Nitamberina tany amin'ny fahazazana ny saina nandinika ity tsy fahitanay mpitia baolina ny mivantana avy any Eoropa ity. Nitamberina tahaka ny ahoana moa? Ka tamin'izany vitsy ny manana fahitalavitra ary noho ny fisakaizana eo amin'ny samy ankizy dia mijery eo amin'izay manana fahitalavitra ny rehetra. Izay rehetra nahaliana ny ankizy dia niaraha-nijery avokoa. Tsy ambakan'izany ny lalao baolina fandaka isaky ny alahady tamin'ny enina ora nijery ny Rainiboto izay nalaza tamin'izany fotoana izany. Ny sary nahetsika tahaka ny bouba sy Tom sawer moa no tena fiady hevitra sy nifampitantarana tamin'izany fotoana izany. Azo lazaina fa mbola tsara ny fiaraha-monina tamin'izany fotoana izany satria nifampiditra an-trano soa aman-tsara ny rehetra. Nisy ny fifampitokisana ary tsy mbola tratran'izany zavatra very izany aloha ny tao an-trano tamin'izany fotoana.
Ankehitriny, azo atao ve ny manonofy ny tahaka izany? Sarotra ny hino satria izahay tamin'izany mitovitovy avokoa ny saranga na dia samihafa aza ny fihaviana sy foko avokoa aza. Ny ankamaroan'ny olona manana ny tvf na parabole na canalsat amin'izao fotoana izao any amin'ny saranga ambony (mba tsy ilazana hoe miaingitraingitra mitandro ny fahadiovan'ny trano kokoa noho ny fanajana ny mahaolona, miala tsiny raha misy ny voatohina) sarotra atonina ihany.Olona manana fanetretena goavana na tena mpinamana akaiky tsy mifampihafahafa matoa tafiditra any an-tranon'olona hijery baolina fandaka izany.
Fa mahagaga lehiretsy fa eto Antananarivo tsy hita firy ny bar na restaurant na pub na club manao tolotra ijeren'ny olona Euro 2008 a! nefa any amin'ny faritany ve izany tsy betsaka ny mampilendalenda ny olona hijery baolina any aminy? Tena tsy maintsy bitsika sy toho-tsofina ihany izany vao mety hahalala izay toerana mety hahitana baolina k'ty. Video iray ihany izao no fantatro (avy amin'ny TF1 ny asehony olona) fa sady lavitra anay nefa tsy manisy soratra amin'ny tabilao an! Mahery ity fitiavam-baolina ity lehiretsy fa mampirediredy.
Je me permets d’ecrire en français même s’il y aura des fautes d’orthographe et des fautes de grammaire et même si la langue française n’est vraiment pas mon fort. Peut être que c’est voulue ainsi mais je me demande aux amis africains au sud du Sahara si vraiment ils aussi n’ont droit qu’à huit matchs durant cet evenement qu’est l’euro 2008. Nous sommes tous témoins que l’afnex qui a droit de diffusion pour l’euro 2008 pour toute l’afrique sub saharienne n’a pas acheté que le nombre déjà cité ci-dessus (sa population n’atteint-elle pas le nombre d’un milliard d’habitants?) . L’afrique d’où viennent des élites actuels de ce sport roi. Si c’est vrai...alors les Africains sont donc condamnés d’avance. Malheur à toi Pauvreté.
Je me demande s’il n’y a vraiment pas de réactions de la part des africains de cette injustice flagrante de monople qui ne connait que de bénéfices et peut être trop de bénéfices aux détriment de l’amour des fans de football qui n’a plus rien à faire qu’écouter le résultat de tout match en dépit de l’avancée incroyable du technologie et de la communication en ce moment. C’est vrai que l’evenement se passe en Europe et que je suis en Afrique mais qui ne connait pas que le lien entre l’Afrique et l’Europe est tres étroit par l’histoire commmune entre eux-mêmes. Et l’amour de football n’a pas de frontières ni de limites.
Maintenant je comprends tres bien pourquoi les hommes et les femmes des pays en développement sont friand de produits dit de piraterie à bas prix qui viennent de l’Asie en général et de Chine en particulier c’est parce que beaucoup de marques accollées à ces produits sont européennes ou américaines. Les Chinois savent que l’Afrique aime l’Européen ou l’Americain du Nord et les Chinois jettent l’hameçon là dessus. Maintenant je voudrais tant que CCTV diffuses illégalement et gratuitement pour l’Afrique et pour l’Amérique Latine tout les matchs de cet Euro comme une révanche à l’endroit de l’Europe et de son boycott de flamme olympique qui vient de se passer quelque mois auparavant. Je sais une chose, j’ai peur de la Chine et de ses produit mais c’est surtout l’Europe qui a peur d’elle et est incapable de faire plier cette grande nation de l’empire du milieu aussi serais-je totalement du côté de la Chine . Connaissez-vous une entreprise Suisse (où se tient l’euro 2008) de fabrication de ciment dénommé Holcim chez vous? Ici à Madagascar cette entreprise n’a céssé d’augmenter le prix de ses produits de cinq fois plus chère qu’il y a six ans mais qu’elle vient de baisser les prix de 10 à 15% parce qu’une société chinoise vient lui concurencer partir du mois suivant. Ceci pour vous dire que l’Européen aussi est très avide d’argent et que le monopole de quoi que ce soit (et même de retransmission en direct d’un match de football) n’a de bénéfique qu’à celui qui le detient.
Autre chose, parce que les télévisions nationales africaines ne peuvent pas se permettre de faire le ‘pirate’. J’appelle à la désobeissance civile de1 cette manière suivante: que tout restaurant, bar, salle de jeux ou salle vidéo de toute l’Afrique sub saharienne fassent promotion auprès du public qu’ils ont la télévision satellitaire et qu’on pourrait suivre chez eux sur écran géant ou sur écran (de) très large (dimension) toutes les retransmissions en direct de l’euro et que tout pouvoir public ferment les yeux de tout acte illegale de ces rétransmissions auprés du public. Pourquoi nous laisser à notre faim? Peut être que l’Européen sait pertinemment que l’Africain ne pourrait plus se passer de leur rencontre sportive mais il veut séparer le riche du pauvre. Peut être que l’Européen ne veut plus du football comme un sport masse mais un sport typiquement européen et réservé aux riches. Maintenant j’ai des soucis que même si le mondial se passera en Afrique en 2010, l’Africain n’aura droit de rétransmission que de l’ouverture et de la finale de cet evenement sportif. Autant agir dès maintenant!
Ahoana isika eto Madagasikara? Aiza avy ny toerana ahafahana mijery ny fampitana mivantana ireo lalao rehetra ireo e? Mbà milazà ry zareo a!
Efa nanoratra teto aho fa handray anjara amin’ny hetsika
“Ndao hihazakazaka” (Alahady maraina ningitrika fiangonana sy sekoly alahady).
Mazava loatra fa nahita ny ankamaroan’ny zava-nitranga tamin’io hetsika io aho.
Marihina fa raha ny fandraisana anjara aloha dia tsy 15 000 fotsiny ireny
fa mihoatra be (mihevitra aho fa manodidina ny 30 000 ireny satria maro
loatra koa ny tsy nahazo tapakila intsony no nandray anjara hatrany). Eo
amin’io lafiny iray io kosa aloha dia fahombiazana tanteraka ny hetsika. Maro
aza ireo orinasa no tsy niraika loatra tamin’ny tsy fahazoana tee-shirt izay
tantara manokana amin’ity hetsika ity. Izahay indray, satria mpiara-miasa ihany
koa no nifanentana tsy niaraka tamin’ny debadeba, nanadino nitondra
sora-baventy na tsy nieritreritra hikarakara izany mialoha (tsy nisy sampana na
tompon’andraikitra tamin’ny serasera sy na dokambarotra tsinona niaraka
taminay)...
Faharoa manarakaraka izany, mialoha ny hidirana amin’ny
resaka somary mangidingidy kokoa, dia nampihomehy ihany ny mahita ilay
hazakazaka niato teo amin’ny hidin-dalam-by Ampefiloha satria nisy
fiaran-dalam-by mpitondra entana sy solika niserana tsimoramora. Tompon’ny
lalana tokoa angaha, nefa na izany aza moa tsy efa noeritreretin’ny
tompon’andraikitry ny Madarail ihany koa ve ny hisian’ity hetsika ity? Tsy hoe
feno dia feno tsinona ny fandaharam-potoana iasan’ny masinina araka ny
fahalalako azy.
Fahatelo, nisy sampana tsy nanatontosa ny anjarany
antsakany sy andavany tamin’ireo mpikarakara ny hetsika. Efa naverimberina
manko fa tokony ho tamin’ny enina ora maraina ny fizarana ny tee-shirt sy ny
laharam-pihazakazahana ho an’izay manana tapakila efa azo herinandro mialoha.
Maro noho izany ireo tonga mialoha ka nieritreritra fa izay tonga dia mahazo
avy hatrany ny anjarany sady tsy te-hisisika amin’ny taratara sady fantatra
rahateo ny tsy mbola fahaizan’ny Malagasy mandrindra zavatra loatra. Tsy tonga
anefa ny fiara mpitondra ireo zavatra tokony hozaraina raha tsy tamin’ny valo
ora latsaka fahefany, izany hoe adiny roa latsaka taorian’ny fotoana
nifanarahana. Ora iray sisa izany no fetra hizarana ny tee-shirt ho ana olona
15 000 araka ny nambara ombieny ombieny. Izany hoe tokony hahazara tee-shirt,
na zavatra hafa, 250 isa-minitra ny mpikarakara farafaharatsiny. Aoka aloha
holazaina fa efa maro tamin’ireo tokony hizara no tonga aloha ihany koa fa ireo
fiara mihitsy no tratra aoriana. Tsy mahatratra 100 anefa ireo mpizara ny
entana raha ny fanombanako azy (ahiako tsy hahatratra 50 akory aza). Noho izany
ankoatra ny fanamarinana kely madinidinika eo ampizarana dia tsikaritra fa tsy
ho voazara ara-potoana velively ireo zavatra efa nampanantenaina ny mpandray
anjara. Vokany, tamin’ny valo ora dia ravan’ny fifanosehana sahady ny
toeram-pizarana iray (tranolay iray amin’ny enina hitako teny an-toerana). Folo
minitra taorian’izay raha ela dia rava ihany koa ny toeram-pizarana roa teo
akaiky teo ihany. Rava avokoa izany ny fizarana telo teo anoloan’ny Instat. Ny
roa hafa kosa dia eo amin’ny sampanan-dalan’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ny
fanjakana sy ny Fitsarana Tampony (mbola eo ampanamboarana saingy efa manakaiky
ny fahavitana kosa).
Fahaefatra, aoka tsy hohadinoina fa tsy nisy resaka
mihitsy ny amin’ireo mbola te-hisoratra anarana tamin’io fotoana io ary efa
nilazana mialoha fa tsy hahazo na inona na inona intsony. Maro dia maro anefa
ireo olona ireo (sady tanora avokoa ny ankamaroany). Noho ny tsy fahampian’ny
serasera dia nifangaroharo teo ny filaharan’ny te-hahazo tapakila sy ny efa
manana tapakila fa miandry tee-shirt. Asa efa be angaha ny azo ka tsy
noraharahiana intsony ny vola hafa mety mbola ho azo.
Fahadimy, nampanantenaina ireo efa manana tapakila fa
rehefa tsy azony teo anoloan’ny lapan’ny fitsarana ny tee-shirt na zavatra hafa
dia eny Alarobia ny fotoana. Nampanantenaina ny rehetra fa tsy maintsy mahazo
ny anjarany avokoa ny rehetra fa tehirizina tsara ny tapakila. Nisy anefa ny
fifandraisana tsy nifankahazo satria samihafa tanteraka ny dikan’ny teny hoe
tsy maintsy mahazo ny anjarany avokoa ny rehetra sy ny hoe tsy maintsy zaraina
amin’io fotoana io avokoa ny zavatra rehetra. Teny an-dalana manko ireo fiara
mpizara zavatra (ilay kamiao mena io) dia efa nanapariaka tee-shirt tamin’ireo
mpijery maro teny an-dalana. Niahiahy avy hatrany aho fa endrika fanodinana ny
zavatra tokony hozaraina izao toe-javatra izao. Mbola teny an-dalana tsy nisy
olon-kafa niditra an-keriny tamin’ny fiarabe mihitsy izany. Nisy fiara madinika
izany niara-dalana (205 volombatolalaka) niara-dalana tamin’io fiarabe mena io
ary nanmpidinana tee-shirt maromaro teny ampandehanana mbola ho eny Alarobia.
Ry zalahy amin’io maro no be kibon’ny tee-shirt maro tahaka an’i Obelix
ara-bakinteny.
Fahaenina, hiresaka ny amin’ny mpizara indrindra ao
anatin’izany tantara izany. Misy ny manombana ireo mpizara ireo ho olona tsy
azo itokisana loatra ny fijery azy. Misy moa ny mahasahy mampitaha ireo mpizara
ireo amin’ny endrika mpangaro-paosy sy ny mpanendaka sanatria, amin’ny fomba
fitenin’ireo teo akaikiko manao hoe: jereo amin’ny endriny fotsiny fa raha ireo
no mpizara tsy mahagaga raha tsy voazara amin’ny tokony ho izy ny entana.
Masiaka loatra io teny io nefa mampandinika tokoa raha mahita ny ataon-dry
zalahy nitady ilay gidragidra tokoa. Raha iverenana manko ny nahatonga ny
faharavan’ny toeram-pizarana faharoa sy fahatelo nolazaiko teo dia nisy
tovolahy nampidina tee-shirt maromaro avy any ambonin’ny tafon’ny fiara ka tsy
ilay mpizara tao ambany no nandray azy fa ireo mpifandrombaka. Mazava loatra fa
voatery niala ilay fiara (mazda manga ilay tsikaritra any amin’ny sary hafa
ihany).
Fahafito, rehefa teny am-pahatongavana teny Alarobia.
Mbola tsy nisy na inona na inona vanona ihany. Eny amin’ny fiara ry zalahy no
mieriteritra ny hizara indray ny tee-shirt sy ny zavatra hafa. Nahavariana ny
fahamaroan’ny olona vao notazanina lavitra fotsiny. Maro manko ireo efa tsy
tafiditra intsony tao amin’ny kianjan’Alarobia satria hipoka tanteraka ny tao
anatiny teo akaikin’ny fiara mpizara. Indro fa niala niaraka tamin’ny entana
tao anatiny sy teny amboniny indray ilay mazda manga efa nitsoaka tery Anosy.
Ilay fiarabe mena sisa no tsy afaka ary dia raikitra ny fandrombaka. Mazava
loatra fa zara raha nahazara ny entana tokony ho nozarainy ny mazda manga
nolazaiko teo ambony ihany. Namana iray teny an-dalam-podiana no nilaza tamiko
fa nanipy vitsivitsy teny an-dalana io fiara mazda manga io sady nirifatra
ihany. Amiko manokana entina ialana bala iny hilazana fa nizara ihany koa izy
teny an-dalana.
Fahavalo, zavatra iray saiky adino. Teny an-dalana dia
misy ireny rano zaraina amin’ny mpihazakazaka ireny. Nolazaina fa ny ‘Eau vive’
no mpanohana ofisialy amin’ny fanomezan-drano. Be loatra tsy araka ny
nampanantenaina ve ny mpandray anjara fa tamin’ny fizaran-drano telo voalohany
hitako dia tsy misy rano zaraina intsony rehefa nandalo teny izahay. Nisy moa
ny niteny fa tsy eau vive intsony no nozaraina fa rano vao natsakaina ilay izy.
Nisy aza ny nahasahy nilaza (mety ho noho ny lonilony koa) fa rano efa masiso
no nozaraina tamin’io fotoana io. Satria moa izahay efa tsy nahatratra rano
intsony nefa izahay amin’io afovoamboan’ny fihazakazahana dia nividy eau vive
teny amin’ny mpivarotra tompoko.
Fahasivy, mikorontana ihany ny serasera ny ampitson’ny
toe-draharaha. Efa nisy ny fialan-tsiny natao tamina fahitalavitra iray
nataon’ny mpikarakara (media consulting) fa tsy mbola nahazo alalana hizara ry
zalahy nefa dia nanao be loha. Maro tamin’ireo tsy te-higidragidra teny Anosy
na Alarobia manko no efa nanapa-kevitra (noho ilay fahitana ny fiara mazda tsy
nahazara ny entana ohatra) fa hankeny Ankadivato misy ny foibeny miaraka
amin’ny tapakila. Tsy maintsy valinteny fialana no azon’izay mankeny toy ny hoe
mbola eo an-dalam-pivoriana izao sy ny hoe tazonin’ny fivondronana ireo
tee-shirts maro tsy voazara tany amin’ny fiara. Raha ny hoe mbola mivory
handinika izay hatao efa mahazatra ihany fa ny hanilika ny anjara eny amin’ny
fivondronana kosa efa zavatra hafa ny amin’izay.
Fehiny: Samy tompon’andraikitra avokoa ny rehetra saingy
heveriko fa niniana natao ilay tsy filaminana ahafahana manodina entana maro
araka izay azo natao. Hitako mivantana, kaofy boay iray hita fa mpikotrana
satria bokony dia bokony avy any ampifandrombahana tany mitondra tee-shirt efa
tsy latsaky ny folo, ny sigara (tokoa ve sa maoly?) amin’io tsy miala eny
ambava mihitsy. Mety ho tsy nisy sahy nikitika ranamana na dia ny mahita azy
fotsiny aza. Lazaiko etoana fa nalain-dry zalahy tao amin’ny mazda manga avokoa
ny ankamaroan’ny entana nentiny raha sahy milaza any amin’izay anaovana tatitra
izy fa voazara avokoa ny nentiny. Asa manao ahoana re izao ny hamaroan’ny
tee-shirt ‘Ndao hihazakazaka’ amidy eny an-tsena amin’izao fotoana izao? Izay
nahazo teny Alarobia aloha dia ny Be sandry ihany no nahazo sy ireo nahasahy
nandroba tany amin’ny fiara fizarana ny entana.
Tee-shirt ve no nihazakazahana? Misy ny mitsikera fa
matin-kani-kely ny malagasy raha ny tee-shirt no niadiana. Ambara fa mariky ny
fahantrana ilay fandrombaka nifanaovan’ny olona tamin’iny fotoana iny. Isika
angamba no tsy mba zatra loatra ny mametraka fahatsiarovana amin-java-dehibe
iray ankoatra ny sary. Nisy tamin’ireo te-hifandrombaka no tsy te-ho bedin’ny
any an-trano satria ny fananana ilay akanjo no marika ahafantarana fa tany
tokoa ny tena ary nihazakazaka tokoa. Ny tsy nahazoana mari-pahatsiarovana
nampanantenaina noho izany dia mahatonga ny saina hieritreritra fa niodina
fotsiny ny tena ka ny ‘Ndao hihazakazaka’ no nentina nialana bala. Io lafiny io
no tsy mba nosain’izay nitsikera fahatany amin’ny fandrombaky ny nanao izany.
Hita ihany rehefa fotoan-dehibe toy ny lalao lehibe ireo manao satroka taratasy
(cotillons) misy soratry ny lanonana na hoe Barea na Ajesaia na Rossy saingy
matetika dia amin’iny andro iny dia mety ho potika ireny satroka taratasy
ireny. Heveriko fa karazany saiky sambany ilay mari-pahatsiarovana saiky
nozaraina saingy indrisy moa. Amin’ny manaraka aleo amidy ny
mari-pahatsiarovana mba hialana amin’ny fifandroritana fa tssy tokony atao
lafobe tahaka ny tamin’ny lalaon’ny nosy izay fanararaotana tafahoatra kosa.
Ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe : Ndao hihazakazaka gidragidra notadiavina dia efa vonona tokoa ary efa nihafiana nalefa tamin'ny alalan'ny moov anaty ora feno (izay lafo be) saingy rehefa tonga teo amin'ny minitra faha-16 nanokatra blaogy.com fotsiny dia tapaka ho azy ny connexion, fatiantoka iray lavaka. Rahalina na rahampitso angamba iny no mivoaka raha tsy hoe lany ny fahana.
Fa hiresaka Barea kely na dia tsy nanatrika teny aza ny tena. Efa fantatra fa nanao ady sahala tamin'ny favori aloha ny ekipa. Nahafinaritra ihany ny lalao satria nifandanja ihany noho ny ezaky ny tsirairay. Ny tsy maintsy lazaiko satria tsy hisy hiresaka loatra sady toa tsy azon'ny maro eto an-toerana mihitsy.
Tsy hita akory manko izay fiovana teo amin'ny toerana ipetrahan'ny mpijery. Tsy mahagaga raha mila vaniny araka ny fitenin'ny gazety ny solontenan'ny FIFA nefa zavatra takiako ihany koa io. hita manko fa raha 24 000 eo ho eo no fenitra amin'ny isan'ny mpijery dia mbola azo tombanana ho 30 000 eo ho eo ihany ireo tafiditra. Toa iniana atao mihoatra ihany ny tapakila nozaraina azo anaporofoana hatrany ny fitiava-kelin'ny sasany (iza io?) amin'ny sitrany ahay. Tsy voahaja indray manko ny lalan'ny mpandeha izay efa natao loko hafa mihitsy.
Ny gasy ve no tsy mety manaiky fandaminana sa ny tokony handamina no tsy miraika loatra hanaja ny fenitra?
Mionòna mionòna ialahy ry mpitia baolina Malagasy fa izay kely azon’ny Afnex omena an’ialahy ihany no sisa arahin’ialahy mivantana. Zara aza ialahy nomeny baolina valo hojerena amin’ity euro 2008 ity ka ampahaefatry ny famaranana ny roa, atsasaky ny famaranana ny iray ( fa maninona no tsy izy roa e?) ary ny famaranana ny iray. Zara aza ialahy nahita ny lalao fanokafana androany alina iny dia amin’ny alakamisy 12 marsa 2008 hihaonan’ny Alemana sy ny Kroaty indray ny baolina manaraka.
Fa iza anefa no nilaza tamin’ialahy hoe aty amin’ny faritra mahantra Afrika Atsimon’i Sahara ialahy no mipetraka? Ahoana tsara hoe? Maninona raha mividy ny fitondrana Malagasy hanome fahafaham-po ny vahoaka tsy mandady harona? Oadray! Izy anie afaka mijery amin’ny TPS sy ny Canalsat e! Maninona raha mampiditra ny iray amin’ireo ialahy? Soa ihany aho fa tsy naka “congé” fa izany no fanaoko rehefa avy ny Euro na ny mondial. Sa ve hoe rehefa tsy hijery baolina aho rahampitso dia heverin’ialahy fa tsy tia baolina mihitsy aho? Ka raha tia hanaraka baolina mivantana anie ialahy mitantara ny Radio Nasionaly Malagasy e! Ahoana tsara hoe? Izay aloha e! Ny mijery no tena izy fa tsy itantarana.
Dia inona anefa no hataon’ialahy? Himenomenona fotsiny any ambadika any? Ka sahin’ialahy ve ny hitaky Euro eny Mahamasina rahampitso? Izaho anie ho’aho tsy ho eny e! Io tsy fahaizana mivondrona io ihany no mahavoa an’ialahy? Fa raha misy fihetsiketsehana (izay ho nofinofy tanteraka aloha eto Madagasikara) rahampitso mety ho heno ihany ny hetahetan’ialahy ka! Saingy ny vahaolana tsotra indrindra dia ny mitady akama manana TPS na Canalsat e! Izaho aloha tsy manana fa efa mahay mionona e! Zara aza nomeny baolina valo na dia tsy mahaliana loatra aza ny lalao omeny e! Foha! Foha! Ndeha matory fa tsiiiy iiiiiy! Ary tsy ramatoa no imenomenonana eo!