Efa nataoko tsipalotra teto androany maraina fa miandry ny tohin'ny fihetsiky ny filoha Ravalomanana ny vahoaka eto Antananarivo. Namaly tokoa izy ka nanao fitsidihana an-tsisitsisiny tany amin'ny faritra tena tra-boina ary teny Andohatapenaka no nandehanany sy teny amin'ny fasan'ny Karana (fa fasana ahoana aloha io e? fandoroana anie io fa tsy fasiana ny maty na fandevenana e?). Efa dingana tsara izay satria manjary araka ny fitenin'ny mpanohitra tokoa hoe "fihantsiana" raha tsy nanao io fihetsika io izy. Dia mety ho avy indray ny sary ifanaikaikezan'ny filoha Ravalomanana sy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina samy manao akanjo hoditra mainty. Satria samy teny ry zareo ary nomena anjara fitenenana ihany koa aza.
Ny mety ihavian'ny tsikera dia ny fanomezana izay mitovy amin'ny kaominina hafa ihany (100.000.000ar) ka ilazana hoe mba tsy mitovy ihany anie ny isan'ny tra-boina. Fa efa misy aloha izay na dia mitady ho haro-tabebaka izany aza ny fomba fitenin'ny filoha indraindray amin'izao fotoana izao. Ny ahiako indray satria ny entana atolotra ho fanomezana ankoatra ny an'ny firenena hafa sy ny fiangonana Ortodoksa dia vokatra tiko no mibaribary amin'ireny zaraina ireny. Ahiako ho tahaka ny hiakatra indray ny vidim-bokatr'io orinasa io avy eo.
Manararotra hatrany raha mbola azo atao. Hiresaka ny eto an-toerana sy ny any ivelany aho. Ny eto an-toerana aloha: Andrasan'ny maro mangina ny mety ho fihetsiky ny filoha Ravalomanana manaraka. Toy ny karazana "rehareha" mihitsy manko ny nahamaika azy hakany Toamasina mba hanome ireo fanampiana tsy fantatra intsony na avy amin'ny tenany manokana na avy amin'ny fitondram-panjakana. Mifangaroharo eo ihany. Ny somary nanaitra kely manko dia ny nihazakazahanay nankany Toamasina nefa tsy tongany tao amin'ny Nosy Ste Marie fa ny praiminisitra no nalefany tany. Toa karazam-pihatsiana no ataon'ny filoha eo imason'Antananarivo tsy nifidy TIM tamin'ny fifidianana Ben'ny tanàna teo.
Ny manaraka indray raha mitodika any ivelany aho dia ity fitadiavan'ny mpanohitra any Pakistana ny tokony hialan'ny filoha Pervez Musharraf ity. Amiko manokana tsy mananjo hanao izany fitakiana fialana izany ny mpanohitra na dia nandresy tamin'ny fifidianana Depiote aza. Io fihetsika io no karazany manamafy fa mbola mila mianatra ny demokrasia hatrany ny firenena maro eto an-tany na mbola tsy mahazaka fiaraha-miasa noho ny fahazarana mifamingampingana ny aty amin'ny faritra ivelan'ny firenena tandrefana.
Ny hevitro momba an'i Kosovo indray. Hatramin'ny voalohany aho no karazany momba ny Serba amin'ity raharaha ity. Ny fomba nakana ny fahaleovantena manko dia jereko fa tsy izay loatra ny tanjona fa toa ny hikambanana amin'ny Albania. Tadidiko tsara fa nodradradradraina hoe ny an'i Albania i Kosovo fa tsy an'i Serbia. Ny tandrefana tamin'ny fotoana nitolomana dia niteny hoe "mpiteny Albaniana "Albanophone" fa tsy niteny hoe Albaniana tahaka ny amin'izao fotoana. Tonga dia ampidirina ao andohan'ny mpanara-baovao fa ireo mpiteny albaniana ireo no "Kosovara" fa ny Serba dia antsoina hoe "Serban'i KOsovo" tahaka ireny hoe mpanjana-tany ireny ireo Serba ireo. Ankehitriny mivandravandra amin'ny saina aderadera na dia miezaka ny manampi-maso aza ny tandrefana fa sainan'i Albania no ahofahofa. Toa tsotra loatra ny mamadika ny tany ho Albania rehefa avy eo. Fampiheverana hatrany fa ry zareo no tena Kosovara ary tsy raharahany ny mponina hafa lazaina fa "Serban'i KOsovo". Rehefa ny tandrefana tokoa no manohana dia manaiky avokoa ny sisa rehetra.
Oviana no hanaiky ny fahaleovantenan'i Corse ny frantsay sa noho ny Napoleon Bonaparte avy tao dia tsy ekena mihitsy izany hoe Tsy frantsay efa nitondra an'i Frantsa? Omeo fahaleovantena io NOsy io ary satria voajanahary mihitsy ny azy amin'ny mahanosy azy.
Tsy ela tokoa, fa raha niangavy ny hilazan'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ankehitriny mikasika ity fanendren'ny Prefen'ny Polisy ny sefom-pokontany ity mpikarajia sy ny mpikidaona maraina (mpiantso amin'ny telefonna isaky ny maraina andavanandro) dia nasaina manokana na tonga tao amin'ny filazam-baovaon'ny Viva TV izay azy ihany izy tamin'ny 8 ora sy sasany alina teo.
Tsy naharaka hatramin'ny voalohany aho fa dia niangavy izy, raha azo atao mba hisafidianan'ny olona ihany ny sefom-pokontany. Nomarihiny manko tao anatin'ny resaka fa misy sefom-pokontany tsy hita intsony izay nalehany hatramin'ny nahalany azy izay ka nikatso avokoa ny taratasy ilaina ka mila ny soniany. Voalaza teo moa fa ity fanendrena ataon'ny prefen'ny polisy ity dia efa nokasaina ny 14 desambra 2007 (roa andro taorian'ny fifidianana ho ben'ny tanàna monja) fa izao vao nolazaina.
Manaraka izany dia nolazainy fa tsikaritra ho mahazo fanembatsembanana isan-kerinandro ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Voalohany ilay Raharaha solika (trosa) nampijanona ny fandraofam-pako iny. Noho ny raharaha solika tsy nisy teo iny dia efa nisy ny nanolotra gazoala 5000 litatra aloha, dia nisy 5000 litatra hafa ihany koa ary vao farany teo dia nisy nanome 2000 litatra. Faharoa indray ilay resaka Jirama izay nanana ny akony manokana sy nampivadika tanteraka ny hevitry ny maro momba ny ataon'ny fanjakana foibe. Nanangana fahavalo ho azy izy ary maro tamin'ny mpanohana aza no tohina ihany koa. Taorian'io tranga io dia tsy nisy firy intsony ireo nitondra tee-shirt Hery Rafalimanana. Ny fahatelo indray moa dia ity fanendrena sefom-pokontany tsy misy fifidianana ity. Ny fahaefatra angamba ANGAMBA dia tsy manaraka Can ny mpijery baolina malagasy satria amin'ny herinandro izy io no hanomboka sa inona re no azo eritreretina hafa?
Ankehitriny ary dia miantso ny malala-tanana rehetra ny Ben'ny tanàna hanao fanampiana ny tanàna satria tsy misy intsony ny vola hampiasaina. Hajoro na sokafana indray ny FAR (fanampiana an'Antananarivo Renivohitra). Toa filazana ankolaka fa efa mivonona ny tsy hahazo ny anjara tetibolany avy amin'ny fitondrana foibe ny Renivohitry Madagasikara.
Misy moa ny niresaka fa midika zavatra be dia be ny nitsidihan'ny masoivoho amerikana sy maorisiana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Noho izany indrindra ve sa fifanandrifian-javatra ny nialan'ny filoha sasatra tany amin'ny faritra avaratra aloha dia izao lasa any Afrika atsimo izao. Tsy fitsidihana ofisialy manko ny andehanany any fa fitsidihana amin'ny anaran'ny tenany manokana (visite privé). Izay ahay Atoa filoha, malaza loatra any amin'ny takoritsika manko hoe ny hivoahanao lava io dia mikarakara ny orinasanao hatrany (mitady entana na akora hamidy eto Madagasikara) nefa ny volam-panjakana no ampiasaina amin'izany, siosio ihany izany fa tsy fantatra akory izay fahamarinany. Izao dia voalaza tsara fa dia mitsidika any Afrika Atsimo amin'ny anaran'ny tenanao manokana no andehananao any. Mba mazava kokoa ny resaka fa tsy hifampitsongoloka ambadika lava izao!
Araka ny efa fantatry ny mpanara-baovao dia androany maraina naroso tamin'ny 9 ora ny fifampiarahaban'ny mpitondra fanjakana amin'ny solombavambahoaka sy ny ny Ben'ny tanàna. Mazava loatra fa tany amin'ny lapam-panjakana Iavoloha no nanaovana izany fifampiarahabana izany. Dia lazaina mialoha eto fa teo amin'ny fitoerana voalohany no napetraka ny Ben'ny tanànan'Antananarivo mivady na dia tsy sisiny loatra aza izany.
Manaraka izany noho ny asa dia tsy naharaka tsara aho na dia te-hampita antsipiriany ny zavanisy tao aza. Misy ihany koa anefa ny tsikaritra tanatin'ny asa. Ny kabary re voalohany dia ny an'ny filohan'ny antenimieram-pirenena Atoa Jacques Sylla. Fifampiarahabana moa ka tsy maintsy firariantsoa no manjaka. Mazava loatra fa tiany hanandanja ny firariana "hiaina amin'ny fandriampahalemana" sy "hiasa anaty filaminana" ny vahoaka. Mitohy avy eo moa ny fampandresen-dahatra fa anaty fanatontoloana isika ka mifampiankina anaty sehatra iraisam-pirenena avokoa ny zava-misy rehetra, toy ny fiakaran'ny vidin'ny solika, ny fitsarana ady heloka bevava ary ny tany mihamafana.
Ny Praiminisitra avy eo no nikabary ka nilaza tsotsotra ny vitan'ny governemanta. Tao moa no nahenoana hoe nihena 38% ny tahan'ny heloka bevava raha oharina tamin'ny taona 2006. Teo koa ny filazana fa tafaverina amin'ny tompony ny 75%n'ny omby nangalarina. Teo koa no nilazana fa hakarina ho 60 000Ar ny fanampiana ho an'ny mpampianatra FRAM na mpampianatra iantohan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra ka mba manao fanampiana ihany koa ny fanjakana foibe.
Nanaraka ny kabary na anatin'ny kabary moa no nanateran'ny olombaventy sy solontenam-paritra isankarazany ny solombodiakoho. Anisan'ny nanolotra izany tamin'ny filoham-pirenena mivady ny Ben'ny tanànan'Antananarivo sy ny solontenan'ny isam-paritra. Narahina fanomezana santa-bary avy amin'ny isam-paritra 22 izany satria "ny akoho laoka ampiarahana amin'ny vary" hoy ny kabarin'ny filoham-pirenena. Miteny faritra ihany dia tsara ny milaza hoe nihofahofa teny amin'ny sehatra avokoa ny fanevan'ny faritra 21 (sarin'ny armoirie) fa ny an'ny Haute Mahatsiatra no "tsy misy saina" tsy nahatonga ny azy, drapeau no tiako lazaina hoy ny filoha izay. Ny tsikaritra hafa ihany koa dia ny nampitodihana tamin'ny mpanatrika ny osy iray rehefa hikabary ny filoham-pirenena. Kely ny hanin'ireny dia efa mahavokatra ronon be, hoy ny filoha nandritra ny kabariny.
Nandritra ny kabariny tokoa ny filoha dia nilaza fa be ny asa vita saingy be ihany koa asa miandry. Ny 75%n'ny malagasy manko no mbola mahantra. Nolazain'ny filoha amin'ny zay ny laharam-pahamehana telo hotanterahin'ny governemanta mandritra ny taona 2008. telo aloha hoy izy fa tsy valo.
1- Hampitombo ny harin-karena (fampandraisana anjara ny mpandraharaha sy ny mpanao asa tanana malagasy) satria tsy hisy fandrosaona izany raha tsy mitombo io harinkarena io.
2- Fanamafisana ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra.
3- Fampihenana ny fahantrana
Ny tanjona kendrena manko araka ny filoha dia ny hahatrarana ny harinkarena ho 7 na 8% any ho any. Avy eo moa dia nampitenenin'ny filoha hamelabelatra ny zavamisy ankehitriny ny minisitra Ivohasina Razafimahefa. Lavalava ihany io kabary fanavazavana io fa miaraka amin'ny tabilao sy voarakitra an-tsoratra moa ka tsy nahamonamonaina loatra. Ny nomarihana sady efa fantatsika ihany dia 580 000 000€ no azo tamin'ny firaisambe Eoropeana ary 700 000 000$ kosa indray no azo avy tamin'ny banky iraisam-pirenena hanatanterahana ny MAP. Ny faharoa dia raha 475 000Ar n harinkarena isam-batan'olona tamin'ny 2006 dia tafakatra ho 628 260Ar kosa izany tamin'ny taona 2007. Ny tahan'ny fahantrana kosa raha 80.0% tamin'ny 2002 dia nihena ho 67.5% kosa izany tamin'ny 2006, mbola eo ampikajiana fa mbola mihena io hoy izy.
Ary ny nomarhinia farany dia hisy fifaninanana ho an'ny Kaominina rehetra ka ny valin'ny fifaninanana dia holazaina amin'ny 10 novambra 2008 any amin'ny lapam-panjakana eny Iavoloha ihany. Asa mety mbola hisy hosoratana ve?