Nodimandry tampoka i Zafihita (Rafilomena)

2007-09-29 @ 08:08 in Andavanandro

Araka ny tatitra nataon'ireo mpiray hatsikana sy mpiara-miasa aminy ao amin'ny kidaona maraina androany Sabotsy dia nodimandry halina ny namany mpanao hatsikana fantatry ny mpanaraka ao amin'ny TVM antsoin'ny maro amin'ny hoe Zafihita ary rehefa manao sarimbavy dia Rafilomena kosa. Banga iray indray izany ny ao amin'ny tontolon'ny hatsikana.

Tao amin'ny fandaharana tsikitsiky kely isan-kariva antsoina hoe torak'hehy no nahalalana azy voalohany teo amin'ny fiakarana sehatra. Iray amin'ireo mpanao hatsikana ao amin'ny fou hehy ( na foy hehy) izy no sady nanentana mihitsy. Nisy manko ny fotoana somary nahakivy ireo mpiray tarika aminy fa tahaka ny tsy tian'ny olona ny zavatra avoakan'izy telo mirahalahy. Izy no tsy sasatra mihitsy nitarika azy mirahalahy.

Ankoatra ny mahampanao hatsika azy dia miaramila no asa nolazaina ka mety ho marina tokoa aloha izany. Mpikabary ihany koa ny tenany na ankafaliana izany na ankartsiana. Efa nisy ihany ny niteny tamin'ny alarobia fa maty ny lehilahy saingy voahitsy ihany izany fa mbola nankany amin'ny dokotera izy. Kanjo moa dia lasa tokoa izy ity.

 

Ny mpanoratra dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana ary mampahery azy ireo manoloana izao te-javatra azo lazaina hoe tampoka ihany izao. Iangaviana izay te-hamangy mba ho any Ambohitrimanjaka avy hatrany fa tsy hakany amin'ny morgue intsony. Raha misy moa ny filazana hafa mila lazaina dia hotaterina eto ihany.

Aondrany avokoa...

2007-09-27 @ 10:47 in Toekarena

Hira nanana ny lazany tamin’ny fotoan’androny, nilaza ny zavamisy tamin’izany fotoana izany. Efa ho telopolo taona lasa izay, tokony ho efa lefy amin’izao taonarivo fahatelo izao, nefa dia mbola miverina amin’ny heriny indray ankehitriny ilay hiran’ny tarika Mahaleo namatrapatraka ny nataon’ireo mpanondrana ny harena voajanaharin’I Madagasikara rehetra, na avy anaty tany io, na ety ambonin’ny tany. 

 

Naseho sary tamin’ny televiziona, noresahin’ny rehetra, saingy indrisy tsy hitako, izany nolazain’ny televiziona Reinoney ho Emeraoda milanja 536 kg izany. Tao anaty vanim-potoanan’ny fifidianana indrindra no nipoitra io resaka io fa somary niandry kely vao nipoaka amin’izay. Natao fampirantiana tao amin’ny nosy akaiky tokoa manko io vatosoa io, izay nolazainy fa avy teto Madagasikara, ary nirehareha mihitsy ilay Shinoa nahazo azy.  Nangataka alalana hitondra azy any Shina manko ranamana saingy tsy navelan’ny fitondrana frantsay raha tsy mandoa ny hetra mifanaraka amin’ny sandan’ny vatosoa. Teo vao taitra ny rehetra. Nifanontany amin’izay hoe nivoaka an-tsokosoko io sa nivoaka ara-dalàna? Ary mba manao ahoana moa ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana? 

 

Voatery niditra an-tsehatra ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Donat Andriamahefamparany (hitantsika amin’ny gazety any izay nambarany), nilaza fa tsy nisy sora-pamoahana Emeraoda 536kg tany fa Beryl 536kg no hita. Nambara ihany koa fa raha Emeraoda dia tsy maintsy ny “Guichet unique” no manome alalana, fa raha beryl kosa dia ny sampan-draharaham-paritany ihany dia efa afaka mamoaka azy ary dia tany ilay orinasa no naka fahazoan-dalana. Nohazavaina manko fa tsy tafiditra ao amin’ny sokajin’ny atao hoe vatosoa sarobidy ny beryl fa vato fipaika fotsiny. Dia nanambara ny Minisitra avy eo fa asiana ny “contre-expertise” avy amin’ny minisitera na tena Emeraoda tokoa io vato io na beryl araka ny nosoratana tao amin’ny taratasim-pamoahana azy teny amin’ny seranana (nivoaka ara-dalàna soa aman-tsara ilay zavatra izany!). 

 

Nisendaotra indray ny mpikarajia. Raha tsy nidehadehaka nandraty ilay vatosoa izany ilay Shinoa dia vitavita ho azy tany ity raharaha ity? Hita mihitsy fa natao ho an’ny vahoaka tsotra ny Bianco fa tsy kitihiny mihitsy ny vaventy! Tampi-maso aseho ny mpamatsy vola iraisam-pirenena fotsiny ny nananganana io sampan-draharaha  anankiray io. Iza no nanao ny sonia? Iza moa no nampianatra ny Malagasy ny karazam-bato ka raha izay ve ny nolazain’ny nampianatra antsika dia ho sahy hanohitra izany isika? Sy ny karazany tsy ho tanisaina lava intsony. Mihevitra manko ny maro fa fanodikodinan-dresaka fotsiny ny tenin’ny Minisitra. Tahaka ny momba an’I Steeve Turmell izay tsy fantatra intsony ny misy azy amin’izao fotoana izao (nangina tsy miteny manko ny fanjakana ka mitaky ny misy azy ny gazety iray miteny malagasy). Tany amin’ny faraparan’ny adi-hevitra no nilaza ilay ramatoa fa iray karazana ihany [Be3Al2]ny beryl sy ny emeraoda, ary ao anatin’ny sokajin’ny beryl ihany koa ny emeraoda fa manana ny lafiny mahatsara azy kokoa. Hein! Hahita fialana bala indray izany ilay orinasa raha izany k’ty. Tsy nandainga aho, hoy izy fa jereo ny rakibolana. 

 

Ny hita tahaka ny Iceberg fotsiny io raharaha Emeraoda naranty tao La Réunion io fa mihevitra ny be sy ny maro ankehitriny hoe mbola aiza ireo tsara afina ny fanondranana azy. Fa ny azy, tokoa, ny valizy efa feno ny devizy. Eto ampamaranana miarahaba an-dRajiosy miditra amin’ny sehatry ny vohikala. Mahavità be!

PolitikamPamonoana ny Teny Malagasy Ataon'ny Fitondrana Malagasy ankehitriny

2007-09-26 @ 08:36 in Kolontsaina

Tsy honohono na tsahotsaho na fanahiana fa tena miditra amin’ny famonoana ny teny malagasy tokoa ny fitondrana malagasy amin’izao fotoana izao. Ny gazety midi madagasikara tamin’ny sabotsy 22 septambra no nanambara fa novorian’ny minisitry ny fitsarana sady mpitahiny ny tombo-kasem-panjakana ny tonian-dahatsoratry ny gazety mivoaka isan’andro vitsivitsy teto Madagasikara.  

 

Nambaran-dramatoa minisitra tamin’izany ary fa hamoaka didy hitsivolana ny fanjakana. Io didy hitsivolana io (dekre) dia hametra ny gazety hany mahazo ny tolotra avy amin’ny fanjakana rehefa mamoaka tolotr’asa na fanambarana avy amin’ny governemanta na fanambarana ofisialy rehetra avy amin’ny fanjakana.

Voalaza ao anatin’ny famerana ary fa tsy maintsy mahavoaka isan-gazety 10.000 isan’andro io gazety io ary tsy maintsy mpamoaka teny ofisialy roa fahafahakeliny amin’ny teny ofisialy telo ananan’I Madagasikara io gazety io. 

 

Hendratra aho raha vao naheno izany. Iza moa no tsy mahalala fa ny gazety hany miteny malagasy no tsy tafiditra amin’izany, nefa ireo gazety ireo no be mpividy indrindra isan’andro? Ny olan’ireo gazety miteny malagasy ireo anefa dia ny tsy mba ahazoany dokambarotra avy amin’ny orinasa rehetra mihitsy. Ny ankamaroan’ny dokambarotra rehetra manko dia amin’ny teny frantsay avokoa. Efa masaka ao an-tsain’ny orinasa ihany koa fa izay mpividy gazety amin’ny teny malagasy dia tsy mba mahatakatra afa-tsy iny gazaety iny ka vola very maina raha mitonantonana manao dikambarotra any. 

 

Dia ny fanjakana eritreretina mba hanampy ireo gazety teny malagasy ireo indray ity no vao maika mampivoitra izany fomba fisainana manao valalan’amboa ny teny malagasy izany. Nantenaina hanery ny hafa aza izy mba ho ny gazety mpiteny malagasy ihany no amoahana izay tian’ny fanjakana avoaka izay, zavatra aloa vola manko izany mba ho fanohanana ilay teny malagasy, nefa dia nivandravandra fotsiny aho sisa. Farafaharatsiny mba ho ohatra halain’ny rehetra tahaka nefa dia nanara-driandrano tahaka ny deba rehetra ihany. Tena adala aho izany miezaka mandika teny isan’andro ilay sehatra iraisam-pirenena Global Voices noho ny fitiavana ny teny malagasy fotsiny. Adala aho izany raha eto amin’ny vavahadiben’ny blaogy.com no mamoaka lahatsoratra ihany koa na dia misy mahafinaritra aza any an-kafa any.

Dia tsaroako tato anatiko indray ny tononkalo navoakako efa folo taona mahery lasa izay ary avoakako ho hitanareo rehetra anio: 

 

Ny azy sy ny anao 

 

Dia noraisinao ho adidy

Ny nisafidy

Rehefa nolanjalanjainao

Ny vidin’ny azy sy ny anao 

Ny azy no dradrainy

Ho tena ilaina

Sy antenaina

Hampivelatra ny saina

 

Ny anao ny misoko

Dia tenim-poko

Tsy notinoky

Hamoky fahendrena 

Ny azy no sahaza

Satria tsy misy ny toa azy

Sady io no fampiasa

Eo anivon’orinasa 

 

Ny anao tsy naranty

Fa nasahato

Mbola velona efa maty

Satria fiteny lany daty 

 

Ny azy no isasarana

Ianarana

Hanome fiadanana

Raha itoeran’ny fitiavana 

 

Ny anao hatramin’izao

Tsy tiana hihavao

Sao

Mandiso indray ny safidy natao 

 

Ny azy no nomena

Ampandresena

Eto amin’ny firenena

Ho mariky ny fahaleovantena 

 

Ny anao ampandeferina

Ka menomenona

Ny iny tokony aherina

No hany averimberina 

 

Ny azy anefa no kendreny

Mba ho fiteny

Iresahana ombieny

Na dia efa antitra aza 

 

Ny anao no tian-kavela

Ho rakitry ny ela

Ka nony toy ny rova may

Vao milelalela ny tahaka izay 

 

Ny azy mihamahery

Mihabe voho

Ny anao mihavery

Satria valalan’amboa 

 

Ny azy izay tratra

Ny hareny

Ny anao mihamahantra

Mahonena 

 

Jentilisa, nosoratana tamin’ny 19 desambra 1995

 

Ny fanafintohinana momba ilay emeraoda milanja atsasa-taonina teto Madagasikara hita tany La Réunion izao no maresaka teto amin’ny tanàna androany.

Aza mimenomenona

2007-09-25 @ 08:24 in Politika

Samy tezitra dia mifanome tsiny ny mpikarajia tamin’ny vokatry ny fifidianana farany teo iny. Fifidianana izay ho solombavambahoaka manaraka indray. Raha nisy olona iray nimenomenona tamin’ny zava-misy andavanandro, ka nahateny “tsy nahy” fa tsy nifidy noho izay fahasahiranana izay, dia nisy namaly izy hoe “aza mimenomenona rehefa tsy nifidy”. Kanjo nisy namaly ihany koa io olona farany io…raikitra amin’izay ny fifanakianana…amin’ny fomba mihaja ihany satria imasom-bahoaka tsinona no iresahana amin’ny alalan’ny haino aman-jery…eo amin’ny nifidy sy ny tsy nifidy. 

 

Teto dia tsy ny mpanohana sy ny mpanohitra no nifanjinja fa ny nifidy sy ny tsy nifidy kosa. Mariho tsara fa ny nandrotsa-bato tamin’iny fifidianana farany teo iny dia 25% ihany fa ny 75% tsy nandeha sady tsy nivonona ho amin’izany rahateo. Tsy tahaka izany kosa teo amin’ny amin’ny karajia fa tena nifanahantsahana mihitsy. Samy namoaka ny heviny. Raha, ny maro an’isa fotsiny no jerena ka mody atao hoe manaraka ny marina dia diso izany ireo izay nifidy. Misy ny miteny hoe leo tanteraka amin’ity zavatra mitohy ity nefa ny eo ihany no eo fa tsy misy fiovana.Izany hoe eo imason’ny nifidy dia manana ny rariny ny fahakiviana sy ny tsy firaharahiana. Nefa ireo ihany no miteny fa giazan’ny vitsy an’isa ny zavatra tokony atao rehetra. 

 

Izaho, fantatrareo fa nifidy, dia miezaka ihany ny hahalala ny tena antony lehibe nahatonga ny olona nanapa-kevitra tsy nifidy. Raha namaky kely ny gazetin’ny mpitondra ankehitriny, amin’ny teny malagasy aho dia nahita fa…milaza ny tsy fananan’ny olona fitokisana hatrany ny mahatonga ny avy amin’ny antoko mpanohitra tsy tafiditra ao amin’ny antenimieram-pirenena. Raha raisina io hevitra navoakan’”ny vaovaontsika” io dia manambara fa tsy te-hifidy mpanohitra ny olona. Etsy andanin’izay ihany koa anefa dia tsy vitsy toy izany ihany koa ireo tsy te-hifidy izay olona narotsaky ny mpitondra. Tsy misy hofidiana izany ny maro raha jerena amin’izao. Ny antoko mpiara-dia amin’ny mpitondra indray dia heverina avy hatrany ho kely hery na mety hivadika fironana. Izay no fahazoako azy aloha hatramin’izao. 

 

Inona tokoa ary ny olana tsy nifidianan’ny olona ny mpiara-dia indray farafaharatsiny? Dia tenina mpanara-baovao iray indray no raisiko eto hoe: Ny avy amin’ny antoko mpanohitra mamelively ny tim, nefa setrin’izany dia ny antoko mpiara-dia nandrotsaka kandida hatrany no velesin’ny tim. Zavatra mahavariana azy io tranga niseho matetika io nandritra ny fampielezan-kevitra. Aminao, inona koa re no mety ho nahatonga ny olona tsy nifidy e?

Ny adidy tsy maintsy efa

2007-09-24 @ 07:48 in Politika

Ny maraina alohan’ny handehanana hamonjy fiangonana aho no nandalo tao amin’ny birao fandatsaham-bato. Indreo miandry olona tonga hifidy ny mpikambana ao amin’ny birao. Tsy mila nilahatra, tsy mila niandry akory aza fa tonga dia nampandrosoina. Dia nojerena tao anaty lisitra ny anarana, fa tao amin’ny takelaka nosokafana teo anoloako dia izaho no fahatelo nifidy…amin’ny sivy ora sy sasany teo ho eo io ora io. Vita iny…ny mpikambana tao amin’ny birao anilan’ny nidirako aza moa dia nitanin’andro (mandra-paharivan’ny andro) ireo mpikambana ao amin’ny birao ireo. 

 

Tonga indray aho ny hariva tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany teo ho eo dia mbola tsy ampy mpanisa vato ny tao amin’ny biraom-pifidianako. Voatery niditra an-tsehatra aho satria nantsoina. Tsy dia hitako loatra aloha izay olana. Vita ny fanisam-bato tamin’ny fito ora teo ho eo. Vato vitsy ve no isaina tsy ho haingana dia vita ny raharaha? Eo amin’ny olona 300 eo ho eo hatrany isaky ny birao no navitrika tamin’ny fifidianana. Ampahaefatry ny mpifidy nisoratra anarana teo ho eo. Efa vitsy an’isa aloha no misy ahy amin’izay fotoana izay. 

 

Rehefa natao indray ny fanisam-bato, noheveriko hiady ity baolina (Tim 10 ary avi 7 tao anatin’ny vato 20 voalohany teo ho eo) fa nitohy lavabe amin’izay ny an’ny antokoben’ny fitondrana. Arahabaina izany izay mandresy ary manaja ny demokrasia aho, izay ny safidin’ny be sy ny maro. Dia efa nanefa ny adidiko aho no fantatro ary tsy manenina amin’ny safidiko. Anjaran’izay tsy nifidy angamba ny hanenina rehefa lany ilay volavolan-dalàna (tsy nosoratan’ny fiaraha-monim-pirenena moa ilay hoe ahena ho 15 andro isan-taona sisa ny congé azon’ny mpiasa tsy miankina isan-taona ka marina ve sa tsia?) ho an’ny mpiasa dia samy mahazaka io. Tsy misy idirako ny amin’izany, hoy ilay nifidy tim izay. Eny ary ho’aho! Resy aloha ny nofidiako e! 

 

Hilaza tsiraritra vitsivitsy aho aloha. Miainga tamin’ny fanisana aloha. Rehefa vita ny fanisana dia niteny ny sefo lefitry ny fokontany fa vato maty avokoa ny an’izay nifidy arema, tsy nahatonga vato ara-potoana tany amin’ny distrika manko ny arema teto Antananarivo. Gaga aho ka saiky niteny hoe efa nisy toe-javatra sahala amin’izany anie tamin’ny fifidianana teo aloha ka nahoana no misy fanapahan-kevitra sahala amin’izany tampoka teo? Kanjo moa dia nilaza haingana ny sefo fokontany hoe isaina ihany ny vaton’ny arema fa anjaran’ny HCC ny manapa-kevitra na manankery ireo vato ireo na tsia. 

Fanontaniana sy valiny

2007-09-22 @ 16:52 in Politika

Efa tsy fotoanan’ny propavandy intsony izao, mandika lalàna raha manao izany. Noho izany raha manoratra ireo fanontaniana sy valiny nataon’izay nirotsaka teto Antananarivo aho dia tsy afaka ny hiteny intsony hoe iza no namaly izany fa ny karazam-balinteny ihany no tsoahiko amin’izay novakiako. 

Voalohany: tsy voatsimbina firy ny zo sy tombotsoan’ireo mpanjifa noho ny tsy fisian’ireo lalàna mifandraika amin’izany. Efa misy tolo-dalàna voavolavola momba izany. Inona no atolotrao mba hiarovana ny fahefa-mividy…?

 Valiny:Hetra midangana ho an’ireo entana rendrarendra indrindra ny fiara ka antsoina hoe hetra sosialy ka ny olona mandray karama latsaky ny Ar100.000 isam-bolana no mandray fanampiana amin’ny alalan’io hetra io.Foanana ny hetra na ahena ho an’ny PPN amin’ny maitso ahitra.Ahena ny hetra aloan’ny tsirairay

Omena tany izay monina an-drenivohitra hambolena

Fanaraha-maso ireo orinasa vaventy mety manafin’entana.

Fampidirana tetibola hampihenana ny fidanganan’y vidim-piainana

Filet de sécurité

Ampiharina tsy anavahana olona ny lalam-pifaninanana.

Nahoana no sady manondrana vary no hanafatra avy any ivelany ihany koa?Fampitomboana ny faritra volena

Fanaraha-maso ny entana

Fiofanana matetika ho an’ny tantsaha.

Loi contre le monopole

Loi contre les abus position dominante

Loi contre tous les abus

Fampiharana mazava ny lalànan’ny tolotra sy ny tinady 

 

Fanontaniana: volavolan-dalàna 23/2007 manome fahalalahana tanteraka ny orinasa handray mpiasa vahiny araka izay ilaina; volavolan-dalàna 24/2007 ahafahana mampiasa ny vehivavy eny amin’ny toeram-pamokarana afakaba amin’ny alina sy tsy voafetra ny ora fanampiny. Ekenao ve ny hampiatoana ireo tolo-dalàna ireo fa iaraha-midinika kosa ny momba izany aloha? (mety ity no tsy namalina’ny sasany fanontaniana nefa metyho diso koa izany hevitro izany). 

Valiny: Tokony ferana ny fahazoan’ny vahiny miasa eto. Tsy ekena ny tolo-dalàna tsy manome hasina ny mahaolona.

Efa misy ny malagasy manana fahalalàna sy ampy fahaizana ka ireny no atao lohalaharana aloha fa ny vahiny dia fanampiny fotsiny ihany.

Tsy ekeko ny hampihantonana ny fandinihana ireo tolo-dalàna ireo (iza io?)

Ny tolo-dalàna efa napetraka tsy azo ahantona intsony. Aleo hiadian-kevitra dia ahitsy tsikelikely izay tsy ekena. 

Fanontaniana: inona no hatolotrao hahatonga ireo fitrandrahana ireny hitondra vokatsoa sy hiarovana ny tontolo iainana? 

Valiny: Ny vondrom-bahoakam-paritra tsy maintsy omena ampahany ary omena alalana hanara-maso ny fitrandrahana.

Manam-pahataperana ny harena ankibon’ny tany, tsy tokony hirobaroba na maika aza.

Omena tamberim-bidy ny vondrom-bahoakam-paritra.

Tsy maintsy mifampiraharaha tsara ny fanjakana mba hahazoana ny vokatsoa betsaka amin’ny solitany, 50% farafaharatsiny.Ferana ny isan’ny mahazo mitrandraka.Tsy maintsy mamerina ny tany noesoriny ny mpitrandraka rehefa vita izay nataony.

Omena famatsim-bola ny mpitrandraka madinika

Atao mangarahara ny fifanarahana amin’ny orinasa vaventy.

Fananganana andrimasom-pirenena hanaramaso ny fivoahan’ny harena sy ny fidirany an’I Madagasikara.

Mangataka tatitra isanenimbolana (ohatra) amin’ny mpitondra ny vola azo amin’ny fitrandrahana vaventy. 

 

Fanontaniana: Ilaina ve ny fampifandanjana ny isan’ny lahy sy ny vavy mirotsaka eo amin’ny sehatry ny fifidianana? 

Valiny: Eny, ny lalàmpanorenana efa mamaritra ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy.

Efa mitovy zo ny lahy sy ny vavy ka anjaran’ny tsirairay ny mandray safidy amin’izany. 

 

Fanontaniana: Manoloana ny olona tsy sahy mijoro na dia tratran’ny tsy rariny aza. Ahoana ny fomba hiarovana ny olona tratran’ny tsidry hazolena? 

Valiny: Omena mpisolovava maimaipoana izay sahy mijoro manohitra ny tsy rariny.

Ilaina hatsaraina mihitsy ny lalàna.

Lalàna hiarovana ny vavolombelona.

Fitsarana mahaleo tena tanteraka. Fampijoroana ny haute cours de justice.

Tokony hisy ny polisin’ny polisy. 

 

Fanontaniana: Inona ny hataonao hampitomboana ny ambaindain’ny tantsaha hiatrehany ny fifaninanana iraisam-pirenena? 

Valiny: foibe isam-paritra hakana torohay

Fanganana banky afaka hamatsy vola amin’ny taha tena ambany.

Izay miasa ny tany no tompony.

Fiarovana ny vokatry ny tantsaha.

Fitaovam-pamokarana vaovao.

Fanamorana ny fampisamboram-bola.

Tsy tokony ekena ny zavatra vita kitoatoa. 

 

Fanontaniana: SADC, COMESA, COI…Inona no ataonao hanampianao ny orinasa hiatrika ny sehatra iraisam-pirenena, handraisany anjara amin’ny tsena iraisam-pirenena? 

Valiny: Tsy ny orinasa rehetra no tokony atsangana eto fa izay afaka manome vokatra mora nefa manaja ny kalitao ary mifanaraka amin’ny zavamisy. Tokony iantohan’ny fanjakana ny fanamorana ny fametrahana ny tambazotram-pifandraisana, ny fifandraisan’ny mpandraharaha, indrindra ny mikasika ny fampiasana ny tranokalam-pifandraisana sy ny marketing.

Fanjakana tsara tantana aloha.

Fananganana orinasa madinika sy salatsalany.

Fandrindrana sy fandaminana ny sehatr’asam-pamokarana mba ho afaka hiara-miasa.

Dinihana tsara vao miditra vondrom-paritra iraisam-pirenena izany.

Fametrahana banque de données hahafantarana tsara ireo sehatra ireo. Politika manokana hiarovana ny mpandraharaha teratany.

Tsy hitanay izay soa mety ho azo amin’ny sadc sy comesa fa toa Sida sy ny fahantrana no tena entiny ho antsika.

Ekena kosa ny Coi satria mifameno amintsika ireo. Ahena ny zanabolan’ny banky. 211 bis sady famonoana orinasa no fanaovana kolikoly. 

Aleo aloha ireo ihany fa ajanona hatreo. Amin’ny manaraka indray manao misimisy raha mbola mazoto.  

Ny Kandida teto Iarivo niatrika fanontaniana

2007-09-21 @ 16:05 in Politika

Nisy vondrona fiaraha-monim-pirenena nandefa fanontaniana maromaro tany amin’ireo nirotsaka hofidiana teto Antananarivo. Tamin’ny 10 septambra ireo fanontaniana mitovy ho an’ny rehetra ireo no nomena ny kandidà ary naseho gazety ihany koa ny ampitson’io. Nomena hatramin’ny 14 septambra ny kandidà hamaliana ireo fanontaniana 12 miompana amina loha-hevitra 12 mazava loatra.  

 

Ireto avy aloha ireo vondrona fiaraha-monim-pirenena ireo: Friedrich Ebert Stiftung, FTM/CPM, Fifafi Analamanga (finoana, fanantenana, fitiavana), Rjdp, Sos aux victimes du non droit, Kmf Cnoe, Réseau genre, Fisemare, Yltp, Sembana mijoro, Fisema, Confédération Syndicale des Travailleurs Malagasy, Fivmpama, Novastella ary ny Association des femmes Elues Maires de Madagascar. 

 

Navoaka tamin’ny 19 sy 20 septembre ny valitenin’ireo kandidà namaly ireo fanontaniana 12 ireo. Izany hoe fotoana kely tsy ampy tena andinihana izay mety hahaliana ny olona sy hanontaniana ny anton’ny valinteny na tsy namaliana sisa vao mety ho mahavaky hatramin’ny farany ireo pejy efatra aminn’y soratra koritika dia koritika hany ka raha tsy tsara maso dia ho sahirana sy ho bambaray fotsiny ny soratra hita. 

 

Ny zavatra azo ambara dia izao: somary tratra aoriana ihany ny nanomezana ireo fanontaniana ny kandidà na dia ho an’Antananarivo fotsiny ihany aza. Raha ny fahalalako azy dia tany amin’ny faraparan’ny voalana aogositra tany ho any no tsara nanomezana azy ary naverina ny andro nanombohan’ny fampielezan-kevitra. Amin’izay fotoana izay dia ho hafa kokoa ny fandehan’ny adi-hevitra nandritra ity fifidianana ity. Mba nahadinika zavatra vitsivitsy ahay manko ny mpifidy ary ho nahatsapa fa tompon’ny fanapahan-kevitra tokoa fa tsy ho nentin’ny fo hoe tiako ranona na tsy tiako ranona fotsiny. Amin’izay fotoana izay ihany koa dia ho fantatry ny maro izay manana fahalalana na praograman’asa fiomanana rehefa tafiditra tokoa any amin’ny antenimiera any. 

 

Faharoa manaraka izany dia nisy ireo kandidan’antoko tsy namaly ny fanontaniana napetraky ny fiaraha-monim-pirenena mihitsy. Ny voalohany lazaiko etoana dia ny avy ao amin’ny mpiara-dia amin’ny filoha aloha: Ny Grad Iloafo, nahagaga ihany satria anisan’ny nandrotsaka betsaka manko izy teto Antananarivo (8) nefa tsy nisy namaly na dia iray aza. Tsy noterena hamaly tokoa angaha nefa dia itsaran’izay tena mpanara-baovao politika izay. Saiky tsy namaly araka izany ihany koa ny avy amin’ny fanoherana rehetra nandrotsaka kandida teto Antananarivo dia ny Arema, ny tsy miankina Ny Analamanga ary tsy nahitana teny tahaka izany ihany koa ny ao amin’ny Fidem an’Atoa Maurice Beranto. 

 

Fahatelo dia saiky tsy namaly avokoa ny avy ao amin’ny Tim afa-tsy ny ao amin’ny fari-pifidianana fahaefatra misy ny Minisitra Radavidson Andriamparany irery. Izany hoe raha 12 ny nirotsaka dia tsy nisy namaly ny 10 nefa dia misy minisitra hafa indrindra nirotsaka teto Antananarivo. Ny hafa dia mamerimberina fotsiny ny hoe, rehefa mitety faritra indray io, izay akaiky sy mora mifandray amin’ny mpanantanteraka fidiana mba hahaingana ny hetahetanareo vahoaka sy ny hoe izay mahay miara-miasa amin’ny mpanatanteraka fidiana hampandrosoana haingana ny firenena…koa raha tsy hoe fifidianana Ben’ny tanàna izy ity ka izany no itarihana olona. Tena manankevitra tokoa ve ireo hafa tsy namaly sa sendra ny fanontaniana tsy hainy valiana (izy 12) sa tsy firaharahahiana ny mpifidy ihany koa. Mety ho ny tsy fahamatorana politika mihitsy ihany koa no tsy ao (anaty propagandy tokoa aho izany). 

 

Fahaefatra dia misy ny mpiray antoko ny sasany mamaly ary ny hafa tsy mamaly. Mifananhantsahana ny isany ka izay no ampidirako ny Avi, ny Aldr, ny RPSD vaovao ary ny Teza. Mety ny fahitana ny valintenin’ireto vondrona ireto no itarafan’ny olona hoe mitovy hevitra tokoa ve ireto mpiray antoko ireto sa tsia? Ny zavatra maningana hita amin’ny Rpsd vaovao aloha dia saiky vehivavy avokoa ny lohalisitra natolotr’izy ireo any amin’izay nandrotsahany ( raha tsy izy rehetra aza fa tsy fantatro avokoa moa). 

 

Ary ny fahadimy farany dia ny an’ny Ame izay taratasy iray no niarahan’izy rehetra namaly ny fanontanian’ny fiaraha-monim-pirenena. Azo heverina fa nisy fiaraha-midinika amin’izay fomba hamaliana ny teny izany ary mba tsy hahitana loatra izay mety ho fifanoheran-kevitra sanatria tsy voatandrina. Ny hany lesoka ho azy ireo dia tahaka ny kelikely lanja ihany izy ireo raha mitaha amin’ny mpifaninana hafa. 

 

Miala tsiny aho fa nikasa ny hamoaka ny hevitr'izy ireo tokoa saingy toa tsy tontosa izy ity. Ho hita eo ihany anefa...

Inona ny tokony atao manoloana ny politikan'ny mpitondra?

2007-09-20 @ 15:57 in Politika

Fotoam-pifidianana isika amin’izao fotoana izao. Fifidianana izay ho solombavambahoaka hotanterahina amin’ny alahady 23 septambra 2007 ho avy izao. Nanambara tamin’ny vaovaony ny rfi androany maraina fa tsy mahasarika loatra ny fampielezan-kevitra tamin’ity indray mitoraka ity. Fambara tsara ihany izany ho ahy manokana. 

 

Isaky ny mafampana manko ny fifidianana dia fikorontanana no tena andrasan’ny mpampita vaovao ho bizina ho azy. Isika rahateo aty amin’ny faritra eritreretina ho mora andairan’ny ady mandrakariva. Koa rehefa ireny mpampahalala vaovao ireny no miteny tahaka izany dia hanjaka kokoa izay ny filaminana. 

 

Natsidiny koa tanatin’izany fa mety hanjaka tokana ny antoko eo amin’ny fitondrana amin’ity indray mitoraka ity. Mety ho marina tokoa izany nefa tsara fantarina ny anton’ny safidy, raha mbola lazaina ihany koa fa safidy ny dikan’ny vato narotsany amin’ny androm-pifidianana. 

 

Voalohany, raha mahita ny nahazo ireo mahery loha , mpanohana ny fitondrana teo aloha lasa mpanohitra na mpanohitra ny fitondrana hatramin’ny voalohany migadra amin’izao fotoana izao, izay mieritreritra fa mafana fo sy malaza amin’ity resaka politika ity dia nitakemotra avokoa. Tsikaritry ny maro fa ny tena mpitarika ankoatra ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Lahiniriko, dia nisafidy ny tsy hirotsaka tamin’ity fifidianana ity. Ny mpitarika ny antoko lazaiko ho madinidinika no sahy mirotsaka hitsapa ny safidim-bahoaka mialoha ny dingana manaraka goavana kokoa. 

 

Manaraka izany indray, izay mirotsaka rehetra tian’ny maro, nefa tsy mitovy tadin-dokanga loatra amin’ny fitondrana aty amin’ny foibe na sahy mifaninana aminy, dia efa miomana ny tsy hahazo na inona na inona avy aty, eny na dia ao anatin’ny zony tanteraka aza izy. Mahatsapa izany ny maro an’isa dia mionona hoe aleo fidiana izay avy any amin-dry zareo raha te-hanatsara ny tanàna misy ny tena. Ny dikan’izany dia terena ankolaka ny mpifidy handrotsa-bato ho an’ny antokon’ny fitondrana. Tsy demokraty mihitsy aloha ny mpitondra amin’ity lafiny iray ity. Moa tahaka izany koa ny any ivelany any? Ianareo any no mahalala. 

 

Na izany na tsy izany dia tsy tsara ho an’izay mahazo fahefana na oviana na oviana ny manjaka tokana. Marina fa mikendry ny hahazo ny toerana 127/127 ny Tim saingy tsy mahasoa ny firenena na oviana na oviana izany. Efa fantatra ny fitilitilian’ny mpitondra ankehitriny ny fanaon’ny (mpitondra) Shinoa ka mampanahy be ihany ny mety ho fironana haingana mankany amin’ny jadona.(Izay fironana izay koa angaha no mahatonga ahy ho somary liana kokoa amin’izay mitranga any amin’ny Tatsinanana Lehibe any). Etsy andanin’izany efa nosoratako eo ambony io ny teti-panoron’ny mpitondra hahazoany ny maro an’isa. Inona ary no tokony atao? Ary aiza izany no tsara atao? Antananarivo no vahaolana. 

 

Tsy maintsy arovana ny demokrasia na dia sarotra aza ny hahazoana fifandanjan-kery. Ny hery mifandanja no mahasalama ny demokrasia hanajana ny fahalalahan’ny tsirairay. Hanahirana ny hahazoana izany amin’izao fotoana izao saingy tsy tokony hahafoana ny tsirim-panantenana izany. Ivereno an-tsaina ny nitranga tamin’ny repoblika voalohany (ho an’izay efa niaina izany).

Tamin’ny ankapobeny dia roa monja ny avy amin’ny antoko mpanohitra tao amin’ny antenimieram-pirenena nefa tsy sahin’ny teo amin’ny fitondrana loatra ny nikitikitika ireo olona roa ireo. Antananarivo manko no nifidy ireo ka mety hitarika zavatra hafa tsy ampoizina raha misy maninomaninona manjo azy ireo (tadidio fa ambenan’ny mpiray antoko aminy mandrakariva ry zareo ireo rehefa mivoaka an’Antananarivo ary voatery nifindra fiara matetika hialana amin’ny vela-pandrika hafahafa mody hoe notafihin’ny jiolahy na…). Nanam-pahalalàna hiteny any ambadika ny olona na dia mody jomoka eo anoloana aza. 

 

Ankehitriny, fianatra ny tantara ary fantatry ny mpitondra tsara izany matoa izy nandrotsaka minisitra hofidiana. Ny fahazoana ny fon’Antananarivo ihany no lakilen’ny fitazonana ny fitondrana. Na dia azonao daholo aza ny seza rehetra any amin’ny faritra nefa tsy nahazoana mihitsy Antananarivo dia efa mahazo mangovitra ianao ny amin’ny fitondrana tarihinao. Tsy sanatria fanaovana zinona ny vaton’ny any amin’ny faritra fa fitaratra mandrakariva izay ataon’Antananarivo amin’ny resaka politika. Na dia noezahina mandrakariva aza ny nampifandrafy ny mponin’Antananarivo amin’ny faritra ivelan’Antananarivo tsy mahafoana ny mahairay ny Malagasy izany. Eto Antananarivo avokoa ny foko rehetra misy eto Madagasikara ary ireo no tady mampifandrohy ny fifandraisan’I Madagasikara iray manontolo.  

 

Etsy ankilan’izany tsy ho afaka ny hanao kinanga na oviana na oviana ny mpitondra rehefa eto ka sahy hanao hoe rehefa tsy hifidy an-dranona ianareo dia tsy hisy asa vita eto. Tsy maintsy manao zavatra eto izy raha mbola te-hitoetra maharitra eo amin’ny fitondrana nefa tsy ho afaka ny hanery ny vahoaka amin’ny safidiny, hafa ny any amin’ny faritra ary hafa ny eto Antananarivo. Noho izany, Antananarivo irery aloha no fantatro hatramin’izao mahazo mifidy olona hafa amin-kahalalahana tsy avy amin’ny fitondrana nefa tsy hokarakaraina. Fihantsiana mivantana avy hatrany raha sahy manao izany ny eo amin’ny fitondrana. Ny olana iray lehibe eto dia tsy mety mahazo ny fon’Antananarivo ny avy amin’ny fanoherana. Aiza ho aiza ny tokony atao?  

 

Na dia roa isaky fari-pifidianana aza manko ny eto an-drenivohitra dia tsy misy hoe maro an’isa ifampizarana ny handaniana ireo na maro an’isa izay manana ambim-bato betsaka. Izay betsaka isa kokoa fotsiny no tonga dia mahazo ny seza roa na dia mety ho vato tokana monja aza ny elanelana eo amin’ny voalohany sy ny faharoa. Ny hafa ihany koa tsy mahay mifanaraka no sady tsy sahy nirotsaka loatra, hoy aho tetsy ambony, ny Oloben’ny politika eto amin’ny firenena. Ny olona no mitaratra dia mifidy mangina any anatiny any. Ankoatra ny fanatikan’ny fitondrana dia maro (amin’izay manodidina ahy na sehatra aiza io na sehatra aiza, na manaiky imaso fotsiny ihany koa izay iresahako) no mieritreritra fa tsara raha mifidy olona hafa tsy ao amin’ny antokon’ny mpitondra ankehitriny ny olona saingy tsy mety loatra raha avy amin’ny fanoherana bontolo ireo olona ireo. Ho fiarovana ny demokrasia no anton’izany fa tsy noho ny safidy manokana. 

Mitohy ny fanafintohinana raharaha Bahamas

2007-09-19 @ 09:10 in Andavanandro

Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ity raharaha iray ity amin’izao fotoana izao. Olona efa tsy manara-baovao mihitsy matoa tsy mahalala ny momba azy ity. Ny gazety nivoaka ny talata teo dia samy nahitana avokoa fa hamerina ny vola naloa tany amin’ny banky rehetra Atoa Steve Turmel ary havoaka gazety amin’ny herinandro ny fombafomba hamerenana azy. Azo lazaina fa fanombohan-javatra aloha izay. Fa na izany aza misy ny zavatra mampiahiahy. 

 

Gazety nivoaka androany iray indray no nahitana fa nahatratra 27.000 ireo olona nandoa vola nampanantenaina ho any Bahamas. Betsaka dia betsaka tokoa ny isan’ny olona voafitaka raha inoana io isa io. Izany hoe ny vola kely indrindra azon’ingahy Steve dia mahatratra 2 700 000 000 Ariary eo ho eo. Ny sanda ambany indrindra nalainy manko no 100.000 Ariary ho an’ny mpamafa trano sy ny mpanao zaridaina na mpiambina ihany koa. Ny hafa moa dia avo roa na telo heny mihoatra. Izany hoe tokony ho raharaha lehibe ity raharaha ity fa tsy ho vitavita fotsiny amin’izao. Inona ny olana? 

 

Miahiahy ny maro ankehitriny fa hanjavona ity rangahy ity afaka fotoana fohy. Dia ho samy mody fanina ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny. Tsarovy fa valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety no namoahany io filazana io, izany hoe mbola afaka mivezivezy tsara ny lehilahy. Fantatra fa tsy mahazo mivoaka ivenan’ny sisintany aloha izy. Nahahendratra ny rehetra anefa ny nandre ilay raharaha Dorick izay rehefa nahare ny didim-pitsarana nanamelohana azy dia nanana sakay tany aminy tany hoe nafafiny ny mpiambina azy ka afa-nandositra izy. Resaka tsy mampino…dia mety ho izany ihany koa ny an’ingahy Steve ity. Inona no mety ho antony? 

 

Maromaro ireo mihevitra fa tsy miasa irery ralehilahy fa manana mpiaro azy any ambonimbony any. Ireny no mety saiky hiara-mizara aminy ny “haza” azo tamin’ny fanambakana. Raha tratra ranamana ka mitohy ny fanadihadiana dia mety hipaka hatrany amin’ny takona tsy fantatra any ny fiampangana. Hiarovan’ireo dahalo ambony latabatra ireo tena ary dia ezahina izay hiatoan’ny fanadihadiana dia tsy hisy ny fitsarana. Io fitsarana mety tsy hisy io no mampatahotra ny maro. Ny fanonerana ekena fa tokony ho avo roa na telo heny amin’izay naloan’ny nandoa vola no atao fa tsy izay naloa tany amin’ny banky ihany. Vao nikarakara ny pasipaorony avokoa manko ireo olona ireo.

Izay lazain'ny afisim-pifidianana ( lahatsoratra lava)

2007-09-17 @ 17:10 in Politika

Teo am-panomanana ity lahatsoratra voalohany ity indrindra aho no namorona lahatsoratra mihitsy teny antenantenany eny ka iny nampitondraiko ny lohateny hoe “Boriborintany aho boriborintany” iny. Izaho moa ao anatin’ny voatondro anarana hoe Boriborintany voalohany eto amin’ny disokrikan’Antananarivo no mipetraka. Ny lisitra eto amin’ny Boriborintany voalohany izany no ifidianako izay ho solombavambahoaka hisolo tena ahy. Lisitra sivy no hisintonana ireo olona ireo. Ireo izany no hotanisaiko tsirairay ny asehony amin’ny takela-pifidianana. 

 

Takelaka tsy manan-daharana aloha voalohany indrindra ny an’ny ofisialy izay tsy ahitana na inona na inona mandrakariva. Ny eto Antananarivo koa angaha tsy dia mila fanazavana lava loatra intsony amin’ity resaka fifidianana ity noho ny haino aman-jery mameno tanàna. Saingy izao: Antananarivo tampontanana aza, tompoko, tsy misy afisy ny filazana ofisialy ity fifidianana ity (sa inona moa ny afisy tokony hipetraka eo?) maika fa ny any amin’ny faritra ivelan’ny renivohitra? Tsy efa tonga amin’izay ve ny fotoana hanesorana io takelaka ho an’ny ofisialy io fa tsy mba manana fahazotoana tahaka ny mpanohana kandidà tsinona ny mpiasan’ny minisiteran’ny atitany (tsy fantatro intsony koa moa hoe iza no manana andraikitra amin’io e!) hametaka afisy iray na roa isaky ny tabilaom-pifidianana. 

 

Eto isika vao miditra amin’ny afisy mitondra ny laharana voalohany. Ny antokon’ny fitondrana no nahazo azy aloha ary ny minisitry ny angovo no lohalisitra amin’izany. Heverin’ny mpanara-baovao politika fa tsy hanetry tena ho amin’izany toerana izany na oviana na oviana rangahy io. Mifamporisika ny olona miresaka hoe jereo ny faharoa sy ny fahatelo amin’ny lisitra fa izay no tena tiany apetraka eo. Izaho kosa manao hoe tsarao amin’ny asany ireo minisitra sahy misedra vahoaka ireo fa izao no fotoana fanararaotra hanehoan’ny vahoaka izay vitany ka izay tsy lanim-bahoaka tokony hahasahy hiala amin’ny toerany fa tsy miandry esorina vao hahatsiary vasoka. Tsy maintsy hita ami’nny afisin’ny TIM (Tiako I Madagasikara) izao soratra lehibe izao miaraka amin’ny sary biletan’ny antoko atao anaty valopy harotsaka anaty vatam-pifidianana: MAP (Madagasikara Am-Perinasa fa tsy zavatra hafa tsy akory) = Faritra mandroso. Dia ho adinoina indray ve fa ny fanohanana ny MAP no narangaranga fony nanitsy ny lalampanorenana ka inona indray no amerenana ity resaka ity amin’izao fotoana izao? Fampahatsiahiva amin’ny olona angaha fa mbola mitohy ny tokony hanohanana ny MAP ka ny fifidianana ny lisitra TIM ihany no antok’izany fanohanana izany. 

 

Ny takelaka faharoa kosa dia najaran’ny AVI (Asa vita no ifampitsarana). Solombavambahoaka talohan’ny farany teo no lohalisitra ary nanamarika azy ny fahatongavany hatrany rehefa misy ny fivorian’ny antenimierampirenena. Tsy mpikambana tao amin’ny birao anefa izy ary tsy filoha na mpitarika vaomiera tamin’ny fotoan’androny. Ny biraony anefa amin’ny andro hafa dia ilaharana mandrakariva fa tsy mba hita loatra ny fotoana hoe tsy ao izy ary izy mivantana no mandray izay mitady azy fa tsy  misy mpiasa hafa loatra. Ny fitarihana ny tanora hiditra ami’nny sehatra politika no nirotsahany tamin’ny voalohany ary dia izao tsy afaka amin’ny fandraisana anjara mivantana amin’ny fandraisana andraikitra izao intsony. Tombondahiny lehibe ho azy avokoa izany rehetra izany. Efa tombatombanan’ny maro rahateo fa izy no ho mpifaninana voalohany amin’ny TIM amin’ity fari-pifidianana ity. Toy izao kosa ny soratra amin’ny afisiny ankoatra ny sarin’ireo kandidà mazava loatra:

  • AVI:    Sahy hiady sy hiaro ny tombotsoam-bahoaka marina:
  1.                         Mba tsy ho tombotsoan’olom-bitsy
  2.                         Fiainana ara-tsosialy mila harenina
  •              Hanara-maso ny rafi-panjakana mpanatanteraka ary hanolotra soso-kevitra sy vahaolana:
  1.                         Hisorohana amin’ny fanjakana tsy refesi-mandidy
  2.                         Ho faritra miara-mandroso ary ho Malagasy iray aina
  •             Tena solombavambahoaka fa tsy ho mpanara-drenirano fotsiny ( fa angaha moa tsy manara-driandrano no fanoratra?):
  1.                         Vonona hiatrika amin’ny tena adihevitra hahasoa ny vahoaka
  2.                         Mihaino sy manaja ny hafa

Dia ireo aloha no voadikako ny amin’ity fikambanana iray ity. 

 

Ny antoko Teza tarihin’ny mpanolotsaina politika ny filoha Ravalomanana kosa no miandraikitra ny takelaka fahatelo. Tsy fantatry ny maro loatra ny lohalisitra (sa izay moa noatao hoe olom-baovao?). Na izany na tsy izany kosa dia manan-kambara ry zareo raha jerena araka ny afisiny. Ny tarigetra lehibe moa dia miompana amin’ny hoe: Fiarahantsika anio fahombiazan’ny ampitso. Toy izao kosa raha bangoina ny lohahevitra apetrany:

  •               Hanao antsakany sy andavany ny asa mahasolombavambahoaka
  •             Hanampy sy hanoro lalana ny fokonolona sy ny solontenany; ireo olomboafidy ny olom-panjakana isan-tokony amin’ny fampandrosoana sy fahamahana olana.
  •             Ny tolo-dalàna hatolotra dia baikoan’ny
  1.                         Fitandroana ny fifehezan’ny firenena malagasy ny toe-kareny.
  2.                         Fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana.
  3.                         Fitsinjovana ny vody andro meriky ny firenena (fiahiana ara-tsosialy sy fisotroan-dronono ho an’ny beantitra tsy ankanavaka).

Nisy namana iray izay moa niteny fa sambany sambany vao nahita eritreritra avy amina kandidà na antoko mhevitra ny benatitra tahaka izao amin’ity fifidianana ho avy ity. Raha mba hevitra tokoa moa no fepetra tokana ifidianan’ny olona amin’ny alahady izao? 

 

Olona tsy miankina mitondra any anarana hoe “feon’ny fahendrena” (eto Antananarivo moa misy radio silamo izay mitondra io anarana io fa ny fifandraisan’izy roa ireto no tsy fantatro loatra na misy na tsia?) no manana anjara amin’ny takelaka fahaefatra. Olona tsy fantatra loatra raha jerena amin’ny anarana sy ny asany izay dokotera fa tahatahaka ireny fantatra ireny kosa raha jerena endrika (Ny Malagasy ve moa tsy fantapantatra ihany hoe Malagasy io?). ny olona iray mametraka ny afisiny amin’ny rindri-tranony  no nohatoniko ka nanontaniako ny mombamomba azy. Tahaka ny mahafantatra tsy mahafantatra izany ramatoa io.Monina any akaiky ny vatobe hoe izy (izay mpandeha fiara fitateran’olona mnkany Ivato Seranana dia mahafantatra izany toerana izany tsara). Lazainy ihany koa mpanampy ny olona rehefa tonga ny voina mpitranga amin’ny ambany tanàna. Izay no mba fantany dia mba ampitaiko etoana. Manaraka izany dia izao koa ny soratra manaraka ny afisiny:

  • Olombaovao tsy natolotry ny antoko politika
  • Matahotra an’Andriamanitra
  • Tsy manavaka saranga

Izany hoe raha fehezina dia te hisintona ny vaton’izay mahafantatra azy izy. Saingy ny lesoka lehibe kosa dia izao: Ny laza ratsy no miely haingna kokoa noho ny laza tsara ka raha malaza tsara ianao dia ela izany vao hipaka amin’ny maro afa-tsy hoe tena goavana be nahasehaka ny firenena manontolo izay nataonao no sady manana haino aman-jery ianao hiantsoantsoana izany. Noho izany tsy manam-potoana ahafahana manadihady loatra ny aminao ny mpifidy maro.  

 

Ny antoko manaraka indray dia ny Antoko Miombon’Ezaka izay afohezina amin’ny anarana hoe AME. Antoko noforonin’ny Jeneraly Ramakavelo nefa voatery nialany rehefa betsaka ny avy ao amin’ny antoko AKFM Fanavaozana no nisintaka tamin’ny antokony taloha fony tsy sahy nanohana ny filoha ankehitriny io antoko io. Ankehitriny moa dia Atoa Ravalison Clément, kandida ho ben’ny tanànan’ny Fanavaozana teto Antananarivo tamin’ny fifidianana ho Ben’ny tanàna Antananarivo ny taona 1999 no mpitarika. Ny lohahevitra napetrany dia hoe fahamendrehana, fitsinjovana ny mahaolona, fiarovana ny soa iombonana, fanetsehana ny asa fampandrosoana. Ny afisy kely kosa dia mametraka fa hanefa ny tatitra amin’ny vahoaka, hiserasera sy hifampidinika amin’ny vahoaka, hanampy sy handroso vahaolana amin’ireo sefom-pokontany, hanentana ny mpiara-belona sy ny mpiombona antoka, hivoy sy hanapariaka ny kolontsainan’ny fandrosoana ary hitaiza sy hanabe ny tanora ireo kandidany raha izy ireo no lanim-bahoaka. 

 

Ny antoko manaraka kosa indray dia ny Grad Iloafo izay mametraka ny tarigetra hoe: “Asio dikany ny safidinao” miaraka amin’ny sarin’ireo hirotsaka kandidà no hany hita. Dia tena tsy hitako ihany koa izay ambara miaraka amin’izany fa Atoa Ratbetsitonta Tovonanahary, minisitra tamin’ny fitondran’ny Profesora Zafy, no filoha mpanorina azy. Antoko miaraka amin’ny fitondrana, sahala amin’ny Teza ihany koa fa nandrotsaka depiote ho azy manokana kosa. Niezaka ity antoko ity mba hahasehaka an’Antananarivo renivohitra farafaharatsiny. Mifanahatahaka amin’izany ihany koa ny lisitra Arema izay aorian’ny vondron’ny mpitsara soratako eo ambany io. Ny sarin’ny sekretera nasionalin’ny Arema elatra Pierrot Rajaonarivelo miampy ny sarin’ny bileta mena misy sary kintana fotsy ary ny soratra hiaro ny tombotsoanao sy hitondra marina ny hetahetanao ihany no hita aminy ka mihanahana tanteraka aho amin’izay fanazavana tokony hatao. Ry zareo aza ve moa tsy misy fanazavana loatra ka izaho indray no hitady inona eo? 

 

Dia manaraka kosa ny Sendika Mpiasa Miray Feo izay ny sendikan’ny mpitsara nanao fitokonana lavabe taoriana kely fotsiny nitondran-dRavalomanana no tena mahazo vahana ao anatiny. Izany hoe mpitsara roa no roa lohalisitra amin’ity vondronoa nandrotsaka olona hofidiana ity. Ny voamarika dia toa misy vondrona roa samihafa ihany mikarakara ny zavatra soratana. Ny ilazako izany dia misy afisy be loatra ny teny malagasy diso voasoratra ao anatiny nefa misy ihany koa ny lahatsoratra tena voasoratra amin’ny teny malagasy tsara. Ny foto-kevitra najoro moa dia miompana amin’ny fanoratana fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna ary ny lalàna tsara dia mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka no ahazoana fiaraha-monina mirindra. Dia ambara koa manaraka izany fa tsy zoviana (nitarika fitokonana ve tsy ho fantatra?) ireo mpikambana nilatsaka hofidiana. Mitaky ny fifandanjam-pahefana ihany koa ry zareo ary mikendry ny fananganana tan-dalàna izay mahatonga ny mpitondra sy ny entina ho voafehin’ny fitsipi-dalàna mitovy eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana Mahaleotena. 

 

Ny vondrona fahasivy farany holazaina anao etoana dia ny ALDR na “Alliance Liberal-Démocrate pour la Regionalisation” ary adikany amin’ny hoe Miara-mirindra ao anatin’ny Demokrasia mampandroso ny faritra. Ny tarigetra indray moa dia hoe Samymaranitra amin’izay tandrify azy. Ny hataony moa dia hoe manangana lalam-bola sy lalam-barotra vaovao hampitombo ny fihariana ary atao lanja miakatra ny fidiram-bolan’ny tsirairay miatrika ny vidim-piainana amin’ny alalan’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Tsy dia fantatro loatra ny ankoatra izay apetany amin’ny afisy. Dia izay sy izay aloha ny hita any amin’ny afisy isy ny fari-pifidianana misy ahy ry zareo mba hahitanareo ny zava-misy eto Madagasikara eto.

Boriborintany aho boriborintany

2007-09-15 @ 11:13 in Ankapobeny

Hiresaka politika tsy ho ela aho, amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy io, satria vanim-potoanan’ny fifidianana ho solombavambahoaka isika izao. Nanomana lahatsoratra izay aho, no lasalasa tampoka ny eritreritro amin’ity teny hoe boriborintany ity. Voambolana navoaka tany amin’ny repoblika voalohany, nandikana ny teny frantsay manao hoe arrondissement no noboriboriana amin’ny teny malagasy hoe Boriborintany. Tahaka ny manantitrantitra hoe boribory ry zareo ny tany fa tsy fisaka a! (sahirana mihitsy aho nieritreritra izay handikako ilay teny faramparany tao amin’ny lahatsoratra nadikako tao amin’ny Global Voices Online izay). 

 

Tonga dia lasa any amin’ny teny hafa ny eritreritro, nanao hoe fa angaha fiteny ny hoe lavalavantany? Ny baolina (tahaka ny mety ihany koa ny soratra hoe bola an!) rugby (tahaka ny miteny hoe ringibÿ no malagasy rehefa manonona io teny vahiny io) no ataon’ny malagasy hoe lavalava aloha no fantatro. Dia aza mieritreritra zavatra hafa aloha J Ny fotaka volavolaina ho sariolona na sariomby ataon’ny ankizy ihany no alavalavaina amin’ny tanana. Nahatsiaro ny kilalao fahakely natao sariolona karazana miaramila kely aho izany! Tadidinareo efa lehibebe ve? Iny no fetafetaina atao maromaro dia misy koa ny karazana tank misy tafondro tahon’afokasoka kely ary dia tena vato mihitsy no atao karazana baomba hitifitra azy. Mbola atao hoe mitifitra iny tank iny raha mbola mipetaka eo ny tafondro. Ifandimbiasana ny mikendry ny tank-n’izay ifaninanana. Resy ny iray rehetra tafala tanteraka ny tafondro na potika tanteraka ny tank. Ny lalao toy ireny koa angamba no lasa nahaizan’ny malagasy bola an! (petanky io). Fa nivoana izany resaka izany. Aleo averina amin’ny foto-dresaka aloha. 

 

Fa tokony ho fiteny koa izany ny mahitsizorontany. Ny azo ambara aloha ny mahitsy tsy tafiditra fa ny zorontany no efa fiteny ihany. Toy ireny zavatra anjoronjorony ireny ihany e! Misy koa ny vondron’olona no apetraka anjoronjorony. Nefa misy ny zoro izay nomen’ny Ntaolo hasiny manokana dia ny zoro firarazana. Tsy haiko loatra ny nahatonga ny teny fa tombatombanako hoe firariana soa avy amin’ny razana no nihavian’io teny io. Fa na izany na tsy izany dia avy any amin’ny zoro no andakana ny baolina fandaka amin’ny tranga lazain’ny teny anglisy hoe “corner” izay. Mety ho tsy dia mahazatra angamba ilay teny hoe zorontany fa ny sisintany no be mpiteny kokoa. Raha vao izany anefa no lazaina dia toy ny misy fahaverezana ho an’izay tondroina ho any an-tsisitany. Adinon’ny hafa. Tsy maharaka izay zava-baovao hany ka zary toy ny mitoka-monina mandrakariva. 

 

Dia mbola azo atolotra ny mpahay teny malagasy ihany koa ny telolafintany. Ny telo aloha teny manokana manana ny heviny amin’ny fanisana, ny lafintany ihany koa teny azo raisina tsara. Matetika no ampitoviana dika amin’ny teny hoe vazantany izy io. Ary tahaka ny mitovy ihany anie izany teny hoe zoro sy vazana izany e? Tsia, ny zoro tena faritra kely mihitsy fa ny vazana misy fitohizana ihany ka! Raha tsy izany ihany koa anie tsy tonga ny teny hoe faravazana e! Ny lafy no nihavian’ny teny hoe ankolafiny. Tsy voafaritra mazava nefa fantatra kosa ny fisiany. Raha jerena ihany koa raha manondro zorontany ny olona iray dia tany kely no mety ho voatondro fa raha vao miteny hoe lafintany dia mety ho izay itopazan’ny masoano manontolo mihitsy no tondroin’zany teny izany. Fa mbola mahavariana ahy hatramin’izao ny nahatonga ny teny hoe lafy valo fa mangataka aminareo izay mahalala aho fandrao hainareo aloha. Fa mitady haneho endrika boribory ihany koa aloha izany misy lafiny valo izany e! Nefa tsy niteny hoe boriborintany ny Ntaolo talohan’ny fanjanahantany araka ny fahalalako azy. 

 

Dia eo indrindra isika izao, ahoana ity teny hoe boriborintany ity? Raha ny eto Madagasikara aloha dia Antananarivo ihany no manana anaram-panondroana enina samy misy ity teny hoe boriborintany ity. Ary nasiana laharany ihany koa moa manaraka izany. Izany dia teny maka tahaka ny any an-drenivohitr’ilay reny malala taloha! Izao no mahavariana. Amin’ny sarintany anie ny renivohitry ny firenena ka aseho amin’ny teboka efajoro fa tsy boribory e! Dia andramo ary ny mametaka boribory enina anaty efajoro tsy misy banga. Sa ny banga no hantsoina hoe farihin’Anosy na farihin’I Masay (Mbola misy moa ny farihin’I Behoririka sa tsy misy intsony?) Mahafinaritra ry zareo ny mandika teny na dia sarotra aza, tena sarotra tokoa satria efa nanandrana aho, fa ny maka tahaka be fahantany no manahirana ahy amin’izy ity. Naninona izao ny teny hoe firaisampokontany? Sy ny teny hoe fivondronampokontany? Sa teraka tao anatin’ny Repoblika faharoa ireny araka ny eritreritry ny mpitondra amin’izao fotoana izao? Diso hevitra izy raha izany no ao an-tsainy. Ny Filoha Kolonely Jeneraly Ratsimandrava no namoaka ireo teny ireo voalohany tamin’ny taona 1973 izay roa taona mialoha ny 1975 nanombohan’ny Revolisiona Sosialista nijoroan’ny Mandatehezam-pirenena miaro ny tolom-piavotana. Ireo teny ireo no tena teny malagasy madiorano mahalaza tsara izay tiany lazaina fa ny Boriborintany kosa milaza tara-pahefana ananan’ny ivo anankiray. Dia izay aloha ny amin’ity lahatsoratra fanalan’andro ity fa tonga amin’ilay fitenenana manao hoe eritreritra sendra mandalo moa ka natao ho tsetsatsetsa tsy aritra. (Azonareo ve ny nahatonga izany teny hoe tsetsatsetsa tsy aritra izany?)

Feno Kamiao miaramila mivezivezy Antananarivo

2007-09-14 @ 16:42 in Andavanandro

Tamin’ny gazety iray no nahitako fa voasava avokoa ny ankamaroan’ny fiara tany Toamasina tany. Natao hitandroana ny fahalemana izany no sady hitsinjovana fandrao misy mitondra zavatra mampiahiahy tampoka any ho any. Tsy mandray ny fanapahan-kevitra toy izany ny tompon’andraikitra raha tsy mahare siosio na vaovao nampitain’ny mpitsikilo, ho isika izay. 

 

Teto Antananarivo indray dia nahagaga ihany fa be ny fiaraben’ny mpitandro ny filaminana no nandalo taty amin’ny faritra atsinanan’Antananarivo, avy any atsimo tany. Na zandary na miaramila (ny polisy no tsy tsikaritro loatra) dia feno azy avokoa. Misy ny nitsitapitapy fa nisy ihany koa ny nitandahatra mihitsy. 

 

Raha nojerena indray ny fitafin’ireo tao anatiny dia tsy ilay tena fitafy mianjaika alohan’ny matso no hitako sady tsy nisy nanao fonontanana rahateo izy rehetra. Raha tsy misy moa rahampitso ny filazana noho ny anton’izao fihetsiketsehana tsipalotry ny maso izao dia andeha atao hoe nanao fanazarantena ry zareo. Fa raha tsy izany kosa, fa inona loatra ary no mitranga any ambadimbadika any?

Ela ny ela fa nirava ihany!

2007-09-13 @ 16:41 in Politika

Androany araka ny vaovao no vita ny fiofanan’ny sefo fokontany rehetra manerana an’I Madagasikara. Androany manko no natao ny lanonam-pamaran’ny andiany fahaenina farany natao tao Iavoloha. Izany hoe raha mahadinika ianareo dia rahampitso vao mety ho malalaka amin’izay ny trano fianarana fatorian’izy ireo. Ny mpianatra manko niditra nianatra tamin’ny alatsinainy na talata teo. Ny sefo fokontany kosa mbola mila ny sekoly amin’ny alina. Izany hoe tsy maintsy misy efitra tsy afaka ianarana izany any an-tsekoly raha tsy ny sekoly mihitsy no mikatona ho an’ny mpianatra aloha. Soa ihany fa fotoana fohy fa raha tsy izany dia mampahatsiaro indray ny fotoana nibahanan’ny tra-boina ny sekoly rehefa tonga ny tondra-drano. 

 

Sarotra moa ny hitsikera mivantana fa na dia izany aza dia mba misy fanadinoana amin’ny fandaminana ny fandaharam-potoana ihany izao fifanindrian’ny fotoana izao. Nihevitra ihany aho fa tafiditra ao anatin’ny fampianarana ny sefo fokotany ny fandaminam-potoana saingy maneho tsy fahamatorana ihany izao tranga hita izao. 

 

Manaraka izany indray dia ankalazaina hatrany hatrany fa tsy azo atao ny manao fampielazan-kevitra amin’ny tranom-panjakana na sekoly na fiangonana na eny an-tsena fa nahita afisy nahatona teo amin’ny vavahadin’ny tsena ambohijatovo aho ry zareo a! Nahantona, hoy aho, satria apetaka amina baoritra iray io ary dia farango no mitazona azy hatreny ambony. Izany hoe tsy mipetaka amin’ny rindrina izy fa mikirazorazo eo am-bavahady. Hevitra iray tsy mandika lalàna ve ary izy io? Mazava loatra fa tsy maintsy avy amin’ny antoko matanjaka indrindra ilay hevitra e!

Sehatra iraisampirenena atao teny malagasy

2007-09-12 @ 16:21 in Ankapobeny

Somary hodinganina vetivety ny vaovao manahirana ny mieritreritra azy fa mba vaovao tsara indray aloha no hozaraina amintsika etoana. Androany no nisy lahatsoratra amin’ny teny malagasy manontolo ny sehatra iray mpiteny anglisy manontolo ary miezaka mandika izay lahatsoratra ao aminy ho amin’ny tenim-pirenena hafa ireo mazoto manokana ho amin’izany. Mety ho efa nisy ihany ny nitsidika ny Global Voices Online, ka namaky ireo karazam-baovao sy lahatsora-panadihadiana ao anatiny. Izy indrindra no resahintsika etoana. Manomboka izao izany dia misy sehatra iriariavan’ny teny malagasy (vakio eto) manokana ity sehatra azo lazaina ihany fa lehibe sy manerantany ity. 

 

Andeha horaisintsika ho rehareha hatrany ny fananana sehatra tahaka itony hameloma-maso ny tenindrazantsika. Ity sehatra ity manko dia miezaka manambara ireo karazam-baovao tsy manintona loatra ny gazety malaza nefa tsara ampahafantarina ny be sy ny maro ihany koa. Omeny tombondahiny ao anatin’izany ny fizarana ny vaovao avy aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana na avy amin’ny tany vitsy mponina ihany koa. Azo lazaina ihany koa fa miteny ao ihany koa ireo manana eritreritra hafa tsy nomena vahana loatra any amin’ny tany efa mandroso any. 

 

Etsy ankilan’izany indray, marina fa miezaka mamoaka vaovao amin’ny teny malagasy ny maro amin’ny gazety eto Madagasikara. Efa nozarina amin’ny “faits divers” na tsikaritra etsy sy eroa anefa isika raha vao lahatsoratra amin’ny teny malagasy no vakiana. Mino kosa aho fa ny sehatra tahaka itony no hahitana fanadihadiana ataon’olo-tsotra manerantany ho amin’ny teny malagasy mba hananany ny hasina sahaza azy. Koa na dia heverinao aza fa efa novakianao tamin’ny tenim-pirenena hafa ny lahatsoratra iray hitanao tao dia mba tsara ihany koa ny mamaky azy amin’ny tenin’ny Ntaolontsika e! Ndrao koa isika dia vonona ho amin’ny fandikan-teny. Raha mazoto amin’izany fandikanteny izany moa ianao dia tsaratsara kokoa raha manoratra any amin’ny Lova Rakotomalala na any amin’i SipaKV ihany koa, any amin’ny blaoginy any. Marihina anefa fa asa mitohy io na dia asa maimai-poana aza fa tsy vitan’ny taitaitra fotsiny. Dia mirary soa ho antsika eo am-pamakiana azy e!

Tezitra (mangina) ny vahoaka!

2007-09-11 @ 16:07 in Spaoro

Hatairana sy hatezerana no niloatra ambavan’ireo namaky tamin’ny gazety na nandre tamin’ny fampielezam-peo fa tsy ho afaka ny hanao fifanintsanana any Senegal ny mpilalao basket vehivavy malagasy. Na mpanohana ny fitondrana izy na mpanohitra ny fitondrana dia samy nanambara ny alahelony avokoa. Amin’ity tranga iray ity kosa dia afaka ny mitabataba azy tsara ny antoko mpanohitra ankehitriny. 

 

Efa nahita ny fiezahan’ireo mpilalao vehivavy ireo avokoa ny nanaraka ny lalaon’ny nosy farany teo. Karazana voninahitra ihany koa izany hoe nantsoina mba hifaninana amin’ny CAN2007 amin’ity taranja basket ity isika malagasy saingy efa tankina hatreo aloha ilay fanoloram-boninahitra. Efa fotoana elaela ihany ny tao amin’ny federasiona no niakatra sy nidina teny amin’ny Minisitera mba ahafahana mandefa ireo mpilalaontsika ireo. Nanambara ombieny ombieny tamin’ny haino aman-jery ry zareo fa tsy manana ny ho enti-manana amin’izany fandehanana ho any Senegal izany. Nodradradradraina hatrany ihany koa fa misy sazy anie ny tsy fandehanana amina lalao fifaninana sahala amin’izao ary efa misy aza ny sazy teo aloha mbola tsy naloa. Saingy toy ny rano natondraka tamina gisa ihany izany. 

 

Mety ho azo natao ny nilefitra raha tsy nisy ny ankiteniteny tamin’ireny lalaon’ny nosy farany teo ireny. Vao iray volana monja manko izany no nampanatena ny filoham-pirenena fa manomboka tamin’izany fotoana izany dia hatao laharam-pahamehana ny fanatanjahantena ho fikarakarana ny tanora. Noho izany no nanambarany fa izay rehetra mahazo medaily volamena dia halefa (hijery ny lalao olaimpika) any Beinjing avokoa amin’ny herintaona. Nahazo ny laharana voalohany mihitsy moa isika tamin’ny fahazoana io medaily volamena io no sady nahatratra ny isa zato izany. Izay koa angaha ny nampiakatra ny vokatra tiko rehetra raha vao vita io lalaon’ny nosy io hiantohana ny fandefasana ireo atleta ho any Beinjing ireo. Vao nandre ny teny moa aho tamin’izay fotoana izay dia efa nahavoaka hoe “ ho tontosanao tokoa ve izany? Sa mandritra ny lalaon’ny nosy ihany? 

 

Efa nohatonin’ny tao amin’ny federasiona ihany ny minisitra mpiahy ity taranja ity, ary efa nahavory ny roatokon’ny vola nomanina ho amin’izany izy araka ny nambara. Nandrasana hatramin’ny ora farany fa tsy namaly teny mihitsy ny minisiteran’ny fanatanjahantena na dia niezaka aza ny minisitra mpiahy ny taranja basket (samihafa ireo an!). Ny momba ny Tafita (tahiry ho fanampiana ny tanora [indrindra fa amin’ny fanatanjahantena]) moa dia tsy nandrenesam-peo ny aminy; tsy fantatra na efa ao anatin’ireo nanolotra fanampiana izy na tsia. 

 

Ankehitriny, hita ho tezitra amin’ity daholo ny olona raha vao atsidika ity lohahevitra ity. Misy moa fomba fiteny hoe ny fampanantenana avy amin’ny mpanao politika dia ho an’izay mino azy ihany. Saingy vanim-potoana mialoha ny fifidianana anie isika ary tselatra kely monja dia mety hampivadika ny olona ary rehefa izy no mivadika dia tsy hiaro na hanohana anao intsony. Sahy aloha izy nandiso fanantenana e!

Shinoa mampiseho ny fahaizany

2007-09-10 @ 16:07 in Kolontsaina

Feno ny afisin’ny fampisehoana hataona mpanakanto Shinoa sivy mianadahy tsy misy fantatry ny Malagasy loatra ny toerana natokana ho amin’izany tamin’ny herinandro lasa teo. Heverina fotsiny fa manana ny lazany ireo olona ireo araka ny naverimberina tamin’ny dokam-barotra. Mpihira sy mpanao hakingan-tanana no fahaizana manokana ananan’izy mianadahy avy ary nisy aza ny efa tompon-daka tamin’ny fifaninanana hakingan-tanana tany Monte-Carlo. Na dia tsy liana loatra aza aho ny hanatrika izany fampisehoana izany dia te-hahafantatra kosa hoe manao ahoana ny hamaroan’ny olona ho avy amin’izany fampisehoana izany. Maimai-poana manko ny fidirana ary ny Media Consulting fantatra amin’ny fikarakarana fampisehoana rahateo no nalain-dry zareo hanatontosa azy. Raha nisy vidim-pidirana manko dia mety ho sahirana ry zareo fa ny olona tsy hiditra amin’izany fampisehoana tsy misy artista tena fantatra akory. 

 

Ny alahady hariva ary no nanaovana fampisehoana tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina. Asa izay mahatadidy fa nampahatsiahy ahy ny fampisehoana hakingana sy fahaizan’ireo mpanao Cirque Sovietika nandalo teto tamin’ny andron’ny revolisiona ity tantara ity. Tamin’izany fotoana izany dia tena nihiboka tokoa ny Malagasy ka tsy tena maharaka ireo mpanakanto malaza tamin’ireny hany ka izay vahiny mandalo dia mampirohotra ny olona hijery fampisehoana mivantana. Televiziona tokana no nisy tamin’ny androny fa izao kosa efa miaina amin’ny fahamaroan’ny haino aman-jery isika. Noho izany tsy maintsy mafonja kokoa ny fampilazana ny fisiany amin’ny olona. Azo heverina fa tafita ny hafatra ka tsy mahagaga raha be no tonga na dia hizaha fotsiny aza. Fampisehoana baojo izany ve? Saingy be no diso fanantenana. 

 

Izaho raha vao maheno hoe maimai-poana dia ny fahamaroan’ny sarambambem-bahoaka no tao tonga an-tsaina avy hatrany. Dia azo eritreretina ihany koa fa be no handalo fotsiny. Na izany na tsy izany, ho an’izay vonona ny hijery dia mila miala aloha any an-trano ka mamonjy izay toerana tsaratsara ijeren’ny tena. Mazava loatra fa tsy ho ny hira mihitsy no tena hahatongavan’ireo olona ireo. Angaha moa eto Madagasikara misy mahalala izay hira malaza misy any Shina any? Ny Shinoa manaraka ny vaovao misy any an-tanindrazany angaha no haharaka izany? Ny hakingan-tanana araka ny eritreritro no tena anton-dia afa-tsy hoe mba mahafinaritra angaha ny mihaino ny feon’ny hira. Nefa hay efa nisy ny tapakila nozaraina mialoha mba hamerana dieny mialoha ny olona ho tafiditra ao amin’ity fampisehoana ity. Iny indray no tsy hitako, hoy aho anankampo. 

 

Raha sainina tokoa dia mety ny hevitra mba tsy hahamaty hasina ilay lapa. Tsy tafiditra izay tsy nieritreritra ny fisian’ny tapakila. Tsy ho hipoka manempotra ihany koa ao. Mampiaiky ahy ihany moa ny sasany amin’ny tsy fanajana ny lalàna mipetraka. Betsaka ny manaja ny hoe tsy azo ifohana sigara ao amin’ny lapa fa tamin’ny famaranana basket tamin’ny lalaon’ny nosy iny no nahitako fa tsy misy miraharaha izany tsy fifohana sigara izany ny maro amin’ny tanora mpifoka (sa ny mpankafy basket ihany no tena madi-doha?) no tsy mety fa asiana tongotra foana ny seza fiankinana. Amin’izay fotoana izay ihany koa dia tsy tokony hisy olona hipetraka eny amin’ny tohatra fiakarana sy fidinana ahafahana mivezivezy tsara. Mazava loatra fa tsy ho tafiditra mihitsy ny maloto akanjo isan-karazany. Misy ny lafiny mahatsara izany nefa misy ihany koa ny lafiny maharatsy azy. 

 

Aleo aloha lazaina fa feno tsara ny lapa, mahavariana ny mijery azy amin’ny fahitalavitra hoe fampisehoana maimai-poana ve dia olona mihaja avokoa no hitanao ao? Misy tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ihany koa manaraka izany. Ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy sy ny masoivohom-pirenena shinoa no tena fantatra amin’izany. Ny olo-tsotra malagasy tonga teny tsy nisy nanana tapakila ka tsy tafiditra hany ka maro ny tezitra. Saiky nisy mihitsy aza ny fifandonana. Tsy ny mpankafy basket aloha no maro an’isa ka tsy nisy namaky ny vavahady e! naleo nionona tamin’ny fodiana sady mbola kely rahateo ny ankizy ary na malahelo aza ireo tsy misy na inona na inona hafa azo atao ankoatra ny fanambatambazana amin’ny hanina angaha. 

 

Na izany na tsy izany tsy ratsy tsy akory ny fampisehoana. Mahavariana aza ny karazan-kira fa mila hisy itovizana amin’ny hiran’ny taona 60 nefa mitady hisy fifandraisany amin’ny hira revolisionera ihany koa. Ny feony ihany no lazaiko fa tsy misy mahalala izay tonony any na dia mazava be aza ilay teny shinoa iresahan-dry zareo (ho an’izay mahay azy). Mahay mihira ry zareo ary hita miharihary fa anarivony taona ny sivilizasiona nodiaviny. Tsy ambaka amin’ny hira tandrefana (taloha sy klasika) ihany koa na dia izany aza fa tsy nahitako hip hop na ngadon-kira ironan’ny tanora maro kosa. Angamba kolontsaim-panoherana ireny ka tsy tiany ampitaina loatra na mety ho voarara mihitsy aza na andeha atao hoe tsy amporisihana ny fihirana azy. 

 

Tsikaritra ihany koa fa ny petatsanga araka ny filaza no tena nameno ny toerana maro tao amin’ny fampisehoana fa ankavitsiana ihany ny Malagasy. Tsy mahagaga raha ny teny Shinoa no tena nanaovana fanolorana na dia nanao izay ho afany ihany aza i Gothlieb amin’ny fanolorana amin’ny teny malagasy. Vahiny eto amin’ny taniny indray ireo malagasy mba tafiditra tamin’io fampisehoana io. Nihevitra aho hoe maka ny fon’ny Malagasy izy ireo amin’ny fanaovana fampisehoana sahala amin’izao hay lasa karazana fihaonan’ny Shinoa rehetra indray aza no mitranga. Ie! Tena mihamaro tokoa ireto Shinoa ireto eto Madagasikara an! Hita ihany koa fa tena Be resaka ireo izay hita tao…

Akorontana indray ve i Madagasikara ?

2007-09-08 @ 10:15 in Politika

Vaovao nanaitra ny namakiana hatraty ivelany ny fonjan’Antsiranana sy ny nandraisan’ny fitondram-panjakana handefasana rezimantana mpitandro filaminana tany toliary noho ny famonoana tsy amin’ny antony ataon’ny sasany isak’alina ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny tanàna any atsimo andrefana io. 

 

Andro voalohany amin’ny fampielezan-kevitra hifidianana depiote hotontosaina amin’ny 23 septambra moa androany ka manjary mitodika politika avy hatrany ny eritreritra namaky ny toe-draharaha tamin’ny gazety androany. Mampahatsiahy asa fampihorohoroana anaty vanim-potoana fifidianana manko izy io ary matetika dia ny tsy manantsiny no potika amin’ny tsy nataony. 

 

Na fohifohy ihany aza izay soratako ny tiana ampitaina kosa dia hoe tokony hanameloka ny fihetsika ny antoko mpanohitra fa tsy hihazakazaka amin’ny karazam-pitenenana sahala amin’ny hoe : Ireny no manaporofo fa tena mahantra ny vahoaka malagasy ka lasa manaonao foana sy izay mety ho fombam-pitenenana hafa. Mahantra ve dia hanana fitaovam-piadiana mahery vaika ? Iraka ireny amiko.

Ny fijaliana aiza no azo ihafiana kokoa?

2007-09-07 @ 09:34 in Ankapobeny

Raha noeritreretina hampangina ny adi-hevitra ny filazana ofisialy fa fisolokiana ny tolotr’asa handeha ho any Bahamas dia vao maika nampanonja ny adi-hevitra sy ny fampisainana izany. 

 

Raha vao niandoha ity raharaha ity dia nisy ny nahasahy niteny avy hatrany fa mampiahiahy ny fandehan’ny raharaha (sahala amin’ny spam mpandeha amin’ny mailaka sy aterineto ihany). « Tsy matiko lolo » hoy ny rahalahiko izay. Nahoana tokoa moa no aty amin’ny analiny kilaometatra (Salay arivony) no itadiavana mpiasa nefa ny kaontinanta lehibe eo akaiky eo aza be no tsy manana asa ? Ankehitriny vao betsaka no nahasahy niteny fa teo aloha mbola nangina sao voampanga ho mpanatsatso eo. 

 

Ny tena namitaka ny nihazakazaka hitady asa kosa dia ny nampiasana ny biraon’ny fanaraha-maso ny asa (Inspection de travail) tetsy Antsahavola. Faharoa manaraka izany, ny nahitana ny solontenan’ny minisiteran’ny asa nandritra ny famelabelarana ny raharaha tamin’ny mpanao gazety tamin’ny voalohany. Singa tsy azo adinoina ireo satria nanampy be dia be tamin’ny fitaka. Hany ka na dia nivoaka tsikelikely aza nmarina mbola nisy ny nahasahy niteny fa aleony mijaly any an-tanin’olona fa tsy izy intsony ny fiainana eto. Mba efa nahita ilay firohotana be tany Sao Paulo ( Brezila) nataon’ny tanora analiny nanao lobaka sy kiravato milahatra ho mpandroaka fako ve io olona niteniteny foana io ? 

 

Eo no nampanontany tena hoe raha samy hijaly ihany ; mijaly eto an-tanindrazana no azo ihafiana kokoa sa ny mijaly any an-tanin’olona ? Nisy manko ireo nasiaka mihitsy hoe tena fadiranovana loatra ny malagasy eto an-tanindrazana ka izany no mampibabababa azy hitady lalana hivoaka. Moa ny fitaizana natao teto amintsika mihitsy no nampanao paradisa ny any ivelany hany ka be loatra ny manofinofy ny hivoaka na dia ireo tsy mahay teny vahiny akory aza.

Tsena vetivety

2007-09-06 @ 07:22 in Andavanandro

Mahery mihitsy isika Malagasy amin’ny fomba fitadiavam-bola. Hay hatrany ny manararaotra amina toe-javatra iray. Ataoko fa endrika iray itarafana ny fahaiza-mivarotra izy io raha tsy fahaiza-manambaka.

 

Mitohy hatrany ny resaka fiofanan’ny sefom-pokontany. Tany amin’ny andiany voalohany dia henjana tokoa ny fanaraha-maso ireo sefom-pokotany ireo na dia tany amin’ny sekoly fatoriana aza. Nambenana miaramila mitam-basy mihitsy ny vavahadin’ny sekoly. Raha misy izany olona hafa te-hiditra dia tsy mahazo miditra. Ireo izay te-hivoaka ny sekoly hamangy havana kosa dia atsasak’adiny ihany no fetra azo ivoahana.

Voarara ny matory any amin’ny havana na dia manana havana na olom-pantatra eto an-drenivohitra aza. Nivaha tsikelikely ihany izany fifehezana izany taty aoriana. Efa mahazo mivoaboaka ihany ireo sefom-pokontany ireo amin’izao fotoana izao. Hazakazaka ny an’ny mpivarotra madinidinika manemitra ny vavahadin’ny sekoly, indrindra rehefa tonga ny hariva. Hita avokoa ny karazan-javatra rehetra any amin’ny antsoina hoe tsena fa ny tena betsaka dia ny fivarotana lamba tonta ( friperia) ihany. Ireny manko no tena be mora vidy, amin’ny ankapobeny dia Ar2000 eo avokoa na Ar1000 ny ankamaroan’ny fitafiana. Tonga eny ihany koa ny mpivarotra kojakojan-tokantrano na zavatra hafa madinidinika. Io karazan-tsena io amin’izao fotoana izao aloha no tsy raofin’ny polisin’ny fivondronana. 

 

Henjana dia henjana manko ny fanadiovana ataon’io sampan-draharaha io na dia efa tonga aza ny ora tokony iravany. Fantatry ny mpivarotra amoron-dalana izany ka izay no mahafeno vetivety ny lalana rehefa migadona ny amin’ny dimy ora sy sasany eo ho eo. Izao kosa dia mivezivezy mihitsy ny fiaran’ny fivondronana ka lasa toy ny hafahafa indray ilay hoe malalaka ny lalana odiana. Raha mba fantatr’izy ireo manko fa hotontosaina eto Antananarivo amin’ity volana ity ny fivorian’ny Ben’ny tanàna ao amin’ny fikambanana « métropolis » ka izay no mampihenjana ireto mpiasan’ny fivondronana ireto. Mety halalaka ihany re io rehefa vita ny fivoriana e.

Ireo sefom-pokontany

2007-09-05 @ 08:27 in Politika

Mizotra tsimoramora eny na dia tsy misy mpilaza firy aza ankoatra ireo haino aman-jery mpanohana ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Mazava loatra fa ny feon’izy ireo irery no mipariaka any anivon’ny sarambambem-bahoaka amin’izay fotoana izay. Misy ihany anefa izay azo ambara momba ity famoriana atao tsikelikely eny amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha ity.

 

 Marihina fa miditra amin’ny andiany fahadimy (farany) omaly ny famoriana ireo sefom-pokontany rehetra manerana an’i Madagasikara ka isaky ny faritra no ampiarahana azy ireo. Ny andiany iray dia misy sefom-pokontany eo amin’ny 3000 eo ho eo. Ny fampivondronana kosa dia miompana amin’ny fomba fitondrana olona ( fitarihana olona kosa no ambara ombieny ombieny entin’ny fampahalalam-baovao ilazany ny leadership).

 

 Voalohany amin’izany ny hevitry ny sasany manao hoe : « naninona raha ny mpampianatra no mitety ny faritra ? » heverina ho fanaovana fampielezan-kevitra ankolaka manko ny itondrana ireo sefom-pokontany ireo mandeha amin’izany hoe lapan’Iavoloha. Misy ny rariny tokoa izay fanamarihana izay satria ny vola lany amin’ny fivahinian’ny mpampiofana no mora kokoa noho ny vola lany ivahinian’ny sefom-pokontany avy amin’ny lafy valo. Vitsy kokoa ny fahasahiranana amin’ny fikarakarana raha ny hamaroan’ny olona karakaraina no jerena.

 

 Zavatra maro anefa no mety mahatonga ny fanapahan-kevitra hanaovana ny famelabelarana eny amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha. Ohatra tonga voalohany dia fanaovan’ny sefom-pokontany fizahantany vita ho azy indrindra ho an’ireo tsy mbola nahita mivantana hatramin’izay izany hoe Antananarivo izany. Fantatra ihany manko ny fomba fisainan’ny olona maro raha misy izay atao hoe tsy mbola nahita ny renivohitra hatramin’izay niainany nefa hoe hitondra olona. Ny fahitana zava-baovao aty andrenivohitra dia mety hampisokatra ny masontsainy amin’ny vina mety hotanterahiny.

 

 Manaraka izany ihany koa dia ilay fidirana ny lapa mihitsy. Omena sehatra tokoa ry zareo, hoy ny fitenenana. Mba hahatsiaro ny zavatra natao azy kosa izy ireo, hoy aho rehefa nandinika. Mba manan-kotantaraina rehefa tsy hita na tsy azo izay tena holazaina tamin’ny fiofanana niantsoana ny tena, ary hahita ireo fampirantiana mampilendalenda momba ny fiompiana sy ny fambolena ary hikarakara momba ny tontolo iainana ihany koa.

 

 Sekoly no ivantanana

 Fa ny tsy dia misy mpilaza dia ny toerana ivantanana sy atoriana. Sekolim-panjakana izy ireo ary eto an-drenivohitra mazava loatra. Ny sekoly amin’ny mahasekoly azy izay dia misy ny fahabangana. Tsy misy ny efitra fisasana, indrindra ho an’ny vehivavy, ka voatery namoronana vonjimaika amin’ny rofia na gony plastika fantatsika. Tsizarizary ihany nefa andeha atao hoe aleo io toy izay tsy misy mihitsy. Eto Antananarivo rahateo tsy misy efitra fisasana an’ny Kaominina hatramin’izao aloha na dia fantatra aza fa hikarakara izany izy ireo.

 

 Manaraka izany dia ny efitra fidiovana (azonareo fa ny mahasamihafa ilay efitra fidiovana sy fisasana ? tsy dia tiako loatra ilay teny hoe fivoahana !). tena tsy voahaja mihitsy ny fahadiovana. Ny fahazaran-dratsy any amin’ny misy azy ve no entin’ny sefom-pokontany aty sa misy kosa ny fahihirana mahalany be ? nefa dia mahatonga ny sefom-pokotany aty ihany. Fahabangana na fanadinoana ve ny fanomezana taratasy fidiovana ireo olona tsy zatra izany any amin’ny misy azy ireo nefa tsy dia lafo loatra ireny taratasy ireny ho amin’ny fikarakarana tahaka izao. Tsy mahagaga raha taratasy kahie fa famonosana na gazety no idiovan’ny olona nefa manentsina tatatra fanariana maloto lozantany ireny. Taratasy tsy sahaza manko. Vokany : tsy mandingana ny varavarambe akory dia mampiverina ilalana na dia poritra sahala amin’inona aza.

 

 Na izany na tsy izany dia maneho ny mahaizy azy mihitsy izy ireo. Palitao tonta no mety hiaraka amin’ny pataloha jean sy kapa kiranyl. Ny satroka moa dia mbola mahazatra ny maro mihitsy. Ireo rehetra ireo dia amin’ny fahadiovana antonony. Afaka manoatra ho aiza moa sady aiza koa no hindramana ny tsara kokoa ?

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2007 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox