Ity lahatsoratra ity dia eritreritro manokana momba ny hoe fitiavan-tanindrazana ka raisiko ho raharaha manokana Ralaimongo. Misy zavatra tsy azoko tsara manko ny amin'ny antony nampidirana azy ho tia tanindrazana nefa tsy reko loatra ho niady ho amin'ny fahaleovantenan'i Madagasikara izy. Ny notakiany dia ny hanaovana ny teratany Malagasy rehetra hizaka ny zom-pirenena Frantsay, mba hitovian'ny Frantsay sy ny Malagasy eo anatrehan'ny lalàna sy ny fitsarana amin'ny zo rehetra.
Fony aho namaky ny tantara dia karazam-panesoana ny Frantsay mpanjana-tany na mpiasam-panjakana miseho ho manambany Malagasy no tena fanaony, vasohany hitam-bahoaka ireo mpiasam-panjakana manindry fiteny any amin'ireny biraom-panjakana ireny. Ny tena nahatonga saina aho tampoka dia ny anaran'ny fikambanana nisy azy ho Ligy Ho amin'ny Fizakan'ny Malagasy ny Zom-pirenena Frantsay. Endrika fitiavan-tanindrazana tamin'izany fotoana izany tokoa ve no notakiany?
Inona no nampidirana azy ho ao anatin'ny Tantaram-pirenena ho Maherifo? Noho izy nitaky ny fitovian-jò ve fa tsy ny fahaleovantena? Raha tontosa tamin'ny andron'ny Krizy lehibe tokoa (1929-->)ary ny fitakiany ka nizaka ny zom-pirenena Frantsay ny Teratany Malagasy rehetra, moa ve nisy intsony ny fitakian'ny fikambanana hafa nolazaina ho tia tanindrazana? Ka sao dia maherifon'ny fitovian-jò no toerana misy an-dRalaimongo fa tsy maherifon'ny firenena malagasy?
Fa iza no tena nampiditra azy ho ao anatin'ny Tantara noho izany?
Efa tsy te-hiresaka adilahy politika intsony aho, fa tsy hanary ny resaka politikam-pandaminana sy fandalinana fotokevitra politika, saingy tsy avelan'ny toe-draharaha eto amin'ny firenena hipetrapetraka sy ho zary mpitazana fotsiny, na dia maharikoriko aza ilay izy.
Iray volana teo ho eo izay dia nisy ny zaikaben'ny fampihavanam-pirenena. Anisan'ny nivoaka tao, na tsy voatery arahina aza, ny fandravana ny andrim-panjakana rehetra ankoatra ny Filohan'ny Repoblika. Lasibatra manokana amin'izany fangatham-pandravana izany ny antenimieram-pirenena izay nampikoropaka ireo mpikambana tao anatiny sy nampanaovan-dry zareo valan-dresaka hitsipahana izany fikasana izany. Efa namaly ankolaka izany ihany ny tao amin'ny presidansa saingy tsy mbola maty lolo ireo depiote ireo. Manantomotra ny fisokafan'ny fotoam-pivoriana ara-potoanan'ny antenimiera indrindra io fotoana io ka alaim-panahy ihany ry depiote hivondrona.
Mifanindran-dalana amin'izany dia naka fanapahan-kevitra, hanaisotra ny hitsivolana nandidy ny fiambenana an-dRavalomanana amin'ny toerana manokana noho ny "fidirana an-tsokosoko" teto an-tanindrazana, ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nahatezitra tanteraka ireo nanongam-panjakana tamin'ny 2009 izany fanapahan-kevitra izany, satria ny fototra ijoroany voalohany tsy azon-dry zareo anaovana adivarotra dia ny famafana tanteraka izany anarana Ravalomanana izany amin'ny sehatra politika. Bala faharoa hiantefa any amin'ny filoha Hery Rajaonarimampianina ihany koa io fanapahan-kevitra io satria ilay tolona nimatesaka tamin'ny fiandohan'ny taona 2009 mihitsy no montsana tanteraka. Nanomboka teo dia napoapoaka fa fitondrana hvm-tim izao fitondrana mijoro izao rehefa hiara-miasa amin-dRajaonarimampianina Atoa Ravalomanana.
Tamin'ity herinandro mamarana ny volana mey ity anefa dia tontosa tampoka ny fivorivorian'ny depiote hanongana ny filoham-pirenena. Ny gazety vahiny mitabataba ny "destitution" moa ry mpanao lalàna sy ny eto an-toerana miezaka ny miteny ny "déchéance". Fa na "destitution" io na "déchéance" toa voahongana ihany no dikan'izany amin'ny teny malagasy fa tsy haiko loatra indray raha amin'ny teny frantsay. Ny niantefan'ny eritreritra voalohany raha vao tontosa ilay izy dia hoe ny Mapar no nitarika io fombafombam-panonganana io noho ny nanonganana ny Birao Maharitra voalohany nibahanan-dry zareo ny sehatra, ny nialàn'ny filoha tanteraka amin'ny fiarahana tamin'ny Mapar, ny tsy nahazoan'i Andry Rajoelina na olona hafa ao amin'ny Mapar ny toeran'ny praiminisitra ary ny nanomezana fahalalahana miriaria ho an'ny filoha teo aloha Ravalomanana. Nodradradradraina amin'izay ny taimbava hoe tsy mahay afa-tsy ny manongana ve no ataon-dry Mapar sy ny tariny. Tonga amin'izay ny fanaterana ny fangatahana fanonganana teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalapanorenana vao kepoka ny Zanak'i Dada fa hay anisan'ny nikononkonona mangina tamin'ny fanonganana ny filoha ihany koa ny Tim. Fa inona no nitranga?
Azo heverina fa mora takarina ihany ny fahagagana mahazo ny Olon-tsotra Zanak'i Dada satria raha ny fotokevitra amin'izao dia tsy tia ilay fanonganam-panjakana amin'ny endriny rehetra mihitsy izy ireo. Maharesy lahatra kokoa ny Zanak'i Dada ny hoe mitady fitoniana sy fahamarinan-toerana ara-politika ny firenena fa efa mijaly loatra ny vahoaka. Mandeha ho azy ny fanondroana ireo depiote Tim hita sary nanatitra dosie teny Ambohidahy ho mpamadika, nefa tsy nitsahatra ny hagagana rehefa re fa toa ny depiote tim rehetra mihitsy no nanaiky ilay fanonganana. Tsy manana eritreritra mihitsy ny Zanak'i Dada fa mety hiara-dia izany tim sy mapar izany, aleon-dry zareo aza ilay fiaraha-miasa hvm sy tim no lefitra kokoa fa tsy ilay vondron'olona nanongana ny olona notohananao indray no iarahanao. Hatreto dia vondron'olona tsy hanaiky ny fahalalahan-dRavalomanana izany Mapar izany ary tsy mbola nisy fitenenana avy amin-dry zareo fa avelany ho afa-maina fotsiny amin'izao ny filoha efa nahongany. Amin'izao fotoana aza moa dia esoeso no azon'ny Zanak'i Dada avy amin'ireo mpandrangitra avy amin'ny mpanohana an'i Andry Rajoelina. Mbola maro noho izany no mihevitra fa diso lalana sy diso paika Ravalomanana raha sioka tokana avy aminy no nanaovan'ny depiote tim ny latsabatom-panonganana.
Dia miezaka ny tena hamantatra hoe inona no ahasahian'ny tim hiaraka hanongana amin'ny mapar. Tsy mbola ananana ny antony fa azo atao kosa ny manombatombana. Voalohany, andro vitsy dia vitsy taorian'ny Zaikabe tim no nanaovana ny latsabato ary nisy ny nanoratra fa naroso io zaikabe tim io, ho fanomanana ny fifidianana kaominaly ho avy. Faharoa, mbola nanatontosa ilay teniny tamin'ny fotoana nahatongavany ihany Ravalomanana hoe tsy mahandry ny 2018 izy "hananganana firenena vanona". Fahatelo, tsy hahasahy handrava velively ny Antenimieram-pirenena Rajaonarimampianina, rehefa fantany fa tsy mbola hahazo ny maro an'isa izy, fa ireto vondron'ny nanongana ireto no samy manantena handrombaka ny fandresena raha hisy indray ny fifidianana depiote. Ny mahavariana dia tsy misy fanazavana avy amin'ny depiote tim hatreto ilazany ny antony nanaovany ny latsabato fanekena fanonganana, ka lasa mampihevitra fa mpanara-driandrano fotsiny ry zareo fa tsy tompon-kevitra. Hafa indray ny fandehan-javatra raha hoe hanangana antenimieram-panorenana tendrena fa tsy hofidiana Rajaonarimampianina, saingy amiko manokana dia tsy hahavaha olana velively izany antenimiaram-paorenana hotendrena izany, tsy maintsy ho lalampanorenana sadasada hatrany no hivoaka avy eo noho ny marimaritra iraisana. Raha avy amin'ny fifidianana kosa indray dia azo vinaniana ihany ny fotokevitra tian'ilay voafidy nandritra ny fandresendahatra nataony.
Eto dia miankina tanteraka amin'ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny tohin'ny raharaha. Ny tena manokana dia mihevitra fa azo tsipahina tsy amin'ahiahy ity fangatahana fanesorana ny filoha ity satria sady tsy lasa adala no mbola afa-mandeha sy afa-miresaka mitombina tsara ny filoha. Tsy maintsy manova fihetsika sy manova ny ekipa ny filoha raha tafavoaka amin'izao sedra izao, ho hentitra ary tsy hanao kinanga amin'ny fitantanana ireo orinasa tantanin'ny fanjakana na ananan'ny fanjakana malagasy petrabola ampahany betsaka. Mety ny fanapahan-keviny tsy handrava ny antenimieram-pirenena mba tsy hanisy menaka ny afo narehitry ny sasany, ary hitony tokoa ny toe-draharaha rehefa tsy mamaly fihantsiana amin'ny fihantsiana. Hitonitony ratsy araka ny fiteny moa izany fa tsy hoe handry fehizay tsy akory. Hatreto aloha dia miditra anaty savorovoro indray ny fiainam-pirenena ary tsy afa-bela ao anatin'izay ilay toekarena efa marefo dia marefo.
Jentilisa 28 mey 2015, amin'ny 01:05 a.m. ora eto Antananarivo.
Raha mahatsikaritra ny Malagasy mpanara-baovao indrindra ireo mpanohana an-dRavalomanana Marc dia misy karazan'olona mpamerimberina io fiteny io. Fomba fitenin'ny sasany amin'ireo lohandohan'ny mpisorona na akaiky ireo lohandohan'ny mpisorona amin'ireo heverina ho mpanohana io olona voatonona anarana io izany fanombohana fehezanteny izany hampandresena lahatra ireo sarambaben'ny mpanohana na hanapahana hatreo ny adihevitra amin'ny dingana manaraka tokony atao.
Hoy Ravalomanana hoe... Tahaka ny hoe nifampiresaka manokana ry zareo nefa tsy fantatra hoe taiza no nifampiresahana sady tsy misy finday ifampiresahana intsony any amin'ilay olona nolazaina fa niteny. Na iza na iza miteny toy izany dia karazany efa milaza mialoha sahady ny ao an-tsaiko ao hoe inona indray ny lainga holazain'ity olona ity? Tsy manana fomba hafa entina hanamarinana ny heviny sy izay tokony atao ireo karazan'olona ireo dia lazaina fotsiny ilay fanombohana fehezanteny.
Hoy Ravalomanana hoe... Tsy mandeha irery ny lainga fa misy tanjona ao ambadiky ny lainga apetraka mba handehanan'ireo mpanaraka ny mpomba an-dRavalomanana Marc any amin'ny lalana tsy izy mihitsy sy sarotra ivoahana ary natao hahapotika tanteraka ny lazan'ilay olona. Raha tsorina dia araka ilay fomba fiteny iray manao hoe "mampidi-kizo". Amin'izao fotoana izao dia ezahana fatratra ny hanadinoana tsimoramora ilay gadra atokan-toerana tsy avela hifandray amin'ny hafa.
Hoy Ravalomanana hoe... Ny mpamerin-teny matetika dia ireo efa manana toerana eo amin'ny fitondrana, na ao amin'ny iray amin'ireo andrim-panjakana ijoroan'ny firenena, tsy ilay toeram-boninahitra voalohany fa ilay eo ambanimbany kely eo. Mifikitra mafy amin'ny sezany, tahaka ny hoe votsotra io seza io raha vao tsy manao izay fitapitaka izay. Efa dridran'Ingilo anefa ilay fitenenana ka efa tsy mahataitra ny olona intsony, na izay koa no tanjona hoe tsy henoin'ny olona intsony izay lazain-dRavalomanana avy amin'ilay fanomboham-pehezanteny "Hoy Ravalomanana hoe..."
Hatreto ny teny farany nataon-dRavalomanana azon'ny rehetra hamarinina dia ny nandritra ilay valan-dresaka irery ihany tamin'ny fotoana nahatongavany teto Madagasikara. Tsy misy ny ankoatra izay. Famadihana tanteraka ny tolona ilay mbola mifikitra amin'ny fanohanana ilay fitondrana nefa fitondrana managadra sy manosihosy tanteraka ny zon'ilay olona nataonareo tohatra fiakarana hahazoanareo seza ny anarany. Tsarovy fa tsy noho ianao loatra no nifidianan'olona anao nandritra ny fifidianana fa noho ilay anaran'olon-kafa isaloranao. Mba hatraiza moa hatreto ny fifampiraharahana vitanareo tamin'ilay fitondrana mpanatanteraka efa zatra mametrapetraka sy mampiesona anareo? Fa dia inona loatra ny fifamatorana misy ao aminareo ao no dia mandrimandry manana aretina ianareo? Hiandry ny hanehoan'ny olona (mbola tsy miala amin-dRavalomanana) ny fankahalany tanteraka anareo ve ianareo vao ho taitra?
Hatreto dia fitakiana ny hamerenana ny fitsarana 7 febroary 2009 sy ny raharaha nialoha azy dia ny 26 janoary 2009 no takiako satria ao anatin'izany ny takian'ny filoha Ravalomanana. Tadiavina amin'izany fotsiny ilay hoe meloka tamin'ireo raharaha roa ireo ve izy? Tsy ilaina ny miampanga olona hafa ao anatin'izany fa ny ifandraisan-dRavalomanana amin'ny raharaha 7 febroary 2009 fotsiny no takiana. Dia takiana ihany koa ny itsarana an-dRavalomanana amin'ny raharaha 26 janoary 2009. Ankehitriny manko atao siosio tahaka ny "Hoy Ravalomanana hoe..." fa ilay fidirany teto Madagasikara lazaina fa "an-tsokosoko" ihany no itsarana azy.
Rahatrizay ka raha mbola ao anatin'ny fe-potoana azo ametrahana fitoriana ireo raharaha roa ireo, ka mivadika tampoka indray ny kodiaran-tsarety dia toriana amin'izay ireo olona nitarika ny hafa handroba sy handoro ny haino aman-jerim-panjakana sy ireo nitarika ny hafa hovonoina ao anaty fandriky ny araben'Antaninarenina manoloana an'Ambohitsorohitra. Tsy toy ny tamin'ny 1991 ny tamin'ny febroary 2009 ka efa nilazana mialoha ireo mpitolona rehetra fa hanao diabe hankany amin'ny Lapan'Iavoloha ka ireo mpitolona no mieritreritra na tokony handeha na tsia, fa ny tamin'ny 2009 nofitahana tamin'ny hoe hanafana ny fotoana hihira ao i Rossy. Ny sarambaben'ny olona no nofitahina fa ireo mpanentana ao amin'ny haino aman-jery tamin'izany fotoana izany no nampita ny hafatra miafina hoe "Operation Miraflorès". Fa inona ilay "Operation Miraflorès" na ataontsika hoe Bemidina Miraflorès? Lapam-panjakana iasan'ny filoha Venezoelana ny resaka ao ambadika ary ny raharaha nitranga tao tamin'ny 2002 no tena tiany hahatongavana. Tsarovy fa tsy adinonay ny tantara, raha raha tsy azonareo mpamaky moa ny tiako lazaina dia mety hanaovana lahatsoratra manokana ihany koa izany.
Jentilisa 1 novambra 2014
PS: toa efa nanoratra io Miraflores io aho fa mbola hokarohiko.
Nigadona teto an-tanindrazana omaly, tampotampoka, ny filoha teo aloha voahongana, Marc Ravalomanana. Samy baraingo ho an'ny rehetra ihany nandritra ny tontolo andro omaly ilay fomba fahatongavana fa efa misy tara-pahazavana kely ihany azo heverina hatramin'ny fotoana nanoratana.
Fantatra aloha fa tsy ho niafina ny nandehanany teto Madagasikara raha ny lafiny hoe toy ny mpangalatra ny nidirany teto fa tsy maintsy nisy firenena vahiny nandray anjara tamin'izany fampidirana azy teto Madagasikara izany. Raha raisina ny antsafa nifanaovan'ny filoha Ravalomanana tamin'ny mpanao gazety dia nisy ny filoham-pirenena saiky hanatitra azy saingy tsy nekeny izany fa izy tenany samirery ihany no tiany ho tonga teto. Raha raisina amin'izay lafiny iray izay dia azo heverina fa efa fantany tsara ny mety ho fomba rehetra hanakanana azy tsy higadona teto raha nisy ny filazana izany ankarihary teo imason'ny rehetra. Efa sosotra ihany ny tena tamin'ny Asabotsy alina raha nandre azy niteny hoe tsy ho ela intsony dia ho tonga izy, saingy hay tonga tokoa ranamana ny alatsinainy manaraka ny antso an-telefonina nataony. Tonga eto an-tanindrazana izy dia izay aloha aloha ny zavamisy, "eto aho izao!" hoy ny ambentin-teniny.
Efa fantatry ny rehetra ihany fa ankoatra ny tsy fahazoany ny pasipaorony dia tsy avelan'ny Fitsarana Afrikana Tatsimo hivoaka ny sisintaniny ihany koa ny filoha Ravalomanana noho ny fitoriana napetraky ny AV7 hoe nandripaka vahoaka izy. Tsy maintsy ho nahagaga ihany noho izany raha navelan'ny fitondrana ao Afrika Atsimo hody eto an-tanindrazana izy raha toa manana ny heriny ilay didim-pitsarana tsy mamela azy hivoaka raha tsy misy ny alalana manokana. Re (andeha atao hoe siosio) fa efa nakaton'ny Fitsarana Afrikana Tatsimo ity raharaha ity satria tsy nety nanome ireo singa fanamelohana ny mpitory ary tsy navela higadona eto an-tanindrazana ireo te-hanao famotorana ilay raharaha. Efa fantatra rahateo fa paika hitazonana azy tsy ho tafavoaka ao Afrika Atsimo io raharaha io ary niniana natao izay hampitarazoka ilay raharaha. Ankehitriny, re (siosio satria tsy manana fanampim-baovao ny tena!) fa nakaton'ny fitsarana tamin'ny herinandro ilay raharaha, tsy hay izay antony fa mety noho ny fiheverana hoe fitoriana tsy matotra satria tsy misy na inona na inona natolotra ary tsy misy na inona na inona eo ampelatanan'ny fitsarana ahafahana mampandroso ny raharaha ho any amin'ny fanadihadiana sy ny fotoam-pitsarana. Fotoana izany nohararaotina hanafainganana ny dia hodiana an-tanindrazana. Dia io izy tonga tsy nisy "fifampierana" io! Mariho hatreto fa tsy izao voasoratro izao no marina fa famakafakana avy amin'ny zavamisy fotsiny no atao.
Rehefa vita fotoana vitsivitsy moa ny antsafa nifanaovana tamin'ny mpanao gazety dia re fa efa nosamborina tamin'ny fomba mahery vaika ny filoha Ravalomanana, notifirina tamin'ny basy ny vavahadin'ny tranony hamohana azy. Notadiavina eran'ny trano izy ary nosakelehana sy nambanana basy rehefa nampidirina anaty fiara. Ny fandrenesana izany fitantarana izany dia ahatarafana fa tsy hoe fisamborana no natao, ary hatreto dia marina ny kabarin'ny filoha Rajaonarimampianina, fa fakana an-keriny, iny indray no tsy tafiditra anatin'ny kabary. Tsy nisy fotoana nandrenesana hoe :"Miangavy anao izahay hanaraka anay ianao!" na ny mifanahatahaka amin'izany fa dia ilay fihetsika voatantara teo no nalaza. Izay fakana an-keriny izay no nahatezitra ny maro, fihetsika tsy mendrika mihitsy, nefa ahatarafana sahady ny fihetseham-pon'ny mpitondra manoloana ity rangahy anankiray ity.
Raha vita ary ireo fihetsika ireo dia manao ahoana no tokony ho tohin'ny tantara, araka ny fahita hatramin'izay? Voalohany, raha tena resy lahatra amin'ny politikany fa tsy jamban'ny fitadiavan-tseza ireo vaventiventy tao aminy notolorana fahefana, indrindra fa hoe minisitra izy, dia tokony miala avy hatrany amin'ny governemanta tsy misy fifampierana, tsy mila fanontaniana na amin'iza na amin'iza. Manaraka izany ireo solombavambahoaka voafidy kosa tokony hanao fanambarana fa tsy ao anatin'ny sehatry ny fanohananana ny mpitondra intsony fa efa mpanohitra ny fitondrana noho ny fihetsika tsy mendrika natao tamin'ny mpitondrany. Ny ambiny, anjaran'ny tsirairay indray iny.
Na ho inona na ho inona dia maro no mitovy hevitra amin'ny fahasahian'ity filoha teo aloha ity nody na dia miandry azy aza ny didim-pitsaran'ny nandresy efa manameloka azy. Vitsy ihany no manana izany fahasahiana izany, satria efa hitan'ny rehetra ihany fa tezitra amin'izao fodiana amboletra izao ny ao amin'ny fitondrana. Sarotra ihany anefa ny hieritreritra fa tsy hisy tohiny ity raharaha ity ary efa niakatra ny soratra (amin'ny sarimihetsika) araka ny filaza fony tanora.
Jentilisa 14 oktobra 2014
Nisy namoaka ity taratasy misokatra ity tao amin'ny Facebook ka nihazakazaka aho handika azy avy amin'ny teny anglisy araka izay azoko natao satria mety mba ilain'ny rehetra ihany manko izany.
Andriamatoa mpitarika ny Movansa Ravalomanana
Andriamatoa Minisitry ny Fambolena
Ramatoa Hanitra Razafimanantsoa
Ramatoa Filoha-Lefitry ny Antenimieram-pirenena
Antananarivo
Madagasikara.
Bruxelles, 20 aogositra 2014
Ramatoa, Andriamatoa,
Voalohany, azonareo angamba fa taorian'ny vanim-potoam-pifidianana, dia tsy hampiseho ny anarako aho ary homarihako va ny ato amin'ity taratasy ity dia vokatry ny famotopotorana nataon'ny mpiara-miasa amiko rehetra. Gaga tokoa izahay raha nahita fa amin'ny maha-mpitarika ny movansy anao ka nahazoanao ny toerana maha-minisitra, sy ny toerana maha-Filoha-Lefitry ny Antenimieram-pirenena anareo, dia amin'ny fotoana ahitana trangan-javatra mety hampihozongozona ny sezanareo ihany ianareo vao miteny amin'ny olonareo.
Tsy azonay mihitsy hoe maninona ny mpitarika an-dalambe sasantsasany no tsy azo ekena intsony hiresaka ao amin'ny toeranareo farany tao anatin'ny dimy taona, Ny Magro
Ny mamela ny olona hiresaka no fototry ny demokrasia.
Faly tokoa izahay raha nanolo-tena hiditra ao amin'ny fitondrana vaovao ianareo hampandroso an'i Madagasikara, saingy efa fantatry ny rehetra fa fametrahana ny fanonganam-panjakana ho ara-dalàna fotsiny ity fitondrana ity. Koa raha te-hanangana fanoherana mahafantatra tsara ny zavamisy araka ny nolazainy ny tena mpitarika anareo, ary fototry ny demokrasia ihany koa izany, saingy mazava hoazy fa tsy hisy intsony ny tombondahiny sy ny tombontsoan'ny tena manokana. Nahoana no tamin'io fotoana io indrindra ianareo no nankao amin'ny Magro na nandefa solontena, hilaza ny mifanohitra amin'izany?
Malahelo izahay hilaza aminareo fa tsy manaiky ny tetipanoronareo manohitra ny mpitarika anareo izahay.
Ary ankehitriny, ho an'ny olona eny an-dalambe, tiako ny milaza raha misy ny olona ankoatra anareo mety hieritreritra mitovy aminareo, fa tsy afa-mitsabatsabaka ao amin'ny firenena izahay. Fantatray hoe inona no mitranga aminaeo ary manao izay rehetra azonay atao amin'ny fitaovana anananay izahay hanampiana anareo hanova ny toe-draharaha any Madagasikara. Saingy eo ampelatanan'i Madagasikara i Madagasikara na misy aza ireo olom-pahefana sasantsasany mieritreritra fa ho azony avokoa ny zava-drehetra.
Miangavy aza miraharaha ny fahadisoana eo amin'ny fitenenana teny anglisy izay tsy tenin-dreninay.
Avy amin'ny olompirenena eoropeana
P.S.: Raha hamaly ny taratasy misokatra, dia ataovy ao amin'ny kianjan'i Magro izany fa hisy ny hanao tatitra aminay.
Nandika kimaimaika i Jentilisa
...