17 marsa 2009: Lasan'i Andry ny fahefana!
Efa hitantsika teto ihany fa nomen'ny filoha Ravalomanana ho an'ny manana voninahitra amin'ny tafika ny asa sy ny andraikitry ny filoham-pirenena. Mety ho mahavariana tokoa ny tsy nanomezana io fahefana io ho an'ny filohan'ny Antenimieran-doholona. Izay famindram-pahefana noho ny fialana. Heveriko anefa, noho ny fahazarana eo amin'ny fandraharahana fa mety ho tsy mifanaraka loatra amin'ny fepetran'ny Lalampanorenana, no nanaovany izao fihetsika izao. Karazana fahadisoana ihany izay lalana nataon'ny filoha tsy nanaraka ny voalazan'ny Lalampanorenana izay saingy tsy mahavaha olana velively ny famindrana ny fahefana araka ny voalaza. Fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila manko no misy eto ka vahaolana mifandraika amin'ny asa miaramila no noraisiny. Mety tsy te-hamindra ny tsindry mahazo azy ho an'ny filohan'ny Antenimiera ny lehilahy.
Ny ankamaroan'ny olona dia nandre fotsiny hoe "niala, hono, Ravalo" araka ny nolazain'ny onjam-peo vitsivitsy. Tsy misy mahafantatra izay tena votoatiny. Ny tahaka anay aloha dia tsy nino mihitsy fa miandry ny fanambarana mivantana ataony ihany, efa be loatra manko ny tsaho sy ny do-tany sy kapo-tandroka fanao amin'izao tolona politika izao. Tamin'ny radio fahazavana tamin'ny telo sy sasany mahery teo ho eo amin'izay no re tsara ny teniny nanome fisaorana ireo rehetra niara-niasa taminy hampandroso an'i Madagasikara ka tafiditra ao anatin'izany mazava ho azy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena sy ny famindram-pahefana (fa inona tokoa moa no mahasamihafa izay fomba filaza izay amin'ny teny hoe 'fametraham-pialana? io fiteny io manko no nampifanolana ihany koa ny filoha Phillibert Tsiranana tamin'ny Lehiben'ny tafika ny Jeneraly Ramanantsoa sy antony nanaovana ny fitsapa-kevi-bahoaka tamin'ny oktobra 1972).
Tsy nisy tena nahare ny votoatin'ny taratasy ihany koa ireo rehetra nantsoina tao amin'ny Bucas Antanimena indrindra fa ireo avy amin'ny fitondrana an-dalambe nahazo hery be noho ny miaramila mpioko. Akory moa ny fahatezerana teo amin-dry zareo rehefa fantany amin'izay ny voasoratra. Nivoaka ny efitra ry zareo miaramila mpioko niaraka tamin'i Andry Rajoelina, ka nanambara indray ilay fomba fiteny mahazatra hoe "tsy misy mahazo mivoaka eo!" ny iray tamin'izy ireo. Vao nivoaka ny Jeneraly iray dia raikitra ny ankamahana basy sy ny tabataba avy amin'izay tsy lazaina intsony. Nampidiriny tao anaty fiara io. Vao nivoaka ny efitra ihany koa ny filohan'ny FJKM dia raikitra ny hoe "ity no tena mpamadika" Raikitra ny tositosika sy ny totohondry nampidirana io mpitondra fivavahana io tao anaty fiara. "Hisy raha any Soanierana" hoy ny iray tamin'ireo teo an-toerana. Letra avokoa ny ankamaroan'ny mpijery. Dia nampidirina tao anaty fiara ihany koa ny Jeneraly roa hafa nivoaka tao amin'io toerana io. Hatezerana tsy hatezerana moa no nasehon-dry zareo miaramila tao anatin'izany rehetra izany. Vao eo ampanombohana isika izao. Tsy fantatra mazava ny nahazo ireo Jeneraly telo mirahalahy voatanan'ireo miaramila mpioko ireo fa dia nanao fanambarana mazava namindra ny fahefana 'fitondrana miaramila' ho an'ny "Filoha" Andry Rajoelina ry zareo sady nanasonia ny didy hitsivolana "voalohany sady farany" mifandraika amin'izany famindram-pahefana izany niaraka tamin'ny filohan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana taloha efa elaela ihany dia Atoa Ratsirahonana Norbert Lala izany.
Nolazain-dry zareo moa fa "izao fanambarana izao dia nataonay an-tsitrapo tsy misy teritery ho fitsinjovana ny tombontsoa ambonin'ny firenena." Sarotra ihany anefa ny hieritreritra izany saingy izao, tsy hanaiky mihitsy ny miaramila mpioko raha tsy amin'Atoa Andry Rajoelina no hanomezana ny fahefana feno amin'ny maha-"Filoha avon'ny Tetezamita" azy. Vita hatreo izany ny tolona politika teo amin'ilay zalahy ity fa dia hiasa amin'izay ny tenany. Manahy dia manahy aho raha ny zavatra hita androany no ijerena ny ampitso fa dia tena faneriterena tsy misy toy izany no hihatra amin'ny tsirairay hanatanterahana ny sitrapon'ny mpitondra vaovaon'ny firenena izay lazaiko sahady fa tsy ekeko satria an-terisetra no nanaovany ny zavatra rehetra. Dia ahoana izany ry zareo ilay nambarako hoe "inona no hitranga amin'ny 18 marsa 2009?
jentilisa, 17 marsa 2009 amin'ny 23:59

Hevitra
[Valio]
ie
tena mety ho ratsy noho i ra8 izy aloha @ ireo zavatra niadivany ireo. Entre autres, liberte de presse sy ny fomba fitondrana...
mais bon, tsy efa afaka adidy ve elah nampitandrina... Karazan'ny efa notadiavin'ny vahoaka ihany ilay izy ka tsy aleo mba hosotroiny kely aloha ahitany ny tsirony?
De tte facon isika efa zatra maka lesona koa. Mbola afaka migrevy foana na anio na rampitso haha
Fa na zany aza mbola tsy vita io rakoto a... diavolan-ko lava wa ;-)
aza kivy,
lol [Valio]
Fitaovana fotsiny iny no eo fa olonkafa mihintsy no handray an'io[Valio]
ary lasa aiza hono ravalomanana ?
[Valio]
aza miseho be resaka manodinkodina resaka eo lesy a! ravalo a! ravalo[Valio]
Misaotra anareo naneho hevitra e! Isika koa eto mandrakariva fa aza manahy!
[Valio]
Ho an'ny mpanao aterineto manana tosaka ambony, dia afaka jerenao ato ny fomba nanamboran'ny mpomba an'i andry an'ireo jeneralin'ny tafika . Ho an'ny tsy manana tosaka ampy hijerena kosa dia io efa notantarain'i jentilisa ery ambony io. Jeneraly tony sy tsy naneho hery no tonga dia nambanam-basy sy naiditra tanaty fiara "pick up". i Andry amin'io dia mijery fotsiny! Izany ve no mendrika hatao filoha?!!! Vao fanendrena fotsiny no nataon-dravalomanana ny amin'izay hitondra dia efa mahina ny anao, ary mampiasa hery amin'olona tsy manampò n'inon'inona. >>>>jentilisa: ahitsiko ny fanambaranao satria anaty lalam-panorenana ny fitondràna miaramila. Ny nahatonga an-dRavalomanana hanao ity fihetsika ity dia izao (araka ny fandinihako): - aleony manimpy gants amin'ny fomba ofisialy, toy izay hoteren'ireo mpandroba hanasonia famin-dram-pahefana, toy ny natao ireo manam-pahefana maro (minisitry ny tafika, sns). hainy manko ny fomban'ireto mpandroba. - naleony nisoroka ny mety hampitombo ny faty olona raha toa ka hanafika eny Iavoloha ry Andry. Rehefa misy ny ady, dia izay matsapa tena ho hendry no sahy miala sy manaja tena. Voaporofo ankehitriny fa tsy olona jambam-pahefana sy minia mifikitra amin'ny fahefana izy, eny fa na dia an-kasomparana aza ny fomba nanerena azy hiala. Faly aho amin'iny hetsika nataon'ny filoha iny satria naneho fanajan-tena, sy fitiavan-tanindrazana izy. Raha filoha hafa dia efa ela no nitsaoka tsy ho eto an-tanindrazana intsony, fa izy kosa, fony naha-filoha azy dia sahy niteny fa : "hiara-maty amin'ny vahoakany". Tsoriko eto fa namelona ny fanantenako sy ny reharehako maha-malagasy indray ny nisian'ny filoham-pirenena "mahay manetry tena" fa tsy sanatria miiziriziry ary avy eo mitsoaka. Afaka nataoy mihitsy manko izany raha tsy mijery ny hampilamina ny firenena izy. i Andry moa, na ny ho voasambotry ny mpitandro ny filaminana miaraka amin'ny mpanohana azy aza dia atahorany. "tsofiko rano ianareo" hoy andry izay, fa "izaho aloha mbola tsy te higadra".
Miala tsiny Tokinao fa averiko eto ny soratrao. Tsy haiko anefa ny mametraka ny rohy napetrakao teo na tsy hitako ny marina kokoa. Soratr'i Tokinao ity an! Nahitsiko kely fa tratran'ny soratra matavy ny ambiny rehetra.
ilay rohy teny antanimena [Valio]
toatsy hitako hoe aiza ilay rohy ? voalazan'i Jentiisa ?
Misaona manonmboka anio [Valio]
Manomboka anio 18 marsa 1975 euh ,2008 dia miditra @ RESISTANCE isika , ianareo voalohandahara eny Dago, dia ny Diaspora izany tsy mankasitraka izao fanonganam-panjakana izao
ilay roy [Valio]
http://gasy.net/Video/videodirectlink/_tv-plus_20090317_203317-9.html
[Valio]
ary nankaizza ry zalahy ireo mercenaire a, toa tsy nisy akory?...toa bleuf daholo koa izy izany
Ody gasy [Valio]
Maninona no tsy asiana resaka ireo ody gasy bdb hita tao Ambohitsorohitra? Hay ve ka olona azon' ody toa anao daholo ny manampahefana teto Madagasikara
bloagy [Valio]
Tena faly be aho nahita an'ity bloagy ity satria tena teny gasy daholo ny hakanbehazany.
Tohizo fa tsara
TGV [Valio]
nety mihitsy aloha no nisamborana an'i lala rasendrahasina e, ireny izy misambotra an'i Ranjivason tsy misy miteny koa rehefa voakitika ny mpiray ody gasy vao taitra daholo, mbola aiza fa ho voatsipona daholo ireo nahavanon-doza rehetra fa tsy misy tafatsoaka eo. izao marina le oe anay ny retour, sady en force mihitsy an
tiko [Valio]
minoa fotsiny ihany ô, toa golf type 5 hono no nitsoahan'lery, soa aza fa mba nisy an'izay ko