Momba ahy
jentilisa

Faly miarahaba anareo sy mandray anareo eto amin'ity bolongana ity. Mirary anareo hazoto hamaky sy hizara ihany koa ny tsapanareo sy ny hevitrareo, tsy voatery ho eto fa any amin'izay sehatra tianareo hamoahana ny hevitrareo. Firariantsoa mba hifampitaiza amin'ny fijoroana hiteny sy tsy hitsanga-menatra amin'ny fanehoan-kevitra. Hiezaka isika ho amin'ny fampandrosoana sy ny fahalalahana satria ny tanjon'ny fahalalahana dia ny fivelarana fa tsy hifanapempo sanatria. Ny fivelarana katsahina dia ny fivelaran'ny mahaolona, hahay handray andraikitra amin'ny fotoana mahamety izany. Ny sariko eto moa dia nopihan'ilay Ejipsiana antsoina hoe Tarek Amr izay namana ao amin'ny vondrom-piarahamonina an-tserasera sy tia mamoaka vaovao manerantany Global Voices Online izay efa adika amin'ny teny malagasy ihany koa ary anasana anao hamaky azy sy hanitsy ihany koa indrindra raha mba manana fahaizana ny teny anglisy sy ny teny malagasy ianao.

search
calendar
« Mey 2013 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

Na mihinana aza mbola ho noana!

2010-09-02 @ 22:26 in Andavanandro

Lohateny nalaina avy tamin'ny tononkiran'ny mpihira malagasy iray namerimberina fa: "izay manao ny marina na lavo aza mbola ho tafarina fa izay manaonao foana, na mihinana aza mbola ho noana". Resaka hanina indray aloha ka! Tena hafa mihitsy ho'aho isika Malagasy fa tsy mba mikorapadrapa-poana izany. Maka milamina hatrany satria iaraha-mizaka ny fisondrotry ny vidin'entana ary lazain'ny gazety fa tratran'izany amin'izao fotoana izao ny vidin'ny lafarinina sy ny vary. 


Re manko fa raikitra ny rotaka tao ampita andrefana tao raha nokasaina ny hanondrotana ny vidin'ny mofo, ankoatra ny fisondrotry ny vidin-jiro sy rano io ny androtry ny fanapahana hampanakery ny fanondrotana. Tsy voalohany moa io rotaka io fa fanindroany izay raha araka ny voalazan'ireo olo-tsotra mpitati-baovao avy any an-toerana. Ny nahavariana dia ny fomba nitateran'ny Haino Aman-Jery malaza sy fanaraky ny Malagasy maro azy, notaterin'ny namana iray atsy ambadika atsy. Efa misy samihafa sahady manko ny voalazan'ireo loharanom-baovao roa ireo. Ny voalohany manambara fa tsy nihetsika ny vidin'ny mofo efa roa taona izao fa ny fifampiantsoana tamin'ny alalan'ny finday sy ny serasera no tena nahafaingana ny hetsika sy ny rotaka. Ny faharoa kosa nanambara fa tsy mitsahatra ny misondrotra ny vidim-piainana ka tsy tantin'ny olona intsony no nahatonga ny rotaka. Izay ilay samy manana ny fijeriny fa anjaran'ny tsirairay no mamakafaka sy mandanjalanja. Ny tahaka izao ihany koa no tsy mahasasatra anay hitatitra mandrakariva izay tsikaritray. Ny somary nahavariana tamin'ilay notantarain'ny namana dia ny fitakiana hamerenana ny mpitondra teo aloha mpanelanelana ny raharaham-pirenentsika hamaha io olana any aminy io.


Hafa tanteraka kosa ny eto an-toerana, satria tsy tafiditra amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta loatra ny fanondrotana vidin'entana afa-tsy izay sahanin'ny fanjakana ihany angaha (toy ilay vidin-tsolika nahafahan'ny mpandraharahan'ny solika nividy ny vola vahiny amin'ny 2000ar ny dôlara iray raha tokony ho efa 2200ar izany nialoha ny fifanarahana tamin'ny fitondrana?). Noho izany angamba no tsy mahataitra ny Malagasy loatra hikorontana fa hiasa mafimafy kokoa angaha hahazoana vola bebe kokoa, nefa asa toy ny inona? Saingy hendry na ny mpanao mofo na ny olona satria lasa tsy ampy anjaran'olona iray izany mofo dipaina iray manontolo izany satria tsy nisondrotra ny vidiny, ary ny olona tsotra kosa mitady zavatra hafa asolo azy dia ny paty indrindra indrindra... hehehe... fa vita amin'ny inona moa ny mofo dipaina ary vita amin'ny inona kosa ny paty fihinana? Soa ihany aloha fa ny vidin'ny vary sy ny lafarinina ihany no miakatra fa tsy ireo e!...hehehe... ahitsio aho raha diso fa tena diso mihitsy.


Fa tsikaritro tokoa aloha fa nitombo ny mpivarotra hani-masaka mandehandeha ka ny miavaka indrindra amin'izany dia ireo mpivarotra paty efa masaka, ampiarahany amin'ny karazan-kanina samihafa izy ireny ka misy ny mampiaraka azy amin'ny atodiakoho, na karaoty sy ovy, na izay mety atao ho karazana laoka samihafa e! fa mora aloha ny vidiny sady samy manana ny azy rahateo, tsy miresaka ny fahatakaran'ny sarambamben'ny olona izany vidiny izany loatra aho satria azoko heverina fa ny vidin-tsakafo masaka no isan'ny mora indrindra manerana ny tsena fa tsy azo atao kosa ny mieritreritra ny fahadiovany. Amin'ny ankapobeny moa dia tahaka ny anaty koveta anaty sobika na anaty fitehirizan-kani-masaka anaty harona no fanaovan'ny mpivarotra ireny hanina ireny. Na izany aza lasa saina ihany aho indraindray ka manao hoe tena mahasolo ny vary tokoa ve ny paty feno manerana ny tanàna? Dinihina toa karazany aty Madagasikara indray no nanaraka ny torohevitry ny solontenam-panjakana ao ampita andrefana fa tsy vomanga sy saonjo mbamin'ny mangahazo no nampifanoloana fa zavatra vita amin'ny lafarinina ihany no asolo zavatra vita amin'ny lafarinina.



Jentilisa, Antananarivo 3 septambra 2010 amin'ny 00:26
 
 

Hevitra

[Valio]

mampilendalenda composE sy lasopy sinoazy koa izany resak'i jentl izany ^:^

Nampidirin'i simp @ 23:14, 2010-09-02

[Valio]

Mbola HS ihany koa ity mais bon:

za wa tena gaga mihintsy @ ireny mpivaro-mande ireny ee, hoe mba mahazo tombony ve ry zalah ireny e??
satria an, en theorie izany hoe ny famokarana en echelle izany hoe atao be dia be izany no mampihena ny "cout" izany hoe masokarena @ ilay zavatra amboarina... ohatra hoe restaurant tena izy izao mahandro kaly farafahakeliny hoe olona 20 ohatra dia mora voatsetsitra wazy ny mason-karena...
sinon raha hoe zavatra tsy azo atao famokarana ara-indostrialy izany dia lasa hoe vokatra lioksa ilay izy dia manjary hoe lafo vidy wazy ary @ izay no ahazoany tombony...

Or ny mpivaro-mande zavatra kaly kely dia kely no ataony satria hoe mandende izy dia mavesatra izany. LE izy anefa mora vidy koa, sady tsy azo atao hoe deluxe rateo satria na ny fahadiovana fotsiny azany dia efa fanotaniana lehibe... ka hoy ah hoe aiza no azahoan'zala ireny tombony ee? tsy vao mia maty antoka noho ilay bandy mahandro kaly any an-tranony ara ve izy??
kanefa misy olona tena hoe mivelona @ io an :-)

tsy zakan'ny saiko??

Nampidirin'i simp @ 23:21, 2010-09-02

[Valio]

Ka izy io anie ny tena marina misy zavatra mora vidy satria na efa lany daty na manakaiky ny ho lany no hitany ka vidiany e! matetika ary miandry tataka araka ny fomba filaza ka izay ambiny any amin'ny tsy fata-tsika any no atobak'ireny sokajin'olona ireny.

Nampidirin'i jentilisa @ 07:47, 2010-09-03

[Valio]

Ny valala be mandry anie efa nozarina hiafy e!!!@ composé sy lasopy na 200 Ar ,Fa ny 4x4 a vitre fumée eny @ Pizza Gastro.Hainao ihany e!!!
Nampidirin'i Mpakavato @ 11:33, 2010-09-03
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype