Momba ahy
jentilisa

Malagasy mipetraka eto Antananarivo Madagasikara. Roboka tanteraka amin'ity aterineto sy serasera ity. Tia mamoaka vaovao sy hevitra momba ny zavamisy eto Madagasikara. Tia ary tsy leo miresaka politika.

search
calendar
« Martsa 2010 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Nampidirina farany
Sokajy
Rohy
Tahiry
Syndicate
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox

fihaonan'ny bloggers Antananarivo!

2006-04-29 @ 04:33 in Ankapobeny

Tontosa soa aman-tsara ny fihaonana izay nanasan'i Tattum ireo mpitoraka bilaogy teto Antananarivo. Raha tsy dia nazoto loatra aho ny handeha tamin'io fihaonana io dia lasa ihany noho ny fiangavian'i Ravakamalala izay tsy mba afaka. Teo ihany koa moa ny nahitan'i Tattum ny filazana izay nataoko teto ka raha izaho izay nilaza teto indray no tsy tonga dia mba hafahafa ihany.

Folo mianadahy izahay no tonga tao. Telo lahy sy fito vavy raha ny isa no jerena... resy be izany ny lahy tamin'ny asa. Fa ny zavatra nahavariana dia nisasaka soa aman-tsara ny isan'ny malagasy sy ny vazaha.

Ireto avy ary izahay no tao:

Tattum  mazava loatra karazan'ny tompom-panasana, nihavian'ny hevitra.

Nathalie ao amin'ny fikambanana mpanao soa. Vazaha mahay teny gasy indrindra fa ny mihaino.

Aiky izay tsy fantatro ny blog-ny raha tsy izaho nanatrika tany. Miala tsiny aminy saingy efa hitako kosa ny resaka toaka gasy natorany.

Barijaona izay anisan'ny ela indrindra tamin'ny tamin'ity taranja ity. nitondra an'i Lalaina hanatrika ny fivoriana izy. Tsy mpitoraka i Lalaina fa mpamaky kosa.

Ary izy efa-bavy vao tonga teto Madagasikara avy ao amin'ny OrthoMada dia Julie, Mathilde, Raphaëlle ary Victoire hiofana eto. Sivy izy ireo fa tsy tadidiko hoe iza moa ny fanimpolony. Nahafinaritra ny resaka tao sady mafana. Fantatr'izay nivory tao amin'izay angamba fa tsy mba be teny i jentilisa na dia lava soratra aza.

Verindrohy (trackback)