Maharesaka.VETO

22 Sep, 2008

Ny lalana malalaka ihany no amboarina

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 13:03
Nalaza tao aho ao ny fanamboaran-dalana hampitohy an'Ivato amin'i Talatamaty. Lalana mirefy tokony ho 5km izany lalana izany ary handaniana 7 miliara ariary eo ho eo. Ny orinasa Sogea Satom ao anatin'ny vondrona mpanamboatra lalana malaza VINCI Construction no hanatontosa izany fanamboaran-dalana izany. Ny tena tian'ny gazety ny Vaovaontsika navoitra androany manko dia hoe tsy hisy fandravana trano mihitsy amin'izany fanitaran-dalana izany fa ny takelaby fanaovana dokambarotra ihany no miala. Hay ve fanitaran-dalana ity handaniana vola be ity fa tsy famakiana lalana vaovao e!

Ankona ihany ny tena rehefa namaky ilay vaovao satria tsy vahiny amin'iny lalana iny manko ny tenako. Nihevitra izahay fa hisy lalana vaovao somary mahitsy avy eny Ivato tonga dia mamantana Ambohibao, fa tsy mandalo izany Talatamaty izany ity karakarain'ny fitondrana ity hay tena mivandravandra fa ny fandraisana ny filoham-pirenena ho avy amin'ny fihaonam-ben'ny filoham-pirenena sy mpitondra fanjakana Afrikana no laharam-pahamehana. Tsy hanala olana velively izany ity lalana ahitatra ity.

Inona ilay olana tsy voavaha? Ny tena miteraka fitohanan'ny fiarakodia amin'iny lalana mankany Ivato iny manko dia ny mandalo an'Ambohimanarina iray sy ny mampitohy an'Ambohibao vao miakatra iny ka mankany Talatamaty iny ny faharoa. Noho ny fahateren'ny lalana amin'iny faritra iny dia mikatso avokoa ny fiara rehetra mandrapahatongan'ny fizarandalana eo Talatamaty ka mankany andrefana Ambohidratrimo sy Mahajangà ny iray ary mianavaratra mamonjy an'Ivato seranana kosa ny iray. Mivandravandra eto fa tsy ny fahasahiran'ny olona tokoa no mahamaika ny fitondrana fa ny hirehareha amin'ny lalana efa malalaka dia malalaka ihany. Toy ilay lalana etsy amin'ny lalambaovao mampitohy an'Ankorondrano amin'Amboditsiry ihany ity e! eo amin'ny fanombohan'ny olana mamonjy an'Analamahitsy tanana indrindra no vita ny lalana fa tsy nisy ny lalana vaovao hamahana ny olan'ny fitohanan'Analamahitsy mankany Anjozorobe velively. Oviana re vao tena laniana amim-pahamendrehana ny vola be tahaka itony e?


Hevitra

  1. ekeko ny hevitr'ela momba le hoe atao madio ivelany hizestiavana @ delagasiona afrikana ny tanana fa tsy mba ny ho tombotsoan'ny vahoaka no jerena.

    Zany hoe ny tena izy ihany koa, anjaran'ny kominina no manao lalana sy programa "ho an'ny tombotsoan'ny vahoaka" raha ny eto Tana renivohitra no jerena.
    Asa ra manana projet toy izany ny boay kely fa tsy nomen-dramose vola, na koa izy mintsy no tsy nanana initiative...

    Ny omaly tsy miova ihany aloha hoan'ny pokona :)

    Nampidirin'i simp — 22 Sep 2008, 13:39

  2. 1) Ilay vola be laniana, iza no miantoka azy? Ohatrinona no anjaran'ny fanjakana malagasy, ohatrinona no avy amin'ny firaisambe afrikanina ary ohatrinona no atao hoe trosa mbola hefaina? Izay aloha tsara raha atao mangaraharaha mba tsy hanomezan-tsiny be fahatany ny mpitondra.

    2) Na izany na tsy izany, raha mba intelligent (fa tsy dedaka) ny mpitondra, dia ho nataony mandalo eo @ toerana be ambotaiazy ny làlan'ny vahiny. Dia mba ilay làlana mampijaly araka ny tenin'i Jentilisa tokoa no hiitatra. Risque ihany koa anefa satria raha any amin'iny faritra lazain'i Jentilisa iny, trano maro ihany no mila arodana.

    3) simp> toa tsy ao anatin'ny fari-tanin'ny CUA intsony ireny Ivato ireny raha tsy diso ny tenanay...

    Nampidirin'i DotMG — 22 Sep 2008, 15:24

  3. Oviana àry vao mba hisy delegasiôna koa any @ faritra tsisy làlana hihihi.

    Raha izany volabe izany zao no anamboarana làlana any ambanivohitra be a :) .... mahavita izay vitany hoy izay olona iray izay.

    Tsy misy omen-tsiny moa fa handray vahiny 'zany tsika ka tsy maintsy mamafa trano aloha e :).

    Nampidirin'i Tokinao — 22 Sep 2008, 20:17


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType