Tsemboka tsy fidiny Ravalomanana. Tamin'ny 7 ora sy sasany katroka dia nirehitra ilay sambo nandefasana ny afomanga tany Toamasina. HIta mivatana tamin'ny televiziona Nasionaly Malagasy izany. Nifarana tsy fidiny ny tany raha mbola nitohy kosa ny teto Antananarivo.
Azo lazaina hoe tsara vintana ihany aho satria tamin'ny fotoana niseranako vetivety teny Analakely no nifanenako tamin'ny mpanao diabe avy nitety faritra maro teto Antananarivo. Nanaraka ny tena ny fakantsary ka dia zaraiko aminareo izay kely nopihina ho fanampin'izay efa hitanareo any ambadika any.
Ny Ben'ny tanàna izany manao malabary manga hitantsika izany.
Tahaka ny tsy mahazatra tokoa izany mahita soavaly milahatra eny Analakely izany.
Jejojejo ery Ikalakely mandihy! raha mba fantany manko fa mety ho hita manerantany ny sariny?
Tokony ho hitanareo fa sady mandeha aho no manapika sary noho ny asa aman-draharaha tsy maintsy vonjena. Ny sary hafa rehetra dia azonao jerena eto amin'ny fetymozika08. Dia mazotoa mijery ary isika rehetra e!
Fantatsika fa handray ny fivoriana faratampon'ny Firaisambe Afrikana i Madagasikara amin'ny taona 2009 ho avy io. Efa niahiahy ihany ny be sy ny maro hoe ho vita ara-potoana avokoa ve ny fotodrafitrasa handraisana izany Vovonana izany, sao dia zara fa vita ara-potoana toy ny tamin'ny lalaon'ny Nosy tamin'ny herintaona indray. Etsy ankilan'izany te-hifanala hazakazaka amin'ny TGV koa ve ny filoham-pirenena sa hanome toky ny rehetra fa vitantsika ny mandray io fivoriana io. Mety ho nahatezitra ny filoha Ravalomanana mihitsy koa angamba ilay teny hoe sao dia tokony ahemotra na foanana io fivoriana io ka porofoiny fa azo vitaina mialoha tsara ny fotoana ny zava-drehetra. Indro ary fa notokanana androany maraina ilay toeram-pandraisana ny fivoriana midadasika dia midadasika eny Ivato. Ny filoham-pirenena mihitsy no tonga nitokana izany trano lehibe manana ny anarana amin'ny teny ofisialin'ny Repobilikan'i Madagasikara hoe CENTRE DE CONFERENCES INTERNATIONALES DE MADAGASCAR ary ialana tsiny raha misy diso tsipelina noho ny tsy fifehezako tsara io teny ofisialy iray io.
Ankoatra ity trano lehibe fandraisana ny fivoriana notokanana androany 19 jona 2008 ity moa dia efa andalam-pamitana azy ihany koa ilay trano fandraisam-bahiny raitra dia raitra manana ny laharana kintana dimy eo akaiky eo ary haorina ihany koa ny villa s miisa 49 handraisana ny filoham-pirenena sy filoham-panjakana hanatrika izany fivoriana faratampony izany. Manome toky ny Shinoa fa ho vita ara-potoana avokoa ireo fotodrafitrasa rehetra ireo. Na ahoana tokoa na ahoana dia nahavita nanangana fotodrafitrasa maro ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny mandritra ny fotoana itondrany sady efa mahafinaritra sahady ny mijery indray ny lapan'i Manjakamiadana tarafin-jiro amin'ny alina tahaka ireny hoe efa vita sahady ireny koa ilay izy. Na dia azo sokajiana ho tery eo amin'ny fahalalaham-pitenenana sy fanehoan-kevitra aza izao fotoana itondrany izao ary mampitsangana vondrona mpandraharaha hanohitra fihoaram-pahefana ny fisamborana ny vadin'i Jeannot Le Quartz dia efa nahapetraka zavatra holovain'ny taranaka izy.
Misy karazam-baovao tsy aritra moa ireto ka dia ampitaina aminareo ihany sao manko mbola tsy nisy ny nampita izany. Toa an'i New2dago kely indray aho aloha mandra-paha, eny fa na dia maro tamin'izay nosoratany aza no fikiriny avy amin'ny haino aman-jery kokoa.
Ny vaovao miverimberina indrindra amin'ny fampahalalam-baovao tazonin'ny fanjakana aloha amin'izao fotoana izao dia mampahatsiahy ny tamin'ny andron'ny revolisiona ary mitady haka tahaka ny ataon'ny Koreana tavatra mandraka androany. Ny lazana voalohany indrindra manko dia ny akon'ny dian'ny filoham-pirenena tany Japana. Mbola vaovao be io na dia toa heno sahady aza fa lasa any Zurich indray ny lehilahy. Tahaka ireny hoe tsy hahita tany intsony ireny ny lehilehy raha vao tsy mitondra firenena eo.
Manaraka sy mitohy amin'izany ihany dia mbola misy tohiny ihany koa ilay fampiofanana momba ny fahaiza-mitarika narahin'ny Ben'ny tanàna tany Iavoloha nandritra ny roa andro iry. Ny mpampiofana indray no mandeha isaky ny distrika, miara-miofana amin'ny Ben'ny tanàna amin'izany ihany koa ny mpitantsoratra isaky ny Kaominina sy ny lehiben'ny distrika. Na dia tokony ho zavatra iray ihany ary no lazaina ka hoe roa andro ny fiofanana momba ny fahaiza-mitarika sy ny fahaiza-mitantana dia tsy maintsy mitady zavatra lazaina ny isaky ny distrika andalovan'ny fiofanana. Vokatr'izany, tsy misy zavatra azo sintonina loatra tamin'ny vaovaon'ny rnm androany alatsinainy atoandro nandritra ny atsasak'adiny. Azo nafohezina ho filazana telo miniotra ihany anefa io miaraka amin'ny fanononana ny distrika nandalovana dia ampy raha tsy maintsy nolazaina ilay vaovao (noho ny volabe laniana aminy?).
Vaovao fohy indrindra nefa nanintona tanatin'izany ampitampitao "naverina manontolo" izany ny filazan'ny rnm fa nitokona ny mpanadina BEPC taranja fanatanjahantena tao Antananarivo Avaradrano izay tokony hifarana amin'ny alarobia ho avy izao. Ny anton'ny fitokonana dia fitakiana ny "vacation" ny fitsarana BEPC tamin'ny taona 2007, efa herintaona izay. Hay ve miteny izany ihany ny rnm, hoy aho, nefa tsy reko tamin'ny fampahalalam-baovao hafa io tamin'io atoandro io.
Vaovao hafa indray dia malaza any amin'ny faritra sasany any fa ny fanalavana ny BAREA dia hoe Bandin'i (na Baolin') Antananarivo REnivohitra sy Antsirabe, ny antony dia noho ny ekipa mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy amin'ny baolina fandaka izay avy amin'ny ligin'Analamanga avokoa ary miampy iray izay Akademia Ny Antsika (Antsirabe). Tsy ity akory ilay zavatra mahasosotra na mandrangitra efa nampiomanako ny mpamaky ny bolongana fa ho avy miadana eo ihany izy.
Gaga dia gaga aho nahita ny karapanondroko rehefa avy nijery fandaharana iray tamin'ny fahitalavitra aho. Izay nanamboatra kara-panondro folo taona eo ho eo izay dia tratra avokoa. Inona hoy ianao? tsy misy fitomboka ho'aho ny sary amin'ny kara-panondro e! satria manko karatra sarotra alaina tahaka izy ity dia tsy maninona ve raha tsy nasiana fitomboka ny sary? Inona ny manakana ahy tsy hanova ny sarin'ny olona eo raha te-hanao hosoka aho? saingy tsy hanao izany aho aloha noho ny fitandroako ny fahamarinana.
Izao aho manontany anao: Jereo koa hoe ny kara-panondronao? Tsy voalazan'ny lalàna hono hoe tsy maintsy asiana fitomboka io. Dia lasa ny saiko manao hoe lalàna dia mamporisika hosoka koa izany lalàna malagasy izany. Ovay avy hatrany fa mampidi-doza... Etsy ankilan'izany dia nampanaovina sonia fanindroany hatrany aho rehefa maka vola any amin'ny banky kahoy aho hoe sao tsy matoky ny kara-panondro intsony koa ary ity banky misy ahy ity?