Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

Mila fitandremana ny mamoaka vaovao

2008-02-19 @ 13:50 in Andavanandro

Nahavariana tato ho ato fa be dia be ny famoaham-baovao tsy marim-pototra nefa niely haingana dia haingana tokoa. Nahavariana fa na dia ny fampahalalam-baovao efa ela nihetezana aza dia tratra soa aman-tsara tamin'ny valin'ny baolina diso sy andro diso. Ny fatratra dia maro ihany koa ny haino aman-jery nanambara izay vaovao diso izay.

Ny faharoa indray dia ny momba ny loza voajanahary mandalo eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Nahoraka dia nahoraka fa nisy olona 9 nianjeran'ny trano tany amin'ny fandraisam-bahiny iray any amin'ny nosy Sainte-Marie. Nisaritaka tanteraka ny filazam-baovao omaly. Nisy nilaza fa maty ireo olona voalaza ireo. Nisy kosa ny nametraka fisalasalana fa tsy mahalala ny tohin'ny raharaha. Ny marina dia tapaka avokoa ny tambajotram-pifandraisana rehetra tany amin'io Nosy io. Dia nanitsy ny tany an-toerana androany atoandro fa tsy nisy namoy ny ainy velively tany amin'iny toerana iny.

Izay ry zareo ny filazana tsotra: mila fitandremana tokoa ny mamoaka vaovao fa manjary manimba ny hasin'ny famoaham-baovao sy ny fitokisan'ny namana rehetra. Tsara ny miala tsiny mazava rehetra tratran'ny tahaka io tranga io fa tsy manafina mangina azy any.

Verindrohy (trackback)