Didim-pitsarana: sao mba tsy rariny ihany?
Nisy vaovao nahoraka izay teto amin'ny tanàna fa lehilahy Frantsay efa antitra no tratra nitondra sarin-jaza naboridana (tsy ampy taona) miaraka amin'ny sary nametavetana ireo zaza gasy ireo. Tsy te-hitantara betsaka ny amin'iny aho fa ny tena ifantohako sy arahiko maso dia ny sazy mihatra amin'ny olona manao ireny hadalana ireny hijerena ny fampiharan'ny fitsarana fa atao ho anatry ny hafa ihany koa ny sazy azon'ireny olona manaonao foana ireny.
Vetivety moa dia natao ny fitsarana ity raharaha ity ary toy izany ihany koa ny fivoahan'ny didim-pitsarana. Tena ontsa sy tezitra aho nandre ny valiny, araka ny filazam-baovao iray. Ny fandre matetika manko raha misy ny tranga tahaka itony dia asa anterivozona dimy taona ny tena kely indrindra azon'ireny olona ireny. Ny asa anterivozona moa noho ny "zon'olombelona" dia tsy azo atao intsony na dia gadra aza ireny olona ireny. Ny fitazonana amponja ihany izany sisa no azo atao. Fa manakory kosa ilay sazy nomena ilay lahiantitra nanampatra ny hagegeny tamin'ny zaza gasy?
Vao nandre fotsiny aho hoe sazy mihantona ilay azony dia niontana indray mandeha ny ambavafoko. Na tsy te-hieritreritra fanavakavahana aza tsy maintsy taitra ihany, farafahatsarany kolikoly... tena fanimbazimbana sy fanaovana tsinontsinona ny Malagasy mihitsy amiko izao didim-pitsarana izany satria tsy hoe torotorok'olona hanaovana ramatahora olona voafandrika izy ity mba hisintonana volabe fa porofo mitohoka amin'ny tendany ny sary nentiny fa tsy hoe nentin'olo-kafa. Lasa ny saiko manao hoe tena tiana ho fanaovana fizahantany mamoafady mihitsy eto Madagasikara handrisihana ny vahiny hanimbazimba ny malagasy satria sazy mihantona fotsiny no omena anao raha manimba zaza ianao. Roahina fotsiny izany izay vahiny tratra fa tsy mahazo manasazy azy ireny isika Malagasy? Eritrereto ihany lahy!

Sao mba diso fahazo resaka kosa aloha jentilisa e? (manontany aho fa tsy mandiso akory a :) ). Sao nahatratrarana sary fotsiny izy, fa tsy mipoitra ao anatin'ilay sary akory.
Raha tsy izay mantsy dia sarotra be no hino sy hiaiky an'izany fandehan-javatra izany. Ny sazy mihantona dia omena rehefa misy fisalasalana eo amin'ny tokony ho fanamelohana na tsia. Ka raha sarin'olon-kafa no hita ao dia tsy voatery hidìka izany akory hoe : nandray anjara izy.
Mba hamarino hoe. Sa dia tena araka ilay eritreritrao no lazain'ny vaovao ?
Nampidirin'i Tokinao — 24 Sep 2008, 22:20
Izaho koa dia tezitra toa an'i Jentilisa ary nalahelo rehefa namaky an'io sazy io. Ary ilay lamandy nasaina naloany koa dia toa tsy misy dikany. Tsy fantatro ny eto Mada fa any amin'ny tany hafa ry Tokinao,ny fananana sy fitehirizana sarin'ankizy toy ireny dia efa heloka be vava hampidirana am-ponja an'ilay olona. Ary na tsy teo amin'ilay sary aza izy, mety ho izy anie izany no naka ilay sary ary efa "exploitation" izany ka mendrika fanamelohana henjana.
Nampidirin'i Su — 25 Sep 2008, 09:22
Ka misy sariny miaraka amin'ireo zaza araka ny nampitaina tamiko aloha!
Nampidirin'i jentilisa — 25 Sep 2008, 14:36
su > Marina tokoa aloha izany e! Heverin'ilay vazaha fa dia tena tany tsy misy lalàna mihitsy zany ny tanàna'ko. (fa dia izay tokoa moa zany no zava-misy 'ko :( ).
Jentilisa > ok! voaray
Nampidirin'i Tokinao — 25 Sep 2008, 22:03