Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Ahoana ny hevitrao: Hivarotra ny tiko tokoa ve Ravalomanana?

2008-09-15 @ 18:32 in Toekarena

Manonjanonja moa ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao ka mandeha daholo amin'izay ny paik'ady rehetra. Tamin'iny hernandro iny no nisy do-tandroka nilazana fa mety hiala Ben'ny tanàna i Andry Rajoelina. Tsy naheno izany filazana izany mihitsy aho aloha satria tsy maharaka gazety loatra rehefa dinihina. Dia nanambara moa ny Ben-ny tanàna fa hamita hatramin'ny farany ny fe-potoana iasany izy. Dia asa raha raha ao anaty paik'ady amin'izao fotoana izao ihany koa ny filazana etsy sy eroa fa hamidin-dRavalomanana ny tiko (ilay mpanao ny yoghurt, ronono ary fromage). Tsy ialany ny menaka sy ny vary, tazoniny ny magro sy ny mbs fa ilay tiko ihany no alefany.

Aminao ary: azo inoana ve izany mety ialan-dRavalomanana amin'ny  tiko izany?

 

Hevitra

[Valio]

finoanaranoray

ny "actions" rehetra ve no amidiny sa ho tazominy ihany ny 51%?

ahoana hoy ilay tsaho?

Nampidirin'i finoanaranoray @ 19:27, 2008-09-15

[Valio]

finoanarano1,
mety tsy misy hividy an'io eo ra mbola izy ihany no ho-majoritaire ngambany...

jentl,
tsy tokony miankina @ le tena offre misy ve?
ra hivarotra izy tsy ny olympiko sy ny resaka rano no halefany voalohany. Iny no otran'ny tsy mande firy sa ahoana?

Sinon, tsy mila mivarotra orin'asa zany izy fa miala madiodio fotsiny dia vita ra hoe ny resaka politika no mety tsy hande @ ze lahoriny :)

Nampidirin'i simp @ 20:49, 2008-09-15

[Valio]

Araka ny fahafahntarako azy dia efa S.A. aloha ny tiko. Koa ny fiheverako ny henoko dia hiala tsy ho majoritaire izy

Nampidirin'i jentilisa @ 22:39, 2008-09-15

[Valio]

sa politika SADEC io, mpandraharaha avy amin'ny vondrom-pirenena no hividy ny ampahany dia amin'izay malalaka kokoa ny fitsofohana any amin'ny tsena...ohatra hoe vidian'ny tompon'ny shoprite ...

Nampidirin'i ndrema @ 08:12, 2008-09-16
Hampiditra hevitra









 authimage