Efa herinandro mahery sahady izao no nitsanganan’ny governemanta vaovao mbola tarihin’ny praiminisitra Charles Rabemananjara ihany. Mba manan-kolazaina ihany aho ary mandre ihany koa ny fanadihadiana sy ny tsikaritra ataon’ny mpanara-baovao politika. Ny fahazoana toerana ahafahana mitantana rafi-pitondrana no mety ho sarotra ho an’ny maro fa mba mbola afaka maneho ny heviny soa aman-tsara kosa ny olon-drehetra manana fitaovana ampielezany izany.
(tohiny)
Maneho ny tahony indray ny solotenam-panjakana eto Antananarivo Renivohitra ka mihoa-pahefana (fandisoam-pitenenana ny teny hoe fanamparam-pahefana satria afaka manampatra ny zoko tanteraka aho raha ara-dalàna izany) omaly zoma.
(tohiny)
Fony tany am-pianarana moa dia nianatra ny tantara ihany koa ny tena. Fony vao nandresy ny Alemana tokoa, hono ny vondrona mpiara-dia no nizara ity firenena nanjakazaka saingy resiny ity ho efatra. Tsy izany ihany fa rehefa najoro ny Firenena Mikambana dia ireo Firenena Efatra ireo, ary nampian’I Shina taty aoriandriana, no nanana izany hoe vato tsy azo ivalozana na VETO izany. Iza Moa ireo Firenena efatra ireo? Etazonia, Angletera, Frantsa ary Rosia.
Manaraka izany dia misy ihany koa ireo manana ny laharam-pahamehana rehefa sendra fifanenana eny amin’ny sampanana. Misy koa ireny olona malaza ireny izay fanaja fatratra ka nomena ny fanafohazana anarana hoe VIP avy amin’ny teny hoe Very Important Person. Tsy izany manko fa manana ny antsoina hoe VETO sy VIP ihany koa I jentilisa. Azonao ve izay tiako lazaina?
Manaraka izany dia ny resaka 4X4 nomena ny depiote any Mandoto indray no malaza amin’ny ady hevitra amin’izao fotoana izao. Efa nankalazaina fatratra tamin’ny andron’ny fifidianana farany teo fa tsy mahazo 4X4 intsony ireo depiote ireo, kanjo asa na entanim-po ny filoham-pirenena na izay tokoa no ao an-tsainy fa dia omena indray izay depiote miasa ka efa mahazo avy hatrany ilay any Mandoto ity. Asa loatra, ahoana angaha no nahafantaran’ny filoha Ravalomanana fa miasa ity depiote vao nandray ny asany afak’omaly ity ka itsarany azy avy hatrany ho miasa.
Ny manahirana dia izao, ilay zo tonga dia nomena ny depiote teo aloha dia lasa araka izay itiavan’ny filoham-pirenena azy sisa. Raha misy tiany omena dia omena fa raha misy tsy tiany omena dia tsy omeny. Tsy mety izany fa fiandohan’ny fiangarana avy hatrany. Efa nisy ihany ny tsilia-tsofina fa nisy fiangarana mandrakariva tao amin’ny Antenimieram-pirenena tao amin’ny resaka tombotsoa tamin’ireo vao nahavita ny asany. Ilay kabarin’ny filoham-pirenena tany Mandoto iny indray no toy ny manaporofo aza fa avy aminy mihitsy ny loharanom-piangarana.
Nolazaina fa midadasika loatra ny faritra ka tsy ary ho voatety avokoa saingy izao, nandritra ny fampieleza-kevitra ianao nahavita ihany koa injay nony tena miasa ve dia mila izany 4X4 izany indray? Lasa ho amin’ny fireharehana sy fanjakazakana indray izany ny toeram-boninahitry ny depiote raha izany koa inona indray. Tsy nitana ny teny nomeny ny filoham-pirenena niteny fa tsy hisy intsony ny 4X4 ho an’ny depiote, ary dia ny fahalalana izay toe-javatra izay no nirotsahan’ireo lany rehetra ireo. Raha nisy izany ny fotoana tsara indrindra nanafoanana ity fandaniam-bola amin’ny tsy antony amin’ny resaka 4X4 ity dia tamin’ity indray mitoraka ity saingy tsy nahay nitazona izany ny filoham-pirenena. Indrisy…
Ataoko fa hitantsika amin’ny haino aman-jery ary an-tsoratra ny nahalanian’ny mpisolo vava J.H. Sylla, Praiminisitra teo aloha, ho filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao handimby an’Atoa Mahafaritse Samuel ilay nanoloana an’Atoa jean Lahiniriko noho ny finoana sy ny fihaviana misy itovizan’izy mirahalahy farany ireto (samy loterana sy samy avy any atsimo). Ankehitriny izany dia Katolika avy any atsinanana indray no lohan’ny fahefana mpanao lalàna efi-bahoaka. Marina fa raha eo amin’ny fihevitr’olona efa zatra miady hevitra dia tsy tokony ho kaonty intsony, na tsy resahina mivantana intsony izany resaka fihaviana sy finoana izany. Nisy lalana tsinjotsinjo ihany anefa raha tonga amin’izao tanjona izao ny lehilahy.
Fony vao nanomboka fotsiny ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka dia efa nisy nanamarika fa tsy maintsy ny lehilahy indray no ho filohan’ny Antenimieram-pirenena. Raha nojerena ihany koa ny kandidà rehetra dia tsaratsara toerana ihany Atoa jacques Sylla amin’ny hahatafiditra azy avy hatrany ho depiote. Vitsy ihany manko ny isan’ny mpifidy any amin’ny fari-pifidianana misy azy ary mijery Olobe ihany koa ny olona fa tsy voatery ho antoko amin’ny ankapobeny.
(tohiny)
Lamaody ve sa fiheverana fa izay no fomba tsotra indrindra hialana amin’ny halabato? Ambetintenin’ny avy amin’ny mpanohitra manontolo ka nakany mandrakariva ny fon’ny FFKM [Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara] hatrany ny momba ity bileta tokana ity. Savily hialana amin’ny tsy fananan’ny mpanohitra vola intsony araka ny fijeriko azy no tena antony hamerimberenana ity lazaina fa tsy maintsy tanterahina raha te-hahita ny mpanohitra handray anjara amin’ny fifidianana ny ao amin’ny fitondrana.
Dia sambany tokoa raha ho tontosa ihany vao hiray feo ny avy amin’ny fanoherana hiara-mitaky ny hampanaovana ny fifidianana ami’ny alalan’ny latsabato tokana fa misy ny lisitra maro isafidianana kosa. Raha nandre ny fanambarana aho dia tsy izay nolazain’ny mpitondra teny no henoko fa izay nanakoako tao anatiko tao fotsiny manao hoe:
Efa fantatrareo mpifidy fa tsy manambola intsony izahay mpanohitra hifaninanana amin’ny avy ao amin’ny fitondrana amin’io fifidianana ho Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ao amin’ny tanàna io ka dia aleonay tsy mirotsaka. Fantatrareo ihany koa fa sady tsy tianareo izahay mpanohitra no misy tsy zakanareo ihany koa ny ataon’ny ao amin’ny fitondrana ka izay no nahakamo anareo tsy hifidy tamin’ny farany teo. Dia mody nailakay fa efa tsy matoky ny fitondrana intsony ny vahoaka matoa kamo nifidy tamin’ny farany teo nefa fantatray fa izahay koa tsy itokisanareo intsony dia aleonay aloha mody midradradradra sao mahavoa ihany ny goavy manta.
(tohiny)