Maharesaka.VETO

06 Okt, 2008

Ny mpanao gazety malagasy sy ny mpampihorohoro

Politika — Nampidirin'i jentilisa @ 08:04
Ny mpanao gazety malagasy amin'ny ankapobeny mihitsy no nahatsiaro ho voatsindrona tamin'ny tenin'ny praiminisitra niantsoana azy ireo haingana tao anatin'ny fotoana fohy ka nandrenesana ny hoe ao anatin'ny fampihorohoroana eo anatrehan'ny praiminisitra ny fampielezana vaovao tsy marina (na "mampihorohoro") ataon'ny mpanao gazety. Fampihorohoroana ny fanakatsakanana tsy hanatanterahan'ny governemanta ny fandaharan'asany na ny fanatontosana ny MAP. Hafa avy hatrany moa ny handraisan'ny mpampita vaovao ny resaka ary dia hiditra nanatsipalotra azy aho na dia efa fantatro fa nampihena ny mpamaky ahy aza ny fidirako resaka politika izay mampisara-kevitra, nefa tsy Maharesaka ny Maharesaka raha tsy miresaka azy aloha.

Ny tao an'eritreritra dia hoe mitady hanapa-kevitra samirery ny fitondrana fa tsy mba mihevitra ny hiara-midinika amin'ny vondron'olona mety ho voantohintohina ny tombotsoany na ny fiainany. Nefa ny mpanara-baovao dia tokony tsy hody fanina mihitsy tamin'ny vaovao navoakan'ny "La gazette de la Grande île" momba ilay hoe Alemana novonoina tao amin'ny fari-dranomasin'i Nosy Be miaraka amin'ny sary ahitana ny loha tapaka sy natao teo anelanelan'ny tongotr'ilay olona ny lohany teo amin'ny takila voalohany indrindra (tena natao haharikoriko mihitsy matoa naovaka pejy voalohany ny sary). Nalahelo moa ny masoivoho Alemana tamin'io sary io satria voalohany, tamin'ny taona 2005 io toe-javatra io no nitranga. Faharoa, ny filazana ofisialy no nanambarana fa namono tena io lehilahy. Fahatelo, misy andiana mpandraharaha indridra mitsidika ny Nosy tamin'ny fotoana namoahana ny vaovao. Midika izany fa nokendrena hampihemotra ireo mpandraharaha ireo tsy hampiasa vola eto Madagasikara ny vaovao. Io toe-javatra io no nanafintohina ny praiministra araka ny fijeriko azy ka nahatonga ny teniny fa tafiditra ao anatin'ny "fampihorohoroana" ny famoahana ny vaovao manakatsakana ny asan'ny goverinemanta. Misokatra indray ary ny adihevitra e!


Hevitra

  1. raha ny lahatsoratra vinaky @ internety aloha dia ahatsinjovana olana @ fanaovan-gazety SASANY. tsy azo odian-tsy hita anefa fa misy tokoa ny miezaka sahala @ L'Express na Les Nouvelles (fahitako manokana io).

    rehefa ao ambadika ao aloha ny adilahy politika dia tsy maintsy henjana foana ny lalao e !

    Nampidirin'i Rajiosy — 06 Okt 2008, 10:27

  2. Tsy ny mpanao gazety no tokony enjehina fa ny tena mpampihorohoro tsy mapandry ny mponina.

    Nampidirin'i lakolosy — 06 Okt 2008, 12:12

  3. fa misy ihany ny mpanao gazety tena mpikarama an'ady tsotra izao.

    Nampidirin'i jentilisa — 06 Okt 2008, 14:39


Hampiditra hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Powered by LifeType