Hifidy isika fa amin'ny fomba hafa
NA NY BOLONGAN'NY VAOVAO ETO AN-TOERANA, ETO MADAGASIKARA

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.
Hevitra
[Valio]
done!
ok ok
[Valio]
kay
misy hoe Femme 2.0 ou le parcours d'une transexuelle...
ouh lala
[Valio]
Aza adinoina ny mi-valide ny safidy ery ambany indrindra amin'ny takelaka. Jerene daholo ny fomba rehetra tsy hahavery ny safidintsika e.
Fiaraha-mientana malagasy
Lojika ve ? [Valio]
-Very asa ny vahoaka an'hetsiny, an-tapitrisany? Fa mandray miaramila ,zandary ,..ets marobe amoronana asa vaovao ? -Mikarama sady karamaina lafo no mbola mahazo tombontsoa mihoampampana ny fianakaviambe'ny foloalindahiny kanefa ny vahoaka tsy mahita karama fa miandry ny HIMOn'ny FATy -Mitofezaka mila tsy ahita izay hohanina isan'andro ny vahoaka an-tapitrisa fa ny eo @ fitondrana FATy mampitombo isan'andro ny tombontsoany hampigalabonan-tena? -Raharahan'ny Gasy ny eto M/kara kanefa tahirina ho tafahitsoka amin'ny fanjanahan'ny Frantsay indray ny firenena ? -Fandrosoana sy fampandrosoana atao ankehitriny dia fampandrosoana ho any @ lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana sy fahaverezan'ny firenena? - Tombontsoa avon'ny firenena (na ny vahoaka) ao anatin'ny demokrasia no ventesina efa mankalilo sofina kanefa tombontsoa avon'ny FATy arovana ao anatin'ny herim-pamoretan'ny foloanlindahy no misy ; - Fahafahana maneho hevitra an-kalalahana hono no fomba fiasa (tena efa ho simba hatramin'ny Salle de Conférence Internationale eny Ivato), fa fanapenam-bava sy famahanan-dalitra ny vahoaka no atao ilazana fa miainga avy @ vahoaka hono ny heviny.[Valio]
vita ny adidy e!
Misaoootra [Valio]
Misaotra betsaka i Jentilisa :D Zay vao tena nahita ny BOBs aho, fa tena mahafinaritra ny blog rehetra nahita teo.
Finalista fotsiny dia efa zava-dehibe amiko na jerena ny candidat rehetra.
Toa tsy hitako ilay tsindriana raha hifidy ô [Valio]
sa efa tara loatra za ra jentilisa ?
[Valio]
Efa vita eeee!