Araka ny fangatahan'ny maro tany amin'ny tambajotran-tserasera dia avoakako eto ihany ireo vokatra nangonina, ary ny pejy Facebok an'ny CENI Madagascar ihany no nakako ireo lahatahiry ireo mba tsy isian'ny fitongilanana.
Ny fafana (tabilao) roa voalohany no ahitantsika ireo "vokatra farany" navoakan'ny CENI.
Jereo fa hatrany ambany ny daty:
Ny fafana roa farany kosa no nampidirako ny elanelan'isan'ny biraom-pifidianana, isan'ny mpifidy , vato manankery ary ny isanjato azon'ny tsirairay tamin'ireo vato nampidirina, izany hoe nisy ny fifanalana nataoko dia io no vokatra. samy afaka mieritreritra sy mamakafaka daholo amin'izay isika avy eo.
Toy ny fanaon'ny bilaogy no nataoko, izany hoe ny nivoaka farany no mipoitra eny ambony indrindra
fanazavana:
Mahita isika fa Excel ny tabilao nampiasaintsika. Ny fafana roa voalohany dia ireo navoakan'ny CENI, ahitana ny daty sy ny ora, voasoratra ihany koa ny isan'ny biraom-pifidianana, ny isan'ny nisoratra anarana ary ny isan'ny vato manankery. Nasiana loko amin'izay ny vato azon'ny kandidà telo voalohany.
Ny asehon'ny tabilao roa farany kosa dia ny elanelan'isan'ireo BV sy ny voasoratra anarana sy ny vato manankery ary ny vato azon'ny kandidà tsirairay avy. Jereo fa mitovy tsara ny isa rehetra ambany indrindra eo amin'ny tabilao faharoa sy fahaefatra satria eo no miainga ny fanisana ny elanelam-birao sy vato hafa rehetra. Ohatra: ny isan'ny BV ambany indrindra amin'ny faharoa sy ny fahaefatra dia 358.
Jereo indray ny alohan'ny farany amin'ny isan'ny BV amin'ny tabilao faharoa fa manondro 490, ny isan'ny BV amin'ny alohan'ny farany amin'ny BV amin'ny tabilao fahaefatra kosa dia manondro 132, dia mariho ary fa ny 358+132=490. Ny CENI manonona ny "vokatra farany (8/11/2018 amin'ny 20h59) ny tabilao kosa mikajy hoe raha 490 ny isan'ny BV dia firy izany ny isan'ny BV nampidirina tanelanelan'ny tamin'ny 17h22 sy 20h59? dia atao ny kajy 490-358=132, izany hoe 132 ny isan'ny BV nampidirina ka nahafeno ny 490 tononin'ny CENI, resaka elanelan'ny BV izany no asehon'ny tabilao fahatelo sy fahaefatra.
Ny tabilao voalohany milahatra amin'ny tabilao fahatelo ary ny tabilao faharoa miaraka amin'ny tabilao fahaefatra.
Manaraka: Eo amin'ny tabilao fahaefatra izany isika mahita fa nanampiana vato 13 726 i Andry Rajoelina raha nanampiana vato 12 087 kosa i Marc Ravalomanana, ireo notononina ireo miampy ny andalana ambany indrindra izay 35 950 ny an'i Andry Rajoelina ary 33 292 ny an'i Marc Ravalomanana izay manome hoe (13) 35 950+.13 726= 49 676 izay hitantsika alohan'ny ambany indrindra eo amin'ny tabilao faharoa ary ny (25) 33 292+12 087= 45 379 hitantsika eo amin'ny tabilao faharoa ihany.
Dia miverina tamin'ny tabilao fahaefatra farany indray aho, Eo amin'ny andry telo farany havanana isika mahita hoe s.%13 izany hoe raha natao kajy manokana ilay andalana alohan'ny farany dia hevero toy ny hoe bolongana iray ilay alohan'ny farany fa ny ampaham-bato azon'ny (13) izany dia 45% raha 39,76% kosa ny azon'i (25). Mody atao hoe (fa tsy izay ilay izy) tanàna roa samihafa izany ilay eo ambany indrindra sy ny alohan'ny farany io, ka 44% sy 45% no azon'i (13) tamin'ireo tanàna ireo... dia toy izany hatrany avy eo, mandra-piakatra any ambony.
Fehiny: ny tabilao roa voalohany dia fitambaran'isa fa ny fahatelo sy fahaefatra kosa dia ny isa nanampiana nahatonga ilay fitambaran'isa amin'ny roa voalohany. Tsy haiko na azonareo ny resaka na tsia aloha?
Mazotoa daholo.
Nandany andro aho nanao antontanisan'ny fampidiran'ny CENI ny vaton'ny kandidà anankitelo voalohany hatramin'ny andron'ny 16 novambra 2018. Elanelam-potoana 46 no nanaovana ny jery antontanisa tanelanelan'ny 8 novambra tamin'ny 17 ora 22 ka hatramin'ny 16 novambra tamin'ny 19 ora katroka. Mampieritreritra ny tsikaritra avy amin'izany. Mariho anefa fa avy amin'ny vokatra ankapobeny avy amin'ny CENI ihany no nanaovako io famakafakana io. Ataoko karazana fanontaniana kely ary ireo tsikaritro tamin'izany:
Fantatrao ve fa tamin'ireo fampidirana ny VATO VAOVAO dia indray mandeha ihany ny kandidà laharana faha-25 no nampidirana isambato 50% mihoatra? Tamin'ny 11 novambra 2018 tamin'ny 23ora 59 minitra irery ihany izany tranga izany (tamin'ny 11 nov tamin'ny 21 ora 20 min kosa ny fotoana fiaingana tamin'izany). Isan'ny biraom-pifidianana nampidirina 375, isan'ny voasoratra anarana 164 337, isan'ny vato manankery 87 956, vato azon'i ANR 25 924 (29%), vato azon'i MR 47 786 (54,33%), ary vato azon'i RRHM 3480 (3,96%). Eritreritra tsotra be avy aty amiko no toy ny manambara raha io tsikaritra io fa 2,2% (01/46) tamin'ny biraom-pifidianana manerana an'i Madagasikara ihany no nahazoan'i Marc Ravalomanana 50% na mihoatra izay tsy marina velively.
Mariho ihany koa anefa fa tamin'io fotoana io irery ihany koa no nampidirana ny vaton'i Andry Rajoelina voaisa ka latsaky ny 30% ny azony, ny sisan'izay dia 30% mihoatra avokoa. Dia miverina ihany amin'ilay tsoa-kevitra etsy ambony aho hoe tsy azo inoana velively kosa raha 2,2% tamin'ny biraom-pifidianana manerana an'i Madagasikara ihany no nahazoan'i ANR latsaky ny 30%.
Fantatrao ve fa indray mandeha irery ihany koa ny kandidà laharana faha-13 no nampidirana isambato 50% na mihoatra? Tamin'ny 15 novambra 2018 tamin'ny 8 ora sy 2 min irery ihany izany fotoana izany (tamin'ny 15 novambra 2018 tamin'ny 7 ora sy 6 min ny namoahan'ny CENI ny vokatra talohany noraisiko). Isan'ny biraom-pifidianana nampidirina 142, isan'ny voasoratra anarana 57 256, isan'ny vato manankery 25 479, vato azon'i ANR 12 678 (50%), vato azon'i MR 4 774 (18,74%), vato azon'i RRHM 2 917 (11,45%). Toy ny midika izany fa 2,2% amin'ny biraom-pifidianana rehetra manerana an'i Madagasikara irery ihany no nahazoan'i ANR ny atsasa-manilan'ny vato manankery izay sarotra inoana. Toy ny efa kinendry avy amin'ity tsikaritra ity fa sarotra dia sarotra ho azy ny hahazo izany 50% izany na dia mety hanakaiky io isanjato io aza ny azony manerana an'i Madagasikara. Izany hoe tsy azo eritreretina velively ny tsy isian'ny fihodinana faharoa.
Fantatrao ve fa mihoatra ny atsasamanilan'ny (52,2%) fampidirana ny vaton'i ANR nataon'ny CENI no nahazoany isanjato anelanelan'ny 40% ka hatramin'ny 49%? Latsaky ny ampahadimy na 19,56% kosa tamin'ny nampidirin'ny CENI ho an'i MR no tranga nisian'izany isambato anelanelan'ny 40% ka hatramin'ny 49% izany.
Fantatrao ve fa 41,30% ny isanjato nampidiran'ny CENI vato manelanelana ny 30% ka hatramin'ny 39% ho an'i ANR, raha 47,82% kosa ny fotoana nampidiran'ny CENI vato anelanelan'ny 30% ka hatramin'ny 39% voalaza etsy ambony ho an'i MR.
Fehiny, tsy mahagaga raha miahiahy amin'ny vokatra avoakan'ny CENI avokoa ny kandidà rehetra rehefa mahita ny fivoahan'ny vokatra tsikelikely. Efa fantatry ny rehetra rahateo fa tsy fantatra mihitsy, tamin'ny voalohany hoe ahoana no nahazoan'ny CENI nampifandanja avy hatrany ny vato azon'i ANR sy i MR ka nanomezana tombony avy hatrany ho an'i ANR, na dia hita aza fa i MR no mitarika any amin'ny maro amin'ireo faritra be mponina eto Madagasikara. Ho avoaka ihany ny antontanisa feno raha ilainareo izany.
Zavatra vitsivitsy no azo marihina amin'izao aorian'ny fifidianana ho filoham-pirenena teto Madagasikara taona 2018 izao. Ny zavatra lazaina eto ka nanaitra ny besinimaro dia ny isambato sy ny isanjato kely azon'ny filoham-pirenena farany teto amin'ny firenena, Atoa Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial, tsy nampoizina tokoa ny vokatra izay tena kely dia kely tokoa raha jerena tamin'ny naha-filoham-pirenena azy ka mahalasa ny eritreritra hoe inona no mahatonga izany vokatra ratsy dia ratsy izany?---
Tena ratsy dia ratsy mihitsy angaha ny fitantanana nataony no sazian'ny safidim-bahoaka izy? Sa tsy nanao na inona na inona mihitsy izy nandritra ny fotoana nitondrany? Mba mieritreritra ihany ny tena hoe tsy mendrika ny zavatra nataony sy vitany kosa ilay isam-bato azony. Nisy ihany ny tanàna na renivohi-paritany teo aloha nananganana foto-drafitrasa, ary mba nanantena ihany izy hoe hahay hankasitraka ny zava-bitany ny tao amin'ny tanànan'i Fianarantsoa sy ny manodidina, satria heveriko fa tao no anisan'ny nomena tombondahiny manokana amin'ireny foto-drafitrasa ireny. ---
Azo singanina ihany koa fa nandritra ny fotoana nitondrany no nananganana ny fanitarana ny seranam-piaramanidina iraisampirenena eo Ivato sy ny fanitarana ny trano goavana mifandraika amin'izany. Fotodrafitrasa tsy maintsy natao izany satria io no vavahadin'i Madagasikara misokatra amin'ny any ivelany, nefa efa kely loatra sy toa zary efa nilaozan'ny toetr'andro ny fotodrafitrasa misy amin'izao fotoana izao. ---
Etsy ankilany, tsy lavina fa misy ny foto-drafitrasa noheverina ho reharehan'i Madagasikara tamin'ny nandraisana ny fihaonana an-tampon'ny Fikambanana miteny manontolo na ampahany ny teny frantsay. Nisy ny fotodrafitrasa natsangana, toy ny Village Voara (dobla V), saingy tsy vita hatramin'ny farany ny fananganana io toerana io ka zary henatra ho an'ny firenena, ny trano fandraisam-bahiny mihaja "an'olon-tsotra" ao Ivato indray no vita tsara sy natao handraisana ireo delegasiona avy any amin'ny firenena maro. Mifanila amin'izany ihany koa ilay lalana mampitohy an'Ivato Seranana amin'Isoavimasoandro izay nanify loatra ny tara natao taminy sady tonga dia lavadavaka be raha vao nandalovan'ny orana indray mandeha monja. Asa kitoatoa ka niteraka fahatezerana ho an'ireo nahita izany. ---
Tsy adinoina ihany ny ny tantara nanafintohina tamin'ny 'carte grise' sy 'permis' lazaina fa "biometrique" izay naloa tamin'ny vidiny lafo dia lafo. Efa nitaraina ireo nahatsikaritra fa tsy misy izay maha-"biometrique" ireo zava-droa loha ireo saingy norahonana ny hogadraina fa manakorontana ny fiainam-bahoaka. Kanjo Malagasy iray monina tany Etazonia, nilaza fa tsy izy ary tsy "biometrique" mihitsy ireo taratasy roa ireo, dia mody nolazaina fa misy rindrambaiko manokana mamaky ny zava-boasoratra ao anatiny. Ny zatra zavatra "biometrique" mahafantatra avy hatrany fa misy zavatra tsy milamina matoa tsy namoaka na inona na inona rehefa tarafina ilay kaody QR maha-biometrika ny biometrika. Efa hifarana ny fehim-potoana fiasana vao niaiky fa hay tsy nilamina tokoa ireo taratasy nosandaina volabe ny nanaovana azy, sady nandaniam-potoana lava dia lava. Alahelon'ny olona tany anaty ireny ka tany amin'ny fandrotsaham-bato ny olona no nanasazy ireo mpitondra voasaringotra tamin'ireo raharaha ireo ka niezaka ny hirotsaka hofidiana. ---
Lesona ho an'ny mpitondra manaraka io toe-javatra io fa ny tsy tokony hohadinoina dia kandidà nanoloana olona hafa tsy navela hirotsaka io rangahy iray nitantana an'i Madagasikara tao anatin'ny dimy taona latsaka io. Nanjary anaram-bositra azony nandritra ny fotoana nitondrany ny hoe "Rajaonarimampiesona". Saingy tamin'ity fifidianana ity ihany koa no nahitana hoe raha nampiesona izy dia nisy kandidà iray mbola "original" kokoa tamin'ny fampiesonana... ary ny tanora sy ny midoka tena ho mbola tanora no tena roboka sy sodòkan'ny fampiesonana ataony, saingy avelao ho tantara manaraka indray ny amin'izay...