Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Febroary 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28            
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

« | »

fihaonan'ny bloggers Antananarivo!

2006-04-29 @ 04:33 in Ankapobeny

Tontosa soa aman-tsara ny fihaonana izay nanasan'i Tattum ireo mpitoraka bilaogy teto Antananarivo. Raha tsy dia nazoto loatra aho ny handeha tamin'io fihaonana io dia lasa ihany noho ny fiangavian'i Ravakamalala izay tsy mba afaka. Teo ihany koa moa ny nahitan'i Tattum ny filazana izay nataoko teto ka raha izaho izay nilaza teto indray no tsy tonga dia mba hafahafa ihany.

Folo mianadahy izahay no tonga tao. Telo lahy sy fito vavy raha ny isa no jerena... resy be izany ny lahy tamin'ny asa. Fa ny zavatra nahavariana dia nisasaka soa aman-tsara ny isan'ny malagasy sy ny vazaha.

Ireto avy ary izahay no tao:

Tattum  mazava loatra karazan'ny tompom-panasana, nihavian'ny hevitra.

Nathalie ao amin'ny fikambanana mpanao soa. Vazaha mahay teny gasy indrindra fa ny mihaino.

Aiky izay tsy fantatro ny blog-ny raha tsy izaho nanatrika tany. Miala tsiny aminy saingy efa hitako kosa ny resaka toaka gasy natorany.

Barijaona izay anisan'ny ela indrindra tamin'ny tamin'ity taranja ity. nitondra an'i Lalaina hanatrika ny fivoriana izy. Tsy mpitoraka i Lalaina fa mpamaky kosa.

Ary izy efa-bavy vao tonga teto Madagasikara avy ao amin'ny OrthoMada dia Julie, Mathilde, Raphaëlle ary Victoire hiofana eto. Sivy izy ireo fa tsy tadidiko hoe iza moa ny fanimpolony. Nahafinaritra ny resaka tao sady mafana. Fantatr'izay nivory tao amin'izay angamba fa tsy mba be teny i jentilisa na dia lava soratra aza.

Hevitra

[Valio]

misaotra an jentilisa, misaotra eee!!!! hitanao fa tsy nanenina ianao! matetika dia ohatran izany ihany ny olona, rehefa be resaka d tsy d tia manoratra, d ny mifamadika am zay koa.
tsara rehefa nafana sy nafinaritra ny fihaonanareo tany.
mbola ho avy e!

Nampidirin'i ravakamalala @ 14:14, 2006-04-29

[Valio]

Mety maha saro-kenatra koa rehefa voahodidina vehivavy be dia be ka!
Toa tsy nisy skyblog mihitsy aloha izy izany ;)
Fa ny mahafinaritra, blaogy mahaliana daholo ny blaogin'ireo tonga tany ireo. Ary raha tsy nisy tokoa ilay fihaonana io sy ity tatitra ity, dia tsy nahafantatra ny fisian'ireo aho. Dia isaorana anareo e, ary isaorana an'i jentilisa amin'ny tatitra. :)

Nampidirin'i lapino @ 04:39, 2006-04-30

[Valio]

Misaotra amin'ny fankasitrahana. Somary sarotra kosa aloha ny fifampitambaovao raha ny fijeriko azy e! saingy rehefa maromaro ny tafahoana tsy nahatanty fotoana mangina izay tonga tao e! tsy nitsahatra mihitsy izany ny resaka hatramin'ny folo alina tany ho any!

Nampidirin'i jentilisa @ 08:55, 2006-04-30

[Valio]

Jeero anie ny fomba nanoratan'i Barijaona azy ao e! Mahafinaritra be mihitsy. Hita hoe tsy olonolom-poana no nanoratra!

Nampidirin'i jentilisa @ 01:12, 2006-05-01

[Valio]

Hihih, vao manomboka tonga dia sambos no hitako voalohany :D
Tao amin'ny blaogin'i Barijaona mihitsy koa no nahitako zavatra nahaliana ahy, ary notateriko tao amin'ny ifg moa. Jereo eto. Mahafinaritra e! :)

Nampidirin'i lapino @ 12:13, 2006-05-01

[Valio]

Mahafinaritra rehefa maromaro ny tatitra ka mifameno... Misaotra an'i Jentilisa tonga, ka nifameno koa ny dinidinika tamin'io hariva io : nisy ny mpitoraka amin'ny teny malagasy ary nifandanja ihany ny isan'ny lahy sy ny vavy... Ry zareo orthomada anie olona 4 nefa blaogy iray e ! Soa ihany fa teo ianao, olona tokana mitondra blaogy roa ;-)

Nampidirin'i Barijaona @ 13:26, 2006-05-02

[Valio]

Eny tokoa ho'aho, ny an'i Tattum miaraka amin'ny sary tany ka azo avoaka sisa no tena andrasantsika. Efa hivoaka tsy ho ela angamba rehefa tonga any amin'ny toerana mahazatra azy izy!

Nampidirin'i jentilisa @ 00:25, 2006-05-03

[Valio]

ho avy tsy ho ela! izay hafaka avoaka moa izany, ny sisa alefa mail! ;)

Nampidirin'i Tattum @ 09:36, 2006-05-05

[Valio]

Miarahaba anao tonga soa amin'ny tany tiana ahatongavana ary.

Nampidirin'i jentilisa @ 23:41, 2006-05-05

[Valio]

Miarahaba Jentilisa. Faly mahita ny blaogynao izay mahafinaritra ny mamaky azy amin'ny tenin-drazana. Tsy misy tsiny e!

Nampidirin'i aiky @ 07:22, 2006-05-08

[Valio]

Misaotra nitsidika ny blaogy ary mazotoa daholo!

Nampidirin'i jentilisa @ 02:32, 2006-05-09

[Valio]

Tena raha tsaroanao tamin'iny fotoana iny dia nitsiry ny faniriko hanokatra blaogy amin'ny teny malagasy rano iray. Misaotra tamin'ny aingam-panahy e.

io ilay izy :
http://zavamisy.canalblog.com

Mazotoa

Aiky

Nampidirin'i Aiky Fandresena @ 03:45, 2006-07-10

[Valio]

Misaotra anao niditra ihany koa amin'ny teny malagasy! Mahafinaritra izany. Aza adinoina ihany ilay any amin'ny anankiray na dia izany aza!

Nampidirin'i jentilisa @ 04:09, 2006-07-10