efa mahalala izany avokoa ny rehetra ka ny safidy natao mitondra adidy.

Farany, tsy te-hilaza mihitsy ilay Ray aman-dreny nanelanelana ny Ben'ny tanàna sy ny filoham-pirenena mihitsy ny Ben'ny tanàna satria ny filoha mpanorina ny avi teo aloha (Norbert Lala Ratsirahonana) izany araka ny gazety. Fantatra ihany anefa fa maro amin'ny mpiara-miasa akaiky amin'ny Ben'ny tanàna ankehitriny no fantatra tsara fa avi. Tsoriko fa mpanohana avi aho tany aloha fa tamin'ny fifidianana Ben'ny tanàna ihany no nandrotsaka AME ho amin'ny mpanolotsaina ary TIM (fanindroany) tamin'ny Ben'ny tanàna.


Hevitra

  1. Ny anao angamba resaka alahelo manonkana momba ny ben' ny tanana no hanoheranao azy,mety ho fialonana na zavatra hafa.

    Nampidirin'i Rakoto — 13 Sep 2008, 18:24

  2. Resaka poltika io ranamana a! samihafa hevitra ny olona dia aborako ny ahy na dia mifanohitra amin'ny an'ny besinimaro aza. Alahelo manokana tsy misy fa ny fahalotoan'Antananarivo no tena mampalahelo ahy.

    Nampidirin'i jentilisa — 13 Sep 2008, 19:47

  3. toa nanao ihany Nedala...? -EPP 92 nasiana fanafody alohany hidiran'ny mpianatra -mpianatra 7 nahazo bourses master avy amin'ny kaomina -mpianatra anjatony nahazo fampianarana fanampiny (cours) maimaimpoana talohan'ny fanadinana -fefy mampisaraka ny mpandeha tongotra sy ny fiara -fanatsarana ny kianja ben'i Mahamasina -ny kapila ao anaty tonelina - ny paompy ndrano vaovao amin'ny firaisana enina -ny soratra be hoe Antananarivo - ary ny FANADIOVANA iarivo-town.mg/progconc03.php jereo www iarivo-town mg

    Nampidirin'i ndrema — 13 Sep 2008, 20:19

  4. TENA NANORATRA AHO FA TSY HITAKO HOE AIZA?

    MBA MARINA VE NY VOASORATA FA ASA VITA AO AMIN4ITY SITE IRAY ITY IARIVO-TOWN . MG

    Nampidirin'i ndrema — 13 Sep 2008, 20:22

  5. Marina tena marina ireo. Raha mijery ny lalankelyaho ohatra dia vitsy dia vitsy sisa ny lalankely amin'iny fiakarana rehetra iny no tsy vitan'ny TIM tamin'ny androny ka tsara raha mba ataony ihany koa ireny kely sisa tsy vitany ireny e! efa nalaiko sary avokoa manko ny zavabita isaky ny androny rehetra.

    Ny hoe fanatsarana an'i Mahamasina dia nolokoina ny lokon'ny viva tokoa ilay izy ary momba ilay fefy. Ataoko fa raha mpamaky ahy ianao dia efa nanoratra ireny mihitsy aho. hamarino anie e!

    Nampidirin'i jentilisa — 13 Sep 2008, 21:09

  6. Kamo be aho hamaky fa lavabe ilay izy :) Azafady e !

    Nampidirin'i Rasoa — 13 Sep 2008, 21:22

  7. Misaotra anao nanoro iny topy iny. Misy ny resaka nifanaovan'ny Ben'ny tanàna tamin'i Onitiana Realy rahateo ao. Afaka mampitaha tsara ny sehatra roa tonta noho izany ny rehetra tsy naharaka ny resadresaka saingy ny ahy moa efa nisy ny hevitra naborako ihany koa. Namaky aho dia nahatadidy tokoa ilay hoe omeo 500 miliara izahay fa hataonay mamirapiratra mihitsy ity tanàna ity. Ny valiny avy aty amiko: Izay mihitsy no nifidianako Tim satria tsy hanome vola toy izany amin'ny tgv mihitsy ny fitondrana foibe... Izany hoe raha toa manko... fa manana ny safidiny ny maro an'isa ka... aleo mikarataka vola tsy avy any amin'ny foibe izany e! (sa diso tamin'ny safidiko tamin'izay lafiny izay ve aho?) Ao koa dia ahitana fa tsy mandeha intsony izany ny jet d'eau Ankorondrano ry Tokinao a!

    Nampidirin'i jentilisa — 13 Sep 2008, 22:09

  8. Vao valo volana izy no teo,mba nahavita zay volazany ndrema nefa ny faminganana atao azy betsaka,aleo izy hiasa malalaka dia hitanao ny vokany

    Nampidirin'i Rakoto — 14 Sep 2008, 10:13

  9. Za aou miteny hoe natahotra ny Ben'ny tanàna ny mpitondra fanjakana de naleony nihaona t@ Ben'ny tanàna talohan'iny invité du zoma iny e. Dikan'izany tena tsy nety ny nataon'ny fitondrana, sa matahotra ny asa ho vitan'ny TGV nga de mamingampingana.
    Mahereza manohana fitondrana Rajentilisa a

    Nampidirin'i nrina — 15 Sep 2008, 09:26

  10. Samy manao izay afany ny mpanao politika mampiseho ny tenany (hevitra?)eo amin'ny haino aman-jery.
    Varotra daholo io,anjaran'ny mpijery no maka izay tandrify azy.

    Nampidirin'i mpitazana — 15 Sep 2008, 12:29

  11. Vao nandray ny tanana ny tgv dia ny nilaza fa mibaby trosa miavosa ny CUA no nataony voalohany, ary nambara t@ zany fa tsisy vola mihitsy ny kominina. Natao naresaka an-gazety sy radio izany ary dia nihinana am-bolony daholo ny rehetra. Ny valalabemandry tsy ahatakatra mihitsy ny resaka teknika eo amin’io trosa io. Misy ohatra ny vola tokony aloha @ mpamatsy entana na asa (crédit fournisseurs), efa voafaritra ny fotoana andoavana ireny (échéance) araka ny fidiram-bola voavinavina mialoha (prévision). Fa io fidiram-bola io angaha niniana notenenina tamin’ireny ? Tsy nisy fitenenana mihitsy t@ izany hoe ohatrinona no vola tokony hiditra @ kominina. Izao ange mazava ny paikadiny e! Rehefa nitranga ny olana fa hoe nogiazan’ny fanjakana ny volan’ny kominina dia nipoitra tampoka teo hoe misy volabe amina miliara (vola anie izany e!) an’ny kominina. De iny amin’izay indray no natao nalaza an-gazety, radio sy tele hoe satria nahavita nanao fahagagana be ny kominina fa tena niasa ary nampiditra volabe tao anaty fotoana fohy monja dia finganina sy sakatsakanana. Sssssss! Ny zazakely no ampatoriana @ angano sy arira. Nolazain’ny ben’ny tanàna t@ iny zoma iny hoe ohatrinona fotsiny hono ny investissement nataony hatr@ zao. Koa misy vola be izany ve maninona no ampatoriana ao @ kaonty fotsiny fa tsy ampiasaina? Fa eritreretiny hatao inona le vola be nampitabataba io? Ny tanàna miha-maloto ihany… Asakasak’izay mbola hihinana am-bolony fa ny ahy dia ampy ahy ny arnaque nataon’ny tgv: tanora a, tanora, nefa jereo daholo reo avi people efa kentron’endrika sy fotsy volo ao anatin’ny mpitantana ny tanàna. Mbola hitohy ny tantara fa araho akaiky ry jentilisa de mba ilazao vaovao ihany.

    Nampidirin'i bozyboleta — 15 Sep 2008, 13:47

  12. io indray dia tsy fahatantesana resy io aleo ny bandy kely mba hiasa malalaka fa tsy sakantsakanana toy izany izao indray izay dia no bloquer-na ny carburant dia @ izay tsy afaka miasa tsy ho ela dia hirodana io fitondrana io raha toa ka tsy mitandrina ny filoham-pirenena tsy tokony hihaino be fahatany sy hanaonao foana izy fa tokony mba handinika kely tokony hampiana ny maire izay tsy afaka ny hilatsaka filohampirenena na oviana na oviana raha tsy hoe: angaha hovaina ny lalam-panorenana tsy mbola ampy taona tokony hitondra firenena mantsy izy ka tokony hifanaraka amin'ny tsara ny filoham-pirenena

    Nampidirin'i alondrano — 15 Sep 2008, 17:51

  13. Hita kosa fa mamely vahoaka am-pitaka ilay tgv. Nanomboka tany amin'ny tsy famoahana listra nialoha ny fifidianana ka hatrany amin'ny hoe tsisy vola ny CUA fa boribory. Ny gazety sasany sisa no mbola belazao manisy ambiansy fa efa tsisy hafanam-po intsony ny olona nanohana an'i TGV. Io dia tena tsy azo lavina fa tena nangingina ambany saoka ny komantera eran'ny tanana ny ampitson'ilay TV+ nefa raha ny marina dia tokony horakoraka sy fandrabirabiana ny fitondrana.

    Nampidirin'i HR — 15 Sep 2008, 22:25

  14. Olana teknika hoy ny ben'ny tanàna dia maninona no tsy vahana ara-teknika.
    Ny fipetraky ny olana dia miankina @ fomba sy zorony hijerena azy.Ireo mpitantana ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy dia mametraka hatrany ireo olana ho politika.
    Dia zay le fomba! Isak'izay misy olana dia haingana be ny fampiantsoana mpanao gazety hitabatabana, ary dia lazaina fa famingampinganana foanafoana.

    Miasà mangina fotsiny dia ho hitan'ny olona foana ny zava-bita. Izay no tena fahendrena.

    Nampidirin'i bozyboleta — 16 Sep 2008, 07:04

  15. mba manaova soso-kevitra ary hoe iza no atao PDS e...Rafalimanana ve?...mety tsy dia ahita vola firy koa izy satria noho ny lalaon'ny nosy no nahazoan'ny tanana fanatsarana...Ramiaramanana ve?...aiza moa izy izao...tokony tsy nalefa minisitra mihitsy angamba izy iny, fa navela ho ben'ny tanana dia mety tsy ho lany TGV...

    Mitady PDS e?

    Nampidirin'i ndrema — 16 Sep 2008, 08:34

  16. Aleo aloha izy hiasa e vao firy volana ve izy no teo de mitady inona sahady nareo sa izy hanao mazy volamena ho anareo , izy ary mahery fo tsy omena vola nefa mahavita asa ihany sa ny sasany malahelo seza indray , izahay de mampahery ny ben`ny tanana ahatanteraka ny asa izay mbola ataony. Mahereza e

    Nampidirin'i TINA — 28 Sep 2008, 19:05

  17. Manontany tena aho hoe sao dia olona iray ihany i Bozyboleta sy i Jentilisa.Fomban'ny Tim mantsy ilay manao toy izay mba hahamaro an'isa amin'ny fanehoan-kevitra, toy ireny kara-pifidianana maro ho an'olana iray ireny.Manaiky aho fa betsaka tokoa ny zavatra vita nataon'ny commune nanomboka tamin'ny nitondran'ny filoha Ravalomanana tamin'izany andro izany,saingy rehefa lasa filoha izy dia saribakoliny daholo fotsiny ihany ireny nifandimby rehetra teo ireny talohan'i Andry satria dia izy daholo no nitondra ny baolina amin'izay tiany,hatramin'ny fidirana sy fivoahan'ny vola.Antony roa no nandrisika ny filoha hanakana ny fiovan-tanana ny comunne, na ho i Andry na olon-kafa: tsy fahazakana faharesena; fiarovana ny fitantanana ny communne tsy ho hitan'olon-kafa satria na izy aza dia mbola nitohy nantsaka tao koa.Marina fa tsara ny endriky ny tanana saingy omeko ohatra iray fotsiny ianareo hoe; ilay tsangambaton'ny sida misy madagasikara sy fianakaviana kely izay natao efa ho nandritry ny herintaona io no mihoatra ny 1 miliara iraimbilanja no nanao azy.Ny zaridaina sy ny haingon-tanana rehetra ireny dia nahazoana tombony mihoam-pampana daholo.Aza adino fa ireo olona telo avy amin'ny Tim nifanesy ireo dia nitantana tao amin'ny groupe Tiko daholo taloha ary mahalala tsara izany benefice izany.Tsy dia idirako lalina ny resaka momba ny fitantanana an'Antananarivo izao satria izaho koa dia efa nahatsapa fa tsy maintsy ho sakanan'ny fanjakana araka izay azony atao i Andry noho ireo antony roa voalazako teo ambony, ary anisan'ireo diso fanantenana aho satria nieritreritra hoe efa niomana ny ho amin'izany izy.Tsy dia ahoakao loatra anefa izany fa ny tena mahavariana ahy dia ireto olona milaza hoe mihinana am-bolony ny vahoakan'Antananarivo fa mampandry adrisa ny Ben'ny tanana.Mba mndehana mivoaka kely ny renivohitra, tsy hiteny akory aho hoe mankany amin'ny faritany, dia ho hitanao fa ianao miteny io no ampatorian'ny filoham-pirenena mitsangana.Tsy hilaza ny mihoatra izay aho fa tsarovy fotsiny aho rehefa mifoha toa ahy ianao.manofisa mamy e.

    Nampidirin'i Ivo — 04 Okt 2008, 17:51

  18. Vao nanoratra fotsinyianao hoe sao dia olonairay ihany i bozibleta sy jentilisa. Miala tsiny aho mitenyaminao fa tsy olona tena kanosa ahoka mody hamadibadika solon'anarana. jentilisa rehefa manoratra amin'ny misy azy dia jentilisa ihany no anoratany. Ny manaraka mbola hovakiako ihany!

    Nampidirin'i jentilisa — 04 Okt 2008, 20:52

  19. Mety ho masiaka ny valinteniko. Ekeko tsara mihitsy fa vitsy an'isa ny nifidy TIM tamin'ny fifidianana Ben'ny tanàna farany teo. Faharoa manaraka izany, tsy TIM aho tsy akory fa nifidy TIM tamin'iny fifidianana Ben'ny tanàna iny. Ny antony dia noho ny fitiavantenako madio mangarangarana. Fitiavantena manao ahoana moa izany? Tiako mba hitohy ilay fahadiovan'ny tanàna sy ny fannaganana zava-baovao tamin'ireny fotoana ireny. Tiako mba hitohy ny fanantenana ny olona hikajy ny fahadiovana tamin'ireny fotoana ireny. Efa niharihary tamiko fa tsy hahazo vola avy amin'ny fanjakana foibe mihitsy ny TGV raha mbola sitrapon'ny mpitondra foibe ihany koa io. Ny fanaon'Antananarivo dia ireny efa nasehon'ny safidiny tamin'ny fifidianana ireny. Izaho kosa tsy nieritreritra izany famaizana ny filoha izany fa hoe hanao ahoana fotsiny izao ilay tanànako rehefa vita ny fifidianana. Iarahantsika mahita aloha ny vokany amin'izao fotoana izao.

    Tsy mandà velively ny ho mety fanodikodinam-bola tao amin'ny Kaominina aho... izany akory tsy milaza fa dia tena nisy tokoa tao. Ny zavatra fantatro kosa dia izao: nisy zavatra nijoro teto amin'ny tanàna ary mahafinaritra ireny zava-bita ireny no sady nibaribary rahateo. Raha ny halafon'ny fanamboaran-javatra kosa. Ny inona moa no azo ihafiana kokoa, ny manodim-bola sady tsy mahavita zavatra sa ny manodim-bola famisy zavatra vita ihany? Mariho fa matetika amin'ny fanamboaran-dalana ny Colas matetika no mahazo ny tsena nefa ny Colas no mametraka ny vidin-javatra ataony mihoatra noho ny indroa noho ny tena vidiny, tsotra ny fandresen-dahatra mahatonga izany, ny Colas no manao ilay zavatra tsara sy mateza kokoa. Io angamba no mahatonga ilay teny hoe ny zavatra tsara tsy mba mora e! Asa raha fantatrao fa io kianjan'ny Mahamasina io tokony ho efa vita mihodidina ny fijerena baolina na farafaharatsiny mitovy haavo avokoa ireo tribune telo tonta ireo nefa dia nijanona ny asa noho ny fanodinam-bola... ny fantatra fotsiny dia tsy hita nanjavonana izany Ramalanjaona izany (nisy namono?) satria ahiana ho nahalala tamin'ny antsipiriany ny raharaha. Izany hoe sandan'ny fanaovan-javatra tsara ireny.

    Miteny moa ianao hoe mivoaha an'Antananarivo hijery ny zavamisy any amin'ny sisiny. Tany Mahajangà aloha aho ka nambabo fo ahy ny hakanton'ny tanàna amin'izao na dia mitady tsy ho zaka aza ny fofona noho ny fomba mahazatra ny Malagasy indray iny aloha. Asa ny manao ahoana angaha no tianao hofantariko?

    Mamarana ity soratra ity aho. Izaho anie ka afaka mitsikera soa amantsara ny zavatra tsy mety ataon'ny mpitondra rehefa tsy mety iny e! Ohatra: ny Tsenan'Asabotsy Antsirabe! Efa nokianiko tanteraka ny momba iny ary mieritreritra aza aho hoe io indray aloha tsy ho vita ao anatin'ny roapolo taona raha tsinjovina ny fandroson'ny asa ao e! TIM anefa no mitantana ny tanàna ao mandraka ankehitriny.

    Nampidirin'i jentilisa — 04 Okt 2008, 21:47


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType