Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Tsy maintsy hofitahiko ny foko

2008-11-21 @ 09:32 in Kolontsaina

Tsy maintsy hofitahiko ny foko
hanalavirako toloko... izay misoko
Fa sao raha tsy misy intsony izay ho antsoiko
Dia tsy hety hilamina ny saiko
Dia ho lany mondro-kery
na dia tratry ny an-tery aza.

Tsy maintsy hofitahiko ny foko
sao very foana...toa foana ny anoloana
sahala ny tokamanirery mandalo efi-babangoana
misy ihany fa tsy ilaiko
fa raha tsiahy no hanentohento
lasa tsy nahy anie ny sento e!

Dia ny saiko no hibaiko ny foko ampiesonina
hanadio 'ty ratrako miserana;
ny maraina andrandraina tsy afaka holevonina,
hoy ny fanantenam-piheverana
Amin'izay ny tenako ihany no hamitaka ahy
dia hioitra amin'ny fahalavoana raha mbola lehilahy.

 

jentilisa - 07 aogositra 1993 -

Hevitra

ok [Valio]

Misaotra jentilisa a!
ahafinaritra be ahy ilay safidin-teny :). Hainao mihitsy ny manao azy.

Nampidirin'i Tokinao @ 18:48, 2008-11-21

[Valio]

mahefĂ  be dia mba ianao iany fitahina an !

Nampidirin'i mazana @ 18:34, 2009-02-02
Hampiditra hevitra









 authimage