Fantatrareo avy hatrany angamba ny tiako lazaina na dia izay lohateny izay ihany aza no apetrako. Faritra iray be « tanindrana » eto Antananarivo sady anisan’ny be mponina no nahitako trakitra miparitaka eran’ny lalana sy ny elakelan-trano. Ny haben’ny taratasy dia tsy natao ho fametaka amin’ny rindrina hovakian’ny be sy ny maro fa natao ho fanitrika isan-trano ambanin’ny varavarana. Iny taratasy manana habe A4 (21X29.7cm) iny no zaraina fito.
Tsy azo soratana ny votoatin’izany singa-taratasy nameno ny faritra izany satria tsy natao ho fandranitana velively ihany koa eto na dia malalaka amin’izay soratako aza aho. Ny fifanajana sy ny fifampitsimbinana tsy maintsy tandrovina hatrany. Ny azo ambara dia taratasy fandroahana ilay izy mazava loatra sady miharo fanambaniana rahateo. Ny zatra mipetraka eto anefa dia mahalala fa sarotra ihany ny hampiady olona eto Antananarivo renivohitra eto.
Tamin’ny herinandro nisian’ny saritaky ny tavaratra sy ny tatsimo iny ihany no nahatarafana karazana somary vandravandra teo amin’ny andaniny sy ankilany. Nisy andiana tanora avy any Sofia manko nitabataba vao maraina sahala amin’ireny hoe nisy nanafika vao maraina ireny. Maromaro samy mamo na ny lahy na ny vavy. Ny andro vao maraina tamin’ny enina ora tamin’izany fotoana izany nefa faran’ny herinandro. Ny efa nipetraka ela indray (izay atsimo atsinanana no betsaka) no nihatakataka. Notairiny tamin’ny torimaso avokoa anefa ny manodidina rehetra tamin’izay fotoana izay.
Raha dinihina dia tena misy antoko politika mivoy mafy azy ity mihitsy. Nahagaga, tsy tandrin’ny mpnao gazetin’ny Tvplus angamba tamin’ny fanambaran’ny eveka omaly ny fanamelohana natao momba ny fandranitana adim-poko. Tsy novakian’ny mpilaza vaovao anefa io fa ny bala nalefa ho an’ny mpitondra fanjakana ihany no novakiany. Ny Mbs sy ny radiom-panjakana moa dia nody tsy nahalala ny fisian’ny fanambarana mihitsy. Azo lazaina izany fa tena mitongilana daholo ny mpilaza vaovao hitako hatreto. Tamin’ny lohatenin’ny gazety rahateo moa dia samy nisintona izay tiany nosintonina fotsiny ry zareo. Iza re no mety namoaka manontolo ny fanambarana e ?
Ny mpanara-baovao finoana indrindra indrindra dia mahafantatra ny nametrahana amin’ny fomba manetriketrika ny evekan’i Miarinarivo tamin’ny alahady teo. Amin’ireny fotoana ireny moa dia tonga manatrika eo avokoa ny eveka namany manerana an’i Madagasikara. Efa nampoizin’ny maro fa tsy maintsy hisy ny fivoriana manokana hataon’ireo eveka ireo indrindra fa ao anatin’izao toe-draharaha mafampana izao. Dia nivory tokoa ny fivondronamben’ny eveka teto Madagasikara ny tontolo andron’ny alatsinainy 21 mey teo.
Niandry ny fehin’izany aho fa androany maraina no nandeha tao amin’ny radio don bosco izany. Tsy tratra anefa tamin’io fotoana io noho ny zavatra mbola nanahirana ka ny atoandro aho vao nandre azy. Tsy nandray naoty anefa aho ka izay tadidiko ihany no averiko etoana. Noho izany dia marihiko etoana fa mety ho tsy feno izay soratako etoana fa izay nanaitra ahy ihany no soratako.
Voalohany : Voaporofo izao tamin’ny fitsapana ny hevi-bahoaka farany teo ny tsy fahavitrihan’ny olona nanefa ny adidiny. Nirotoroto ny fanjakana nefa ny olona tsy mahalala akory izay votoatim-panovana na dia niezahana nohazavaina aza izany. Mbola anaty fahasahiranana ny olona moa ny rivodoza sy ny loza voajanahary hafa mbola namely ka izay hohaniny sy ialofany ihany no nahamay ny olona. Tsy nataony ho zavadehibe ny referandaoma.
Faharoa : Tsy ankasitrahana ny fampiasana ny herisetra sy ny fanaovana amboletra na avy amin’iza na avy amin’iza. Tsy vahaolana velively tsy akory izany manoloana ny delestazy sy ny olana hafa mampisavorovoro ny mpianatra sy ny any amin’ny faritra. Tokony ho efa notsinjovina mialoha ny hamahana ny olana fa tsy avela hihatra amin’ny olona vao ikaroham-bahaolana.
Manaraka : Manameloka ihany koa ny fandranitana adim-poko izay mihamahazo vahana amin’izao fotoana izao. Tsy vahaolana amin’ny mianjady amin’ny mponina ihany koa io.
Tohiny : Momba ny raharahan’ny misionera kosa. Nantsoina ny misionera hitory ny evanjely amin’ny olona rehetra. Ilaina ny fahafantarana ny fiaimpiainan’ireo itoriana ny evanjely ho fampivoarana azy rahateo. Koa raha misy ny zavatra tsy mety, mahaporitra na fanaporetana sy fanitsakitsahana ny zon’ny madinika dia adidin’ny (tsy maintsy miteny ny )misionera ny miteny na malagasy izy na vahiny. Ao anatin’ny lalam-pitoriana rahateo izany ary ny fiangonana katolika dia tsy maintsy eo ankilan’ny madinika mandrakariva hiaro ny zony tsy ho voahosihosy.
Fahadimy : Momba ny raharaha Sylvain Urfer,sj kosa indray dia heverin’ny katolika ho fanalam-baraka azy ireny toe-javatra niseho ireny. Tsy azo natao ve ny nifampidinika mialoha tamin’ny ambaratongam-pitondrana katolika rehetra mialoha ny nandroahana azy ? Toy ny tsy fanajana ny zon’olombelona ihany koa iny fandroahana iny eo amin’ny fiangonana katolika (tsarovy fa ny fivondronam-ben’ny eveka mihitsy no misolo tena ny fiangonana sy hany afaka miteny amin’ny anaran’ny fiangonana eo amin’ny firenena misy azy araka ny fahazoako azy).
Ary fahaenina : Momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana katolika sy ny fanjakana kosa indray dia vonona amin’izany ny fiangonana katolika. Saingy maniry indrindra ny hampiharana azy tokoa fa toa mbola resaka fotsiny ilay izy hatramin’ny androany. Ao anatin’ity fanambarana ity anefa dia toy ny mametraka ihany koa ny fiangonana katolika hahazo ny fanazavana momba ny nandroahana ny mompera vao hiditra amin’izany. Izay ny fahazoako azy. Tatitra ihany ity nataoko ity saingy tsy ofisialy. Ho hitan’ny be sy ny maro ihany ny votoaty ofisialy satria mino aho fa io no ho lohatenin’ny gazety rahampitso rehetra. Tsy namoaka ity fanambarana ity ny radio sy ny televizionam-panjakana hatramin’ny atoandro teo. Asa ny rahariva…(tsy misy ny fomba fijeriko mihitsy io fanambarana io)
Gaga aho namaky ny gazety le quotidien omaly raha nilaza izy fa nisy fihaonana nifanaovan’ny mpanohitra sasany miseho ho mpiaradia akaiky ny firenena tandrefana sy diplaomaty vahiny sasantsasany. Tsy nanondro mivantana moa izy fa nolazainy fotsiny fa tamin’ny Zoma lasa teo izany tao amin’ny Hilton Madagascar. Izy irery no namoaka io lahatsoratra io omaly. Dia nieritreritra aho hoe tsaho tiana aely ve izy ity sa ahoana ?
Nanapa-kevitra aho hiantso ny Hilton Madagascar sy ny gazety le quotidien androany maraina momba io raharaha iray io. Najanoko anefa izany rehefa nataon’ny gazety « Ao raha » teo amin’ny voalohan’ny pejy no sady nataony vaventy ny lohateny. Rehefa novakiana ny tao anatiny dia tena pejy iray manontolo mihitsy no nanokanany azy. Tafiditra tsara ao amin’ny asan’ny mpanao gazety rahateo ny manadihady rehefa sendra ny vaovao fohy toy ny tsipalotra fotsiny tao amin’ny gazety voalohany nolazaiko.
Nanamarina ary ny gazety faharoa nolazaiko ary nanampy fa tamin’ny telo ora tolakandro no nanatanterahana ny fivoriana tao. Ny komity mpanohana ny tsia ireo nivory niaraka tamin’ny masoivoho ireo ka tao anatin’izany ny frantsay sy ny amerikana. Nisy koa solontena hafa izay tsy notononin’ny mpanao gazety ary io no nilaza fa tsy anjarany ny manao tatitra amin’izay fivoriana natao tao fa an’ireo mpanohitra izay nihaona taminy.
Ny mpanohitra kosa anefa izay fantatry ny rehetra satria filohan’antoko sady nirotsaka hofidiana ho filoha teo ny roa (iza ary izany fa tsy Herizo Razafimahaleo sy Lahiniriko Jean ?) samy nanda sy milaza ho tsy mahafantatra ny fisian’izany fivoriana izany avokoa. Dia mody gaga fa tany amin’ny gazety no nahitany ilay filazana fivoriana natao ny zoma tolakandro tamin’ny telo ora tolakandro izany. Raha nanao fivoriana miafina izahay, hoy ny filoham-boninahitry ny Leader Fanilo dia tsy ho any amin’ny hitam-bahoaka any velively.
Hitanareo moa fa mbola anatin’ny fanolokoloana ny tranonkalan’ny le quotidien ary tsy heveriko fa tsy mandeha amin’ny aterineto ny lahatsoratra mivoaka ao amin’ny « Ao raha ». izay no amoahako azy etoana ka asakasakareo amin’ny finoana ireo gazety roa samihafa roa ireo ihany. Toy ny voankazo an’ala hoy ny fitenenana izay io lahatsoratra napetrako io.
Samy manana ny fanonona tiany avokoa moa ny mpitondra rehetra rehefa manondro asa iray izy ka mifampiankina amin’ny fampandehanana ny asam-panjakana izany. Asa inona angaha no tsy nitiavany ny teny hoe filoham-pokontany ? Naleony angamba natao hoe sefo ilay izy fa tiany ho azy irery ny anarana hoe filoha. Raha nahatadidy ny teto an-tanàna dia efa saiky nosoloany teny hoe kartie ihany koa io teny hoe fokontany io, tahaka ny efa nanariany ny teny hoe firaisampokontany sy ny fivondronampokontany izay ny jeneraly Ratsimandrava no nametraka ny teny voalohany.
Tsy any moa no tena idirana fa ny amin’ny fifidianana ity sefom-pokontany ity. Mahavariana amin’izy ity dia ny tsy fanatanterahana ny fifidianana azy amin’ny fotoana tokana. Samy manana ny androm-pifidianany ny distrika tsirairay, na kaominina tsirairay na fokontany tsirairay. Tsy misy fotoana raikitra fa dia araka izay mahavonona ny tompon’andraikitra any an-toerana angaha. Dia tahaka ny hoe samy manao izay tiany atao ny tsirairay. Fifidianana sahala amin’izao ve no hametrahana ny fototry ny fampandrosoana ?
Manaraka izany indray dia samy manana ny fomba fifidianany ihany koa ny fokontany tsirairay, na kaominina tsirairay, na distrika tsirairay. Ny iraisana dia tsy misy ny lisitra avy amin’ny minisiteran’ny atitany fa izay lisitra ao amin’ny fokontany ihany no hanatanterahana ny fifidianana. Ny teto Antananarivo moa dia ny karam-pokontany no niasa (tamin’ny taona 2003 na 2004 izy iny fa tsy mbola nifidy sefom-pokontany ny eto tamin’ity taona ity).
Tao anaty fivoriambem-pokonolona moa no nanatanterahana ny fifidianana ary silatsilaka taratasy no hanaovana ny safidy. Alohan’izany aloha dia asaina manolo-tena ny olona izay hirotsaka. Tsy misy mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko fa amin’ny anaran’ny tenan’ny tsirairay avy ihany no hirotsahana. Rehefa izany dia omena laharana ireo olona ireo ary asaina milahatra eo anoloan’ny biraom-pifidianana. Mitazona baoritra misy ny laharany avokoa ny kandida tamin’izany fotoana izany. Tsy ny anaran’ilay olona no apetaka ao anaty taratasy fa ny laharana mipetaka eo amin’ny baoritra. Tsy nisy vata manokana ihany koa fa satroka (tsy mandainga aho na mivazivazy fa tena izany mihitsy tamin’ny taona nolazaiko teo io) no nandrotsahana ny vato.
Amin’ny mahafivoriambem-pokonolona azy dia fotoana fohy ihany no nanatanterahana ny fifidianana. Izay efa eo no manatanteraka azy. Io angaha no nahatonga ilay filazana hoe rehefa tsy mahatratra ny atasa-manilan’ny olona ampy taona ny olona nifidy dia tsy manankery ny fifidianana ka miantso fivoriambe manaraka indray ka any amin’ny fivoriambe fahatelo dia ekena hatrany ny latsabato na dia tsy mahatratra ny fetr’isa aza. Izay ny tamin’izany fotoana izany. Tsy fantatra moa hoe maharitra hafiriana ny fepotoam-piasan’ny sefom-pokotany fa ny fahalalako fotsiny no milaza azy ho telo taona, ny voafaritry ny lalàna mbola hofantariko aloha.
Fa ny tany Toamasina nampitain’ny namana iray no nahavariana ihany koa. Vao omaly manko no notanterahina ny tany. Ny taratasy fiantsoana no nentina nifidy. Talohan’izay dia nanontaniana hoe misy olona firy ny ampy taona ato…dia soratana iny. Dia tsy nisy lisistra araka izay nolazaiko teo ny fifidianana fa iny taratasy fiantsoana iny no karazana kara-pifidianana. Raha izany aho no nanao dikantsary iny taratasy iny izany dia nomeko ny namako dia afa-nifidy koa izy araka ny nambarany. Fa izany eo ihany fa dia nopetakana ranomainty sarobonoina ihany ny ankihibe rehefa vita ny fifidianana. Inona ary ity voraboraka hentitrentitra ity ? Dia ara-dalàna ve izany ity fifidianana ity ? Ahiako tsy mandalo Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana ihany koa manko ! Sa andeha atao hoe ara-panjakana na dia mety ho tsy ara-dalàna aza.
Niteny ireo olona akaiky azy ny filoha hiantso ny mpanaogazety rehetra na avy amin’ny mpanohana na avy amin’ny mpanohitra ny fitondrana. Olona tezitra araka ny fitantaran’ny mpanao gazety azy no hita tamin’ny endriny : Nivoara-mena tahaka ny kravato nanaovany mihitsy ny filoha, hoy ny tao amin’ny gazety « Ao raha ». Amin’ny teny malagasy manontolo rahateo ny resany fa tsy tamin’ny teny frantsay tsy akory.
Rehefa avy nanao tatitra fohy momba ny diany avy tany Shangai Shina izy dia lasa amin’izay ny fantsy ho any mpitondra fivavahana : « Mbola mitambesatra loatra aminay ny vesatry ny fanjanahan-tany ka matahotra izahay, tsy sahy izahay koa ampaherezo izahay rehefa tratran’izany tahotra izany. Ankehitriny isika efa miezaka ny hitandro ny fiandrianam-pirenentsika. Manomboka izao dia miantso ny vahoaka Malagasy aho ho sahy amin’izay, hiara-mientana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy misy hambahamba intsony…
Ianareo izay hanao mission aty na hanao asa soa dia ny iraka nampanaovina anareo atao fa aza mitsofoka amin’ny raharaham-pirenena malagasy indrindra fa ny politika. Tsy manome fotoana fohy akory aho handehananareo mody. Sahiko ny miteny izay. Taloha izahay no tsy maintsy naka hevitra tany aminareo sy ni-rendre compte taminareo fa amin’izao fotoana izao efa tsy izany intsony. Efa manana ny fiandrianam-pirenenay izahay.
Ho anareo Masoivoho vahiny mihevitra ny tenany hametraka fanontaniana na hanotanintany. Tsy tokony hitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokantranonay aty ianareo amin’ny resaka politika. Rehefa tsy hainareo ny mipetraka dia ahorony ny entanareo dia mandehana mody. Ny masoivohonay angaha any aminareo mba mitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokatranonareo any aminareo any ? Mipetraka tsara izy ireny any.
Momba ny mompera Sylvain Urfer indray efa fantatro tsara izy. Tamin’ny naha-Maire ahy, asaivo manontany ny tenany izy ary anontanio ny fikambanana katolika hoe iza no nibahana ny lalana sy ny tsenan’Anosibe tsy ho amboarina tamin’izany fotoana izany ? ». Hatreo dia tsy nanda mihitsy izany ny filoha fa avy aminy izany ny baiko nandroahana ny mompera. Toa vao maika aza nanamarina ny tenin’ny mompera izy tamin’io lafin-javatra hafa io.
Nanao ahoana kosa ary ny ako voalohany ?
Tena nizara tokoa ny olona fa maro an’isa kokoa ireo nanohana ny nataon’ny filoha. Toy izao kosa ny hevitra fanoherana sasantsasany niboraka avy tamin’ny karajia androany : Manao teny an’avona mihitsy ny filoha, Olona avy natory tao anaty fiaramanidina ve ny tairina amin’ny fisesehan’ny fanontaniana tsy ho teny maneho fahatezerana toy ireny no hivoaka ? Tamin’ny taona 2000 na 1999 dia natao interview tao amin’ny tv5 ny mompera Pedro(Opeka), nanakiana mafy ny fitondrana tamin’izany fotoana izany izy nefa dia mbola afa-niditra soa aman-tsara teto amin’ny firenena ihany. Tamin’ny taona 2002 dia mbola nantsoin’ny tv5 ihany izy ka nanasohaso ny fitondrana fotsiny no nataony nefa dia mbola tafiditra teto Madagasikara ihany ny tenany.
Ireto ihany koa ny hevitra hafa : tamin’ny taona 2002 ireny dia nisy teratany frantsay nilahatra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Moa tsy tonga dia nalefa nody avy hatrany ireny olona ireny raha nanao izany ny fitondrana tamin’izany fotoana izany ? Ny masoivoho anglisy tamin’ny nitondran’ny filoha dia nanasohaso fatratra ny fitondrana tamin’izany fotoana izany. Inona ny vokany ? nasaina nody ilay masoivoho dia foana teo ny Masoivoho anglisy teto Madagasikara. Tsy nandroaka ilay olona ny Malagasy fa ny tany Angletera mihitsy no nampody ilay olona nanasohaso be ny fitondrana teo. Inona no nataon’ilay olona avy eo ? Niverina teto Madagasikara izy dia nanangana ONG (ny marina dia nitantana ny tahirim-bolan’ny prezidansa ny lehilahy). Ny tsikera mampihomehy moa dia hoe manao mizana tsindrian’ila ny fitondrana fa izay manasohaso tsy mba roahiny fa ny mitsikera ihany no roahiny…zavatra mazava be tsy mila hazavaina akory !