Directoire militaire: mikorontana tanteraka i Madagasikara!
Nanome ny fahefana ny directoire militaire hanao ny asan'ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra Atoa Ravalomanana. Tsy nanaiky izany ny miaramila mpioko ka dia nosamboriny avokoa ny jeneraly dimy heverina ho manana ny grady ambony indrindra sy zokiolona indrindra. Nosamboriny ihany koa ny pasitera Lala Rasendrahasina araka ny vaovao nampitain'ny Radio Antsiva amin'izao fotoana izao. Mbola misaritaka tanteraka ny eto an-tanàna amin'izao fotoana izao.
Fivoriana saiky hatao tao Antanimena tao amin'ny katolika no nisian'izany toe-javatra izany izao folakandro izao.
jentilisa, 17 marsa 2009






Hevitra
ok jentilisa a! [Valio]
mankasitraka nanome vaovao eTsy hilamina intsony ny tany e! [Valio]
Ny Mpiasa-trano te ho Patron,ny Caporal manivatsiva Général,ny DJ te ho sefo HAT(tsy misy Diplôma),ny Mpiandry sandoka lasa mangalatra sy manao asan'ny Satàna,dia tsy misy hatokisana intsony,fa ianao ry Mialy mitandrema,fa mety ataon'i Ra-Andry makorelina
Mialy tsy vaky volo [Valio]
Aza matahotra ianao fa tsy ataon'i Andry makorelina izany fa iza ary ve zao hahazo vola be ho anazy le sous prétexte hoe hanarenana ny firenena le avy amin'ny France. Raha tsy hoe ngamba hoe lasa hendry sy misaina ny vadinao fa nanimba firenena sy fiadanana fotsiny ny nataony na migadra lery dia indrisy fa mety tsy maintsy ataony manao makorelina ihany ianao.[Valio]
Tsy anti-constitutinnel ve ny nanomezan'ny filoha ny pouvoir miaramila?...tsy tokony ho ny filohan'ny senat ve no mandray ny pouvoir?...
[Valio]
danz koa zany ry jentilisa!
matahotra ny alahelon'ny sasany sahady zany i Andry raha azoko tsara, dia samboriny daholo izay ahiahìny.
Aleo hanao raha hahavita e!
Ngah ho vitany gadraina sy samborina daholo izay olona tsy nanaiky izao loham-boto izao!
Ngah ho afaka hampihorohoro amin'ny tank foana izy!
Misy fetrany ny asan-devoly! [mahazo tsy mankasitraka ny teniko i Ikalamako :) satria andron'ny demokrasia izao]
[Valio]
France soutient le sauvage Rajoelina et USA protège le président élu Ravalomanana
LE PEUPLE MALGACHE n'a pas encore dit SES MOTS!
loza [Valio]
dia sanatria hangina tsy hiloa-bava akory ve isika? izahay aloha dia vonona ny hidina an-dalambe koa raha ilaina satria dia io izany no fomba izorana handrombahana fahefana dia mety hamerenana ihany koa! ny tsy ampy dia ny mpitarika! na "leaders" ka izany MFM? manofy ve izahay sa mbola manatena fivadihan-javatra, firenena mantsy izy ity fa tsy kilalao ka afoinay ny zava-drehetra ho an'ny firenena sy ny ho avin'ny zanakay
Ireto ilay nolazaina fa ody eh [Valio]
http://news.bbc.co.uk/2/hi/africa/7948278.stm